Slovenian

Malagasy

Leviticus

17

1In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
1[Ny amin'ny hamonoana ny biby hatao fanatitra, sy ny amin'ny mifady rà] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Govóri Aronu in sinom njegovim in vsem sinovom Izraelovim ter jim reci: To je, kar je zapovedal GOSPOD, govoreč:
2Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian'i Jehovah:
3Vsakdo iz hiše Izraelove, ki zakolje vola ali ovco ali kozo v taborišču ali pa zunaj taborišča
3Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely no mamono omby, na zanak'ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan'ny toby,
4ter jih ne prinese k vratom shodnega šatora, da jih daruje kot darilo pred bivališčem GOSPODOVIM: kri se všteje tistemu možu, kri je prelil, in izrebljen bodi tisti mož izmed svojega ljudstva;
4ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an'i Jehovah eo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy,
5zato da prinašajo sinovi Izraelovi klalščine svoje, ki jih darujejo na planem, da jih, pravim, prinašajo GOSPODU k vratom shodnega šatora, k duhovniku, in jih koljejo kot mirovne daritve GOSPODU.
5mba ho entin'ny Zanak'isiraely ho an'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ho amin'ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah izany.
6In razškropi naj duhovnik kri na oltar GOSPODOV pri vhodu shodnega šatora in zažge tolstino v prijeten duh GOSPODU.
6Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin'ny alitaran'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
7In naj ne darujejo klalščin svojih kozlom-malikom, za katerimi hodijo v nečistovanju. Večna postava jim to bodi po njih prihodnjih rodovih.
7Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an'ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin'ny taranany fara mandimby izany.
8Zato jim véli: Vsak iz hiše Izraelove in izmed tujcev, ki gostujejo med vami, kdor daruje žgalno ali klalno daritev,
8Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
9pa je ne prinese k vratom shodnega šatora, da bi jo daroval GOSPODU: tisti mož bodi iztrebljen izmed ljudstva svojega.
9ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
10In vsakdo iz hiše Izraelove in izmed tujcev, ki gostujejo med vami, kdor uživa kakršnokoli kri: obličje obrnem zoper tistega, ki jé kri, in ga iztrebim izmed ljudstva njegovega.
10Ary na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy.
11Zakaj duša mesa je v krvi, in jaz sem vam jo dal na oltar, da se ž njo izvrši sprava za duše vaše; kri je namreč, ki spravlja po duši v njej.
11Fa ny ain'ny nofo dia amin'ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
12Zato sem rekel sinovom Izraelovim: Nobena duša izmed vas ne jej krvi, tudi noben tujec, ki biva med vami, ne jej krvi.
12Koa izany no nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo.
13In vsakdo iz hiše Izraelove in izmed tujcev, ki bivajo med vami, ako ulovi kako zverino ali ptico, ki se sme jesti, ta naj izpusti njeno kri in jo pokrije s prstjo.
13Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin'ny tany ny ràny ka hototofany;
14Zakaj duša vsakega mesa je njega kri, združena z dušo njegovo; zato sem rekel sinovom Izraelovim: Krvi kateregakoli mesa ne smete jesti, kajti duša vsakega mesa je kri njegova; kdorkoli jo užije, bodi iztrebljen.
14fa ny amin'ny amin'ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran'ny nofo; fa ny ràny no ain'ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
15In vsaka duša, ki bi jedla mrlino ali raztrgano od zveri, bodisi domačin ali tujec, ta naj si opere oblačila in se izkoplje v vodi, in bode nečist do večera; potem je čist.Ako jih pa ne izpere in mesa svojega ne izkoplje, bo nosil krivico svojo.
15Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy, vao hadio.Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.
16Ako jih pa ne izpere in mesa svojega ne izkoplje, bo nosil krivico svojo.
16Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.