Slovenian

Malagasy

Leviticus

23

1In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
1[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Govori sinom Izraelovim in jim reci: Prazniki GOSPODOVI, ki jih razglasite za sveta zborovanja, le-ti so prazniki moji.
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:
3Šest dni naj se opravlja delo, a sedmi dan je sobota prazničnega počitka, sveto zborovanje; nobenega posla ne opravljajte: počitek je GOSPODU po vseh prebivališčih vaših.
3Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.
4To so prazniki GOSPODOVI, sveta zborovanja, ki jih razglasíte v njih določenih časih.
4Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy:
5Prvi mesec, štirinajsti dan meseca proti večeru, je pasha GOSPODOVA.
5Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah.
6In petnajsti dan tega meseca je praznik opresnih kruhov GOSPODU: sedem dni jejte opresnine.
6Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
7Prvi dan imejte sveto zborovanje; nobenega službenega dela ne opravljajte.
7Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;
8In sedem dni darujte ognjene daritve GOSPODU; sedmi dan je sveto zborovanje, nobenega službenega dela ne opravljajte.
8fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
9In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
9Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10Govóri sinovom Izraelovim in jim véli: Ko pridete v deželo, ki vam jo jaz dam, in boste želi letino njeno, prinesite prvi snop žetve svoje k duhovniku.
10Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona ianareo;
11In on majaj snop pred GOSPODOM, da bo milo sprejet za vas; zjutraj po soboti naj ga maja duhovnik.
11ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy.
12Tisti dan pa, ko darujete snop z majanjem, prinesite brezhibno enoletno jagnje v žgalno daritev GOSPODU;
12Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
13in ž njo vred jedilno daritev: dve desetinki bele moke, pomešane z oljem, kot ognjeno daritev GOSPODU v prijeten duh; in ž njo vred pitno daritev: vina, četrtino hina.
13Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.
14A kruha in opraženega zrnja in svežega žita ne jejte prav do tistega dne, ko prinesete darilo Bogu svojemu: večna postava je to za prihodnje rodove vaše po vseh prebivališčih vaših.
14Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
15Potem štejte od prvega dne po soboti, od dneva, ko ste prinesli snop v dar majanja, sedem celih tednov naj bode;
15Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
16do jutra po sedmi soboti štejte petdeset dni, in tedaj darujte novo jedilno daritev GOSPODU.
16Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray.
17Iz prebivališč svojih prinesite dva hleba za majanje, iz dveh desetink bele moke, pečena s kvasom, kot prvine GOSPODU.
17Ary mitondrà mofo roa avy amin'ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin'ny koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an'i Jehovah izany.
18In s kruhom vred prinesite sedem brezhibnih, enoletnih jagnjet in mladega junca in dva ovna, ki naj bodo v žgalno daritev GOSPODU, in obenem jedilno in pitno daritev, ki k njim gre: ognjena žrtev bodi v prijeten duh GOSPODU.
18Ary manatera miaraka amin'ny mofo zanak'ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr'ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
19In darujte kozla v daritev za greh in dve enoletni jagnjeti v mirovno daritev.
19Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak'ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.
20In majaj jih duhovnik s kruhom prvin kot daritev majanja pred GOSPODOM z dvema jagnjetoma vred: sveti naj bodo GOSPODU v prid duhovniku.
20Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin'ny mofon'ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah mbamin'ny zanak'ondrilahy roa koa; ireo dia ho masina ho an'i Jehovah ho anjaran'ny mpisorona.
21In razglasite istega dne: Sveto zborovanje vam bodi, nobenega službenega dela ne opravljajte! Večna postava bode to po vseh prebivališčih vaših od roda do roda. –
21Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenanareo rehetra.
22In ko žanjete letino dežele svoje, ne požanji docela obmejkov njive svoje in ne pobiraj ob žetvi popuščenega klasja: pusti jih ubožcu in tujcu. Jaz sem GOSPOD, Bog vaš.
22Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
23In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
23Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24Govóri sinom Izraelovim in reci: Prvi dan sedmega meseca vam bodi slavnosten počitek, spomin s trobentanjem, sveto zborovanje.
24Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.
25Nikakršnega službenega posla ne opravljajte in darujte ognjeno daritev GOSPODU.
25Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
26In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
26Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
27Ali deseti dan tega sedmega meseca je slavnostni dan sprave: sveto zborovanje imejte in pokoríte duše svoje ter darujte ognjeno daritev GOSPODU.
27Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
28Nobenega dela ne opravljajte tisti dan, zakaj slavnostni dan sprave je, da se izvrši poravnava za vas pred GOSPODOM, Bogom vašim.
28Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo.
29Kajti vsaka duša, ki se ne pokori tisti dan, bodi iztrebljena izmed ljudstva svojega.
29Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
30In vsako dušo, ki bi opravljala kakršnokoli delo tisti dan, hočem pogubiti izmed njenega ljudstva.
30Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny.
31Nobenega dela ne opravljajte: večna je to postava za prihodnje rodove vaše po vseh prebivališčih vaših.
31Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo.
32Sobota prazničnega počitka vam bodi, in pokorite duše svoje, na večer devetega dne meseca, od večera do večera praznujte soboto svojo.
32Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
33In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
33Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
34Govóri sinom Izraelovim in reci: Petnajsti dan tega sedmega meseca je praznik šatorov sedem dni GOSPODU.
34Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafolo izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah.
35Prvi dan bodi sveto zborovanje, nobenega službenega dela ne opravljajte.
35Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory.
36Sedem dni darujte ognjeno daritev GOSPODU, osmi dan imejte sveto zborovanje in darujte ognjeno daritev GOSPODU; slovesno zborovanje je, nobenega službenega dela ne opravljajte.
36Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.
37To so prazniki GOSPODOVI, ki jih razglasite za sveta zborovanja, da se daruje ognjena daritev GOSPODU, žgalna in jedilna, klalna in pitna daritev, kolikor je za vsak dan določeno,
37Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra,
38razen sobot GOSPODOVIH in razen drugih daril vaših in razen vseh vaših obljub in razen vseh prostovoljnih daritev, ki jih dajete GOSPODU.
38afa-tsy izay fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i Jehovah.
39Ali petnajsti dan sedmega meseca, ko boste spravili pridelke zemlje, obhajajte praznik GOSPODOV sedem dni; prvi dan bodi prazničen počitek in osmi dan bodi prazničen počitek.
39Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
40In prvi dan si vzemite sadja žlahtnih dreves in palmovih mladik in vej z listnatih dreves in vrbja od potoka, in veselite se pred GOSPODOM, Bogom svojim, sedem dni.
40Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
41In obhajajte to kot praznik GOSPODU sedem dni v letu: večna to je postava za prihodnje rodove vaše; v sedmem mesecu praznujte to.
41Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
42In prebivali boste v šatorih iz zelenja sedem dni; vsak, kdor se je rodil v Izraelu, naj prebiva v šatorih:
42Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa,
43da bi vedeli prihodnji rodovi vaši, da sem dal sinovom Izraelovim prebivati v šatorih, ko sem jih vodil iz dežele Egiptovske. Jaz sem GOSPOD, Bog vaš.In naznanil je Mojzes praznike GOSPODOVE sinovom Izralovim.
43mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.
44In naznanil je Mojzes praznike GOSPODOVE sinovom Izralovim.
44Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.