Slovenian

Malagasy

Mark

1

1Začetek evangelija Jezusa Kristusa, Sina Božjega.
1Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.
2Kakor je pisano v proroku Izaiju: „Glej, pošiljam angela svojega pred obličjem tvojim, ki pripravi pot tvojo.
2Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [Na: ao amin'ny mpaminany]
3Glas vpijočega v puščavi: Pripravite pot Gospodov, poravnajte steze njegove“,
3Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3),
4tako je nastopil Janez Krstnik v puščavi, oznanjujoč krst izpokorjenja v odpuščenje grehov.
4dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.
5In k njemu je prihajala vsa Judejska dežela in vsi Jeruzalemci, in krstil jih je v reki Jordanu, pripoznavajoče grehe svoje.
5Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
6Bil je pa Janez oblečen v velblodjo dlako in usnjen pas je imel okoli ledja svojega, in jedel je kobilice in divji med.
6Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
7In propovedoval je, govoreč: Močnejši od mene gre za menoj, kateremu nisem vreden, sklonivši se, odvezati jermenov na obuvalu njegovem.
7Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
8Jaz sem vas krstil z vodo, ali on vas bo krstil s svetim Duhom.
8Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.
9In zgodi se tiste dni, da pride Jezus iz Nazareta v Galileji, in Janez ga krsti v Jordanu.
9Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.
10In precej, ko stopi iz vode, zagleda, da se odpirajo nebesa, in Duh kakor golob gre navzdol nanj.
10Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
11In glas se začuje iz nebes: Ti si Sin moj ljubljeni, ti si po moji volji.
11Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
12In precej ga odvede Duh v puščavo.
12Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.[Gr. noroahin']
13In v puščavi je bil štirideset dni, in satan ga je izkušal, in bival je med zvermi; in angeli so mu stregli.
13Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
14Ko so pa Janeza izročili Herodu, pride Jezus v Galilejo, oznanjujoč evangelij Božji
14Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra
15in govoreč: Čas je dopolnjen in Božje kraljestvo se je približalo. Izpokorite se in verujte v evangelij!
15ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
16Hodeč ob Galilejskem morju, pa ugleda Simona in Andreja, njegovega brata, da mečeta mreže v morje; bila sta namreč ribiča.
16Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
17In reče jima Jezus: Pojdita za menoj, in naredim, da postaneta lovca ljudi.
17Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
18In popustita precej mreže svoje ter gresta za njim.
18Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
19In prišedši malo dalje, ugleda Jakoba, sina Zebedejevega, in njegovega brata Janeza; tudi ona popravljata v ladji mreže.
19Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
20In precej ju pokliče, in popustita svojega očeta Zebedeja v ladji z najemniki in odideta za njim.
20Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.
21In pridejo v Kafarnavm; in precej v soboto gre v shodnico in uči.
21Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra.
22In oni ostrme ob nauku njegovem, kajti uči jih, kakor kdor ima oblast in ne kakor pismarji.
22Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
23In precej se pokaže, da je v njih shodnici človek, ki ima nečistega duha;
23Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
24ta zavpije, rekoč: Kaj imaš z nami, Jezus Nazareški? Prišel si, da nas pogubiš? Poznam te, kdo si: Svetnik Božji.
24ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
25In zapreti mu Jezus, rekoč: Umolkni in izidi iz njega.
25Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy.
26In nečisti duh ga strese in zakriči z močnim glasom ter izide iz njega.
26Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy.
27In vsi se prestrašijo, tako da vprašujejo drug drugega, govoreč: Kaj je to? Kakšen nov nauk! Z oblastjo ukazuje tudi nečistim duhovom, pa so mu pokorni.
27Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
28In precej se raznese glas o njem povsod po vsej Galilejski pokrajini.
28Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.
29In precej gredo iz shodnice in pridejo v hišo Simonovo in Andrejevo z Jakobom in Janezom vred.
29Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
30Tašča Simonova pa je ležala mrzlična, in precej mu povedo o njej.
30Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
31In pristopi, jo prime za roko ter vzdigne, in mrzlica jo pusti, in ona jim je stregla.
31Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
32Zvečer pa, ko je solnce zatonilo, so prinašali k njemu vse bolnike in obsedence.
32Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
33In vse mesto je bilo zbrano pri vratih.
33Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa.
34In ozdravil je mnogo bolnikov različnih bolezni in zlih duhov je mnogo izgnal ter ni dovolil govoriti zlim duhovom, ker so ga poznali.
34Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
35In zjutraj, ko je še tema bila, vstane in gre ven ter odide na samoten kraj in tam moli.
35Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
36In za njim pohiti Simon in kateri so bili ž njim,
36Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
37in ko ga najdejo, mu reko: Vsi te iščejo.
37Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
38In jim reče: Pojdimo drugam, v bližnje trge, da bom tudi tam propovedoval, kajti zato sem prišel.
38Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
39Ter gre in propoveduje v njih shodnicah po vsej Galileji in izganja zle duhove.
39Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.
40In pride k njemu gobavec, ga klečé prosi in mu reče: Če hočeš, me moreš očistiti.
40Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
41In Jezus, ganjen usmiljenja, iztegne roko svojo in se ga dotakne ter mu reče: Hočem, bodi očiščen!
41Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
42In mu precej preide goba in bil je čist.
42Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
43In ostro mu zapretivši, ga precej odpošlje
43Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay
44in mu veli: Glej, da nikomur nič ne poveš, temuč pojdi, pokaži se duhovnikom in daruj za očiščenje svoje, kar je ukazal Mojzes, njim v pričevanje.On pa, ko izide, začne z vnemo oznanjevati in razglašati reč, tako da ni mogel Jezus nič več očitno priti v mesto, ampak je bival zunaj po samotnih krajih; in prihajali so k njemu od vseh strani.
44ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
45On pa, ko izide, začne z vnemo oznanjevati in razglašati reč, tako da ni mogel Jezus nič več očitno priti v mesto, ampak je bival zunaj po samotnih krajih; in prihajali so k njemu od vseh strani.
45Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.