Slovenian

Malagasy

Malachi

1

1Prorokovanje besede GOSPODOVE za Izraela po Malahiju.
1[Ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny Isiraely, sy ny nanamavoan'ireny ny anarany sy ny fombam-pivavahana aminy] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely.
2Ljubil sem vas, pravi GOSPOD. Vi pa pravite: V čem si nas ljubil? Ni li bil Ezav brat Jakobov? govori GOSPOD; a ljubil sem Jakoba,
2Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
3Ezava pa sem sovražil ter sem naredil njegove gore v puščavo in dal njegovo dediščino šakalom v pustinji.
3fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia any an-efitra. [Na: jakala]
4Ako pravi Edom: Razdrti smo, pa zopet zgradimo, kar je podrtega – pravi tako GOSPOD nad vojskami: Oni bodo zidali, jaz pa bom podiral; in imenovali se bodo „kraji brezbožnosti“ in „ljudstvo, nad katerim se Bog srdi vekomaj“.
4Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo.
5In vaše oči bodo to videle in porečete: Velik je GOSPOD tudi preko Izraelove meje!
5Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin'ny Isiraely.[Na: ho lehibe anie][Na: eny amin']
6Sin spoštuje očeta in hlapec gospodarja. Ako sem torej oče, kje je moja čast? in ako sem Gospod, kje je moj strah? pravi GOSPOD nad vojskami vam, o duhovniki, ki zaničujete moje ime. Vendar še govorite: V čem smo zaničevali tvoje ime?
6Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao?
7Oskrunjen kruh darujete na oltarju mojem. Vendar govorite: S čim smo te oskrunili? S tem, da pravite: Miza GOSPODOVA se sme prezirati.
7Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba.
8In ko prinašate v daritev slepo živinče, ni nič hudega; in ko prinašate hromo in bolno, tudi ni nič hudega. Prinesi pa to deželnemu oblastniku svojemu! mu li bodeš ugoden? ali se ozre nate? pravi GOSPOD nad vojskami.
8Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon'ny maro.
9In sedaj, velim, prosite blagovoljnosti Boga mogočnega, da nam bode milosten! se li, ker je to vaša roka storila, milo ozre na koga izmed vas? pravi GOSPOD nad vojskami.
9Koa masìna ianareo, andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
10Da bi bil med vami le eden, ki bi zaprl vrata, da ne netite ognja na oltarju mojem brezkoristno! Niste mi nič ugodni, pravi GOSPOD nad vojskami, in darila ne sprejmem milo iz roke vaše.
10Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
11Kajti od solnčnega vzhoda do zahoda bode moje ime veliko med poganskimi narodi; in na vsakem mestu se bo darovalo kadilo mojemu imenu in čisto darilo; zakaj moje ime bode veliko med poganskimi narodi, pravi GOSPOD nad vojskami.
11Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin'ny jentilisa, ary any amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an'ny anarako; fa lehibe any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: ho lehibe]
12A vi ga oskrunjate s tem, da govorite: Miza GOSPODOVA je onečiščena, in jed, ki se dobi ž nje, se sme prezirati.
12Fa ianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. [Heb. vokany]
13In pravite: Glej, koliko truda pri njej! in jo zaničujete, pravi GOSPOD nad vojskami, ter prinašate, kar ste siloma vzeli, in hromo in bolno, in tako prinašate darilo. Ali naj to milo sprejmem iz roke vaše? pravi GOSPOD.Proklet pa bodi, kdor ravna zvijačno, ko ima samca v čredi, pa stori obljubo in potem daruje Gospodu kaj pokvarjenega! Kajti velik kralj sem jaz, pravi GOSPOD nad vojskami, in moje ime je strašno med pogani.
13Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy ! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin'ny tenanareo va Aho ? hoy Jehovah.Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.
14Proklet pa bodi, kdor ravna zvijačno, ko ima samca v čredi, pa stori obljubo in potem daruje Gospodu kaj pokvarjenega! Kajti velik kralj sem jaz, pravi GOSPOD nad vojskami, in moje ime je strašno med pogani.
14Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.