1In GOSPOD reče Mojzesu: Govóri duhovnikom, sinovom Aronovim, ter jim véli: Pri mrliču naj se nihče izmed vas ne oskruni med ljudstvom svojim;
1[Lalàna ny amin'ny fahamasinan'ny mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny,
2samo pri bližjih sorodnikih svojih, pri materi in pri očetu, pri sinu in pri hčeri, pri bratu
2afa-tsy amin'ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
3in pri sestri, devici, ki biva pri njem, ko se še ni omožila: pri teh se sme onečistiti.
3ary amin'ny fatin'ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
4Ne oskruni se naj, ker je gospod med svojim ljudstvom, da bi se onesvetil.
4Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin'ny fireneny izy.
5Ne strižejo naj si pleše na glavi in ne brijejo ob kraju brade svoje, in na telesu naj si ne delajo nobenih zarez.
5Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
6Sveti naj bodo Bogu svojemu in naj ne onesvetijo imena Boga svojega, zakaj ognjene daritve GOSPODOVE, kruh Boga svojega, darujejo; zato naj bodo sveti.
6Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.
7Nečistnice in posiljene deve naj si ne jemljejo, tudi ne take, katero je njen mož odpahnil; zakaj duhovnik je svet Bogu svojemu.
7Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.
8Zatorej ga štej za svetega, kajti daruje kruh Boga tvojega; svet ti bodi, ker jaz sem svet, GOSPOD, ki vas posvečujem.
8Dia hamasino izy, fa ny hanin'Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo.
9Hči duhovnikova pa, ki se onesveti z nečistovanjem, onesveti očeta svojega: z ognjem bodi sežgana.
9Ary raha ny zanakavavin'ny mpisorona mandoto ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin'ny afo.
10Tisti pa, ki je veliki duhovnik med brati svojimi, na čigar glavo je bilo izlito olje maziljenja in ki je bil posvečen, da se oblači v sveta oblačila: naj si ne razkriva glave ter ne trga oblačil;
10Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
11tudi naj ne hodi k truplu mrtvemu, niti pri očetu svojem ali pri materi svoji naj se ne onečisti.
11Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy aman-dreniny aza.
12In iz svetišča naj ven ne hodi, tudi ne onesveti svetišča Boga svojega, zakaj posvetitev mazilnega olja Boga svojega ima na sebi. Jaz sem GOSPOD.
12Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
13In ženo naj si vzame v devištvu njenem.
13Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
14Vdove in ločene ženske in posiljene, nečistnice, teh naj ne vzame, ampak devico iz ljudstva svojega naj vzame za ženo.
14Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny.
15In semena svojega naj ne onesveti med ljudstvom svojim, zakaj jaz sem GOSPOD, ki ga posvečujem.
15Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
16In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
16Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17Govóri Aronu in reci: Kdorkoli iz semena tvojega po prihodnjih rodovih ima telesno hibo na sebi, naj ne pristopa darovat kruha Boga svojega;
17Mitenena amin'i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin'Andriamaniny;
18kajti nihče, na komer je telesna hiba, ne sme pristopiti: slepec ali hromec, ali kdor ima ploščat nos ali katerikoli ud prevelik,
18Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
19ali mož, ki ima zlomljeno nogo ali zlomljeno roko,
19na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
20ali kdor je grbav ali pritlikav, ali kdor ima madež v očesu, ali kdor ima garje ali lišaj ali stlačen modnik.
20na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
21Nihče iz semena Arona duhovnika, ki ima kako hibo, naj ne pristopa darovat ognjene daritve Gospodove; hiba je na njem, ne sme pristopiti, da daruje kruh Boga svojega.
21Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.
22Kruh Boga svojega sme uživati, od presvetega in od svetega,
22Ny hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
23samo za zagrinjalo naj ne hodi in k oltarju naj ne pristopa, ker ima hibo, da ne onesveti svetišč mojih: zakaj jaz sem GOSPOD, ki jih posvečujem.In Mojzes je tako govoril Aronu in sinovom njegovim in vsem sinovom Izraelovim.
23kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy.Ary Mosesy dia nilaza izany tamin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra.
24In Mojzes je tako govoril Aronu in sinovom njegovim in vsem sinovom Izraelovim.
24Ary Mosesy dia nilaza izany tamin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra.