Slovenian

Malagasy

Luke

3

1Petnajstega leta vlade cesarja Tiberija pa, ko je bil Poncij Pilat poglavar v Judeji in Herod četrtnik v Galileji, a Filip, njegov brat, četrtnik v Itureji in v Trahoniški pokrajini in Lizanija četrtnik v Abileni,
1Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
2za velikih duhovnikov Ana in Kajfa, pride beseda Božja k Janezu, Zaharijevemu sinu, v puščavi.
2ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.
3In on pride v vso okolico Jordansko in propoveduje krst izpokorjenja v odpuščenje grehov,
3Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka;
4kakor je pisano v knjigi govorov Izaija proroka: „Glas vpijočega v puščavi: Pripravite pot Gospodov, poravnajte steze njegove!
4araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
5Vsaka dolina naj se izpolni, in vsaka gora in grič naj se zniža, in kar je krivega, bodi ravno, in ostra pota naj bodo gladka;
5Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
6in vse človeštvo bo videlo zveličanje Božje“.
6Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5).
7Govoril je torej množicam, ki so prihajale, da bi jih krstil: Gadja zalega, kdo vas je poučil, da ubežite prihodnji jezi?
7Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8Rodite torej sadove, vredne izpokorjenja, in ne poskušajte govoriti v sebi: Za očeta imamo Abrahama; kajti pravim vam, da more Bog iz tega kamenja obuditi Abrahamu otroke.
8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
9Nastavljena pa je že tudi sekira drevju pri korenini: vsako drevo, ki ne rodi dobrega sadu, se torej poseka in vrže na ogenj.
9Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
10In vprašujejo ga množice, govoreč: Kaj naj torej storimo?
10Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
11Odgovarjajoč pa jim veli: Kdor ima dve suknji, daj tistemu, ki nima, in kdor ima hrane, stori ravno tako.
11Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
12Pridejo pa tudi cestninarji, da bi jih krstil, in mu reko: Učenik, kaj naj storimo mi?
12Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
13On jim pa reče: Ničesar ne terjajte več, nego vam je določeno.
13Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
14Vprašajo ga pa tudi vojaki, rekoč: In mi, kaj naj storimo? In reče jim: Nikomur ne delajte sile in ne ovajajte, ter bodite zadovoljni s plačo svojo.
14Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.
15Ko pa je ljudstvo čakalo, in so vsi mislili v srcih svojih o Janezu, če ni nemara on Kristus,
15Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
16odgovori Janez vsem, rekoč: Jaz vas z vodo krščujem, prihaja pa močnejši od mene, ki mu nisem vreden odvezati jermena na obuvalu njegovem: on vas bo krstil s svetim Duhom in ognjem.
16dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
17On ima velnico v roki svoji, in očedi gumno svoje in pospravi pšenico v žitnico svojo, a pleve sežge z neugasljivim ogljem.
17eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.
18Tudi še z mnogimi drugimi opomini je oznanjeval blagovestje ljudstvu.
18Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.
19Herod četrtnik pa, ker ga je svaril zaradi Herodiade, njegovega brata žene, in zaradi vsega, kar je hudega storil Herod,
19Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20stori vrhu vsega tudi še to, da zapre Janeza v ječo.
20dia nanidy an'i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa.
21Zgodi se pa, ko se krščuje vse ljudstvo in se tudi Jezus krsti in moli: da se odpre nebo,
21Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
22in sveti Duh pride nanj v telesni podobi kakor golob, in glas iz nebes se oglasi: Ti si Sin moj ljubljeni, ti si po moji volji.
22ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
23In on, Jezus, je bil, ko je začel učiti, blizu tridesetih let, sin, kakor se je mislilo Jožefov, Helijev.
23Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely,
24Matatov, Levijev, Melhijev, Janajev, Jožefov,
24zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa,
25Matatijev, Amosov, Nahumov, Eslijev, Nagajev,
25zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay,
26Maatov, Matatijev, Semejev, Josehov, Jodov,
26zanak'i Mata, zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda,
27Joananov, Resov, Zorobabelov, Salatielov, Nerijev,
27zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery,[Gr. Salatiela]
28Melhijev, Adijev, Kozamov, Elmodamov, Erov,
28zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,
29Jozuetov, Eliezerjev, Jorimov, Matatov, Levijev,
29zanak'i Jesosy, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy,
30Simeonov, Judov, Jožefov, Jonamov, Eliakimov,
30zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima,
31Meleov, Menov, Matatajev, Natanov, Davidov,
31zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,
32Jesejev, Obedov, Boazov, Salmonov, Nahsonov,
32zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona,
33Aminadabov, Aramov, Ezronov, Faresov, Judov,
33zanak'i Aminadaba, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,[Na: (Arama)]
34Jakobov, Izakov, Abrahamov, Tarov, Nahorov,
34zanak'i Jakoba, zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,
35Serugov, Ragavov, Falekov, Eberjev, Salov,
35zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela,
36Kajnanov, Arfaksadov, Semov, Noetov, Lamehov,
36zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka,
37Matuzalemov, Enohov, Jaredov, Maleleelov, Kajnanov,Enosov, Setov, Adamov, Božji.
37zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.
38Enosov, Setov, Adamov, Božji.
38zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.