Slovenian

Malagasy

Leviticus

27

1In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
1[Lalàna ny amin'ny voady sy ny fahafolon-karena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Govori sinovom Izraelovim in jim reci: Če kdo stori obljubo, po cenitvi tvoji naj bodo osebe GOSPODOVE.
2Mltenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an'i Jehovah izy araka izay hataonao tombany.
3Bode pa cenitev tvoja za moškega od dvajsetega leta do šestdesetega leta: petdeset seklov srebra, po seklu svetišča;
3Ary ny hataonao tomban'ny lehilahy hatramin'ny roa-polo taona ka hatramin'ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masina;
4ako je pa ženska, bodi cenitev tvoja trideset seklov;
4fa raha vehivavy, dia sekely telo-polo kosa no hataonao tombany.
5in če je od petih let do dvajsetih let, bodi cenitev tvoja za moškega dvajset seklov in za žensko deset seklov;
5Ary raha hatramin'ny dimy taona ka hatramin'ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo no hataonao tomban'ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
6in če je v starosti od enega meseca do petih let, bodi cenitev tvoja za moškega pet seklov srebra in za žensko tri sekle srebra;
6Ary raha hatramin'ny iray volana ka hatramin'ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban'ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban'ny zazavavy.
7in če je šestdeset let in čez, moškega spola, bodi cenitev tvoja petnajst seklov, za žensko pa deset seklov.
7Ary raha hatramin'ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin'ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
8Ako pa je ubožen za cenitev tvojo, naj ga postavijo pred duhovnika, da ga duhovnik oceni: po razmerju s tem, kar si obljubnik prisluži, naj ga duhovnik oceni.
8Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan'ilay nivoady no hanombanan'ny mpisorona azy.
9Ako pa je živina, od katere se prinaša v darilo GOSPODU, karkoli takega hoče kdo dati GOSPODU, naj bode sveto.
9Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an'i Jehovah, dia ho masina ho an'i Jehovah izay rehetra omena amin'izany.
10Nikar naj tega ne premeni ali ne zameni, dobro za slabo ali slabo za dobro; če pa se kako zameni živina za drugo, bodi ona in njena zamena sveta.
10Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon'ny ratsy, na ny ratsy ho solon'ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masina Izy sy ny takalony.
11Ako pa je katerakoli nečistih živali, od katerih se ne prinaša v darilo GOSPODU, naj se postavi tista žival pred duhovnika,
11Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an'i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan'ny mpisorona izy;
12in duhovnik naj jo oceni, je li dobra ali slaba; po tvoji cenitvi, duhovnik, naj velja.
12ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no izy.
13Ako pa jo kdo hoče odkupiti, naj pridene peti del nad cenitev tvojo.
13Fa raha ta-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao tombany.
14In če kdo posveti hišo svojo, da bodi sveta GOSPODU, naj jo oceni duhovnik, ali je dobra ali slaba; kakor jo oceni duhovnik, tako bodi določeno.
14Ary raha misy olona manamasina ny tranony ho an'i Jehovah, dia hotombanan'ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon'ny mpisorona tombany no izy.
15In ako hoče hišo odkupiti tisti, ki jo je posvetil, naj pridene peti del denarja cenitve tvoje povrh, in hiša bodi njegova.
15Ary raha tian'ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, dia ho azy ny trano.
16In če kdo posveti kaj polja posesti svoje GOSPODU, bodi cenitev tvoja po tem, kolikor je ondi posevka: setev homera ječmena po petdeset seklov srebra.
16Ary raha misy olona manamasina ho an'Jehovah ny sasany amin'ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.
17Ako v začetku milostnega leta posveti njivo svojo, bodi določeno po cenitvi tvoji;
17Raha misy manamasina ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany no izy.
18ako pa jo po milostnem letu posveti, naj mu duhovnik računi denar po številu let, kar jih je še do milostnega leta, in naj se odšteje od cenitve tvoje.
18Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
19Ako pa hoče njivo tisti, ki jo je posvetil, odkupiti, naj pridene peti del denarja cenitve tvoje povrh, in njiva naj mu ostane;
19Ary raha tian'ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy.
20ako pa ne odkupi njive ali če jo proda drugemu možu, se ne more več odkupiti,
20Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin'olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany.
21in njiva ta, ko bo v milostnem letu oproščena, bodi sveta GOSPODU, kakor njiva posvečena: duhovniku naj pripade v posest.
21Fa raha afaka amin'ny Jobily ny tany, dia ho masina ho an'i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony.
22Ako pa posveti GOSPODU njivo, ki jo je kupil, ki ni od dednega polja njegovega,
22Ary raha misy manamasina ho an'i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin'ny zara-taniny,
23naj mu duhovnik računi znesek cenitve tvoje do milostnega leta, in on naj da, kolikor cene ti določiš, tisti dan kot sveto GOSPODU.
23dia holazain'ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina ho an'i Jehovah.
24V milostnem letu naj se povrne njiva spet tistemu, od kogar je bila kupljena, ki mu tudi gre kot posest.
24Amin'ny taona Jobily no hodian'ny tany amin'izay nividianana azy, dia ho an'izay tompon-dova.
25In vsaka cenitev tvoja bodi po seklu svetišča: dvajset ger imej sekel.
25Ary ny tombany rehetra izay hataonao dia ho araka ny sekely masina: ho gera roa-polo ny sekely iray.
26Samo prvenca živine, ki se kot prvina daje GOSPODU, naj nihče ne posvečuje: bodisi govedo ali drobnica, GOSPODOVO je že.
26Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an'i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an'i Jehovah izany.
27Ako pa je od nečiste živine, naj se odkupi po cenitvi tvoji in se pridene peti del povrh; in če se ne odkupi, naj to prodado po cenitvi tvoji.
27Fa raha biby maloto kosa, dia havotany araka izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga avy fahenina; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany.
28Ali vsaka posvečena reč, ki bi jo kdo z zaroto posvetil GOSPODU od vsega, kar je njegovega, bodisi iz ljudi ali iz živine ali ž njive posesti njegove, se ne sme prodati in ne odkupiti; karkoli je z zaroto posvečenega, presveto je GOSPODU.
28Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan'ny olona ho an'i Jehovah amin'izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masina dia masina ho an'i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
29Vse posvečeno, kar se izmed ljudi z zaroto posveti, se ne sme odkupiti: mora se usmrtiti.
29Ny olona rehetra izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa.
30In vse desetine zemlje, od semena njive in od sadja dreves, so GOSPODOVE: sveto je GOSPODU.
30Ary ny ampahafolon'ny vokatra rehetra ao amin'ny tany, na avy amin'ny tanimbary, na avy amin'ny saha, dia an'i Jehovah; masina ho an'i Jehovah izany.
31Ako pa kdo hoče odkupiti kaj svojih desetin, naj pridene tega peti del.
31Ary raha misy tian'ny tompony havotana ny ampahafolon'ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy.
32In vse desetine od govedi in drobnice, od vsega, kar hodi pod pastirjevo palico, deseto bodi sveto GOSPODU;
32Ary ny amin'ny ampahafolon'ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon'izay rehetra mandalo eo ambanin'ny tehin'ny mpiandry, ho masina ho an'i Jehovah.
33ni treba gledati, je li dobro ali slabo, tudi naj se ne zamenja; in če se vendarle zameni, bodi tisto sveto in zamena njegova sveta: ne sme se odkupiti.To so zapovedi, ki jih je GOSPOD zapovedal Mojzesu za sinove Izraelove na gori Sinaju.
33Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.Ireo no didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.
34To so zapovedi, ki jih je GOSPOD zapovedal Mojzesu za sinove Izraelove na gori Sinaju.
34Ireo no didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.