Slovenian

Malagasy

Leviticus

2

1Če pa hoče kdo prinesti darilo jedilne žrtve GOSPODU, bela moka bodi darilo njegovo, in naj vlije olja nanjo in dene nanjo kadila
1[Ny fanatitra hohanina] Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
2in jo prinese sinovom Aronovim, duhovnikom; in duhovnik naj vzame prgišče tega, moke in olja z vsem kadilom njenim, in naj to sežge na oltarju kot njen spomin: ognjena žrtev je v prijeten duh GOSPODU.
2Ary hitondra azy ho amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
3Kar pa ostane jedilne daritve, bodi Aronovo in sinov njegovih: presveto je od ognjenih žrtev GOSPODOVIH.
3Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
4Če pa hočeš prinesti v darilo jedilne žrtve kaj v peči pečenega, naj bodo opresni kolači iz bele moke, zamešeni z oljem, ali pa opresni mlinci, pomazani z oljem.
4Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
5Ako je pa darilo tvoje jedilna žrtev, pečena v ponvi, naj bode iz bele moke, zamešena z oljem, brez kvasu.
5Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
6Zdrobi jo v grižljaje in vlij nanjo olja: jedilna daritev je.
6Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
7Ako je pa darilo tvoje jedilna žrtev, skuhana v kotlu, bodi pripravljena iz bele moke z oljem.
7Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
8In prinesi jedilno daritev, ki si jo iz tega pripravil, GOSPODU, in podaj jo duhovniku, in on pristopi ž njo k oltarju.
8Ary ho entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara.
9In duhovnik naj vzame od jedilne daritve, kar je v njen spomin, in to zažge na oltarju: ognjena žrtev je v prijeten duh GOSPODU.
9Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
10Kar pa ostane jedilne daritve, bodi Aronovo in sinov njegovih: presveto je od ognjenih daritev GOSPODOVIH.
10Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
11Nobene jedilne daritve, ki jo prinesete GOSPODU, ne pripravljajte s kvasom; kajti ničesar od kvasu, ne od medu ne smete žgati v žrtev GOSPODU po ognju.
11Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;
12Kot daritev prvin jih smete prinesti GOSPODU, a na oltar naj se ne pokladajo v prijeten duh.
12fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
13In sleherno darilo jedilne žrtve svoje osoli in ne daj, da bi zmanjkalo soli zaveze Boga tvojega pri jedilnih daritvah tvojih: z vsemi darili svojimi daruj soli.
13Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.
14In če hočeš prinesti GOSPODU jedilno daritev od prvin, daruj zrnja v klasju, opraženega na ognju, zrnja raztolčenega, kot jedilno daritev od prvin svojih.
14Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.
15In vlij nanje olja in deni nanje kadila: jedilna daritev je.In duhovnik naj sežge del zrnja raztolčenega in del olja z vsem kadilom njegovim kot njen spomin: ognjena žrtev je GOSPODU.
15Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
16In duhovnik naj sežge del zrnja raztolčenega in del olja z vsem kadilom njegovim kot njen spomin: ognjena žrtev je GOSPODU.
16Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.