1In zgodi se, ko pride v hišo enega izmed prvakov farizejskih v soboto jest kruh, da so oni nanj pazili.
1Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon'ny loholona anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
2In glej, vodeničen človek je bil pred njim.
2Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
3In Jezus izpregovori in reče učenikom postave in farizejem: Se li sme v soboto zdraviti ali ne?
3Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia?
4Oni pa umolknejo. In ga prime in ozdravi in odpusti.
4Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
5In jim reče: Kdo izmed vas, če mu pade osel ali vol v vodnjak, ga ne izvleče precej v sobotni dan?
5Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza?
6In niso mu mogli odgovoriti na to.
6Ary tsy nahavaly ny amin'izany zavatra izany izy.
7Povedal je pa povabljencem priliko, opazivši, kako si izbirajo prve prostore, govoreč jim:
7Ary Jesosy nanao fanoharana tamin'izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
8Kadar te kdo povabi na svatovščino, ne sedi na prvi prostor, da ne bi bil kdo imenitnejši nego ti povabljen od njega
8Raha misy maka anao ho any amin'ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
9in ne pride ta, ki je tebe in njega povabil, in ti ne reče: Daj temu prostor! in tedaj boš s sramoto sedel na zadnji prostor.
9ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra.
10Ampak, kadar si povabljen, pojdi in sedi na zadnji prostor, da ti, ko pride, ki te je povabil, poreče: Prijatelj, pomakni se više! tedaj ti bo čast pred vsemi, ki sedé s teboj.
10Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
11Zakaj vsak, kdor se povišuje, bo ponižan; a kdor se ponižuje, bo povišan.
11Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
12Pravil je pa tudi temu, ki ga je bil povabil: Kadar napraviš obed ali večerjo, ne vabi prijateljev svojih, ne bratov svojih, ne sorodnikov svojih, ne bogatih sosedov, da te morda tudi oni ne povabijo in ti povrnejo.
12Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
13Ampak, kadar napraviš gostijo, povabi siromake, kruljave, hrome, slepce,
13Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
14in blagor ti bo, ker ti nimajo s čim povrniti; povrne se ti namreč ob vstajenju pravičnih.
14dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin'ny fitsanganan'ny marina.
15Ko je to slišal nekdo izmed teh, ki so sedeli ž njim za mizo, mu reče: Blagor mu, kdor bo jedel kruh v kraljestvu Božjem.
15Ary ny anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
16On pa mu reče: Neki človek je napravil veliko večerjo in mnogo jih je povabil.
16Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
17In pošlje hlapca svojega ob uri večerje, naj reče povabljencem: Pridite, ker je že vse pripravljeno!
17Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
18In začno se vsi hkratu izgovarjati. Prvi mu reče: Njivo sem kupil in silno mi je treba, da grem in jo ogledam; prosim te, izgovori me!
18Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
19A drugi reče: Pet jarmov volov sem kupil in grem jih poskušat; prosim, izgovori me!
19Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
20Zopet drugi pa: Oženil sem se, in zato ne morem priti.
20Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany.
21In hlapec pride in sporoči to gospodu svojemu. Tedaj se hišni gospodar razjezi in reče hlapcu svojemu: Idi hitro ven na ceste in ulice mestne in pripelji sem siromake in kruljave in hrome in slepce.
21Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
22In hlapec reče: Gospod, zgodilo se je, kakor si ukazal, in še je prostora.
22Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
23Pa veli gospodar hlapcu: Pojdi ven na pota in za ograje in sili jih, naj pridejo, da se napolni hiša moja.
23Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
24Kajti pravim vam, da noben onih mož, ki so bili povabljeni, ne okusi večerje moje.
24Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
25Šlo je pa ž njim veliko ljudstva; in obrnivši se, jim reče:
25Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
26Če prihaja kdo k meni, pa ne sovraži očeta svojega in matere, žene in otrok, bratov in sester, da, tudi lastnega življenja svojega, ne more biti moj učenec.
26Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
27Kdor ne nosi križa svojega in ne gre za menoj, ne more biti moj učenec.
27Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
28Kdo namreč izmed vas, ki hoče sezidati stolp, ne sede prej in preračuni stroškov, če ima pač toliko, da ga dodela?
28Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
29da se mu, ko bi postavil temelj, pa ne bi mogel dozidati, ne začno vsi, ki to vidijo, posmehovati,
29fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
30govoreč: Ta človek je jel zidati, pa ni mogel dokončati.
30ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
31Ali kateri kralj, kadar se gre z drugim kraljem vojskovat, ne sede prej in se posvetuje, če se pač more z desetimi tisočmi srečati s tem, ki pride proti njemu z dvajsetimi tisočmi?
31Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia?
32Če pa ne more, pošlje poslance in prosi miru, dokler je še sovražnik daleč.
32Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
33Tako torej vsak izmed vas, kdor se ne odreče vsemu, kar ima, ne more biti moj učenec.
33Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
34Dobra je sol; ako se pa tudi sol izpridi, s čim se bo osolila?Ne da se rabiti ne za zemljo, ne za gnojišče; vržejo jo proč. Kdor ima ušesa, da sliši, naj sliši!
34Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
35Ne da se rabiti ne za zemljo, ne za gnojišče; vržejo jo proč. Kdor ima ušesa, da sliši, naj sliši!
35Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.