1In zopet začne učiti ob morju. In zbere se pri njem tako velika množica, da mora stopiti v ladjo in sedeti v njej na morju; in vsa množica se razpostavi kraj morja po tleh.
1Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
2In mnogo jih je učil v prilikah in jim pravil v poučevanju svojem:
2Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe:
3Poslušajte! Glej, sejalec gre sejat.
3Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
4In zgodi se, ko seje, da pade nekaj zrnja poleg ceste, in prilete ptice in ga pozobljejo.
4Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
5A drugo pade na skalnata tla, kjer nima veliko prsti, in precej požene, ker nima globoke zemlje.
5Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
6Ko pa vzide solnce, uvene, in ker nima korenine, usahne.
6Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7In drugo pade v trnje, in trnje vzraste in ga uduši, in ne prinese sadu.
7Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
8In drugo pade na dobro zemljo, in prinaša sad, ki raste in se množi in rodi po tridesetero in po šestdesetero in po stotero.
8Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
9In reče: Kdor ima ušesa, da sliši, naj sliši!
9Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
10In ko je bil sam, ga vprašajo tisti, ki so bili pri njem z dvanajsterimi, po prilikah.
10Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.
11In jim reče: Vam je dana skrivnost kraljestva Božjega, onim pa, ki so zunaj, se vse godi v prilikah,
11Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;
12da „gledajoč vidijo, pa ne spoznajo, ter poslušajoč slišijo, pa ne razumejo: da se ne bi kdaj izpreobrnili, in bilo bi jim odpuščeno“.
12mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).
13In jim reče: Ne umete li te prilike? In kako boste vse prilike umeli?
13Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
14Sejalec seje besedo.
14Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
15Ti so pa, ki so poleg ceste: kjer se seje beseda, in ko jo slišijo, precej pride satan in vzame besedo, ki je posejana vanje.
15Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
16In enako so ti, pri katerih je posejano na skalnata tla: ko slišijo besedo, jo precej z veseljem sprejmo;
16Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;
17pa nimajo korenine v sebi, temuč so nestanovitni; ko potem nastane stiska ali preganjanje zaradi besede, se precej pohujšajo.
17nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.
18In drugi so, pri katerih je posejano v trnje: tisti, ki besedo slišijo,
18Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
19pa skrbi tega sveta in slepilo bogastva in želje po drugih rečeh se prikradejo in zaduše besedo in ostane brez sadu.
19fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.
20In ti so, pri katerih je na dobro zemljo posejano: ki besedo poslušajo in sprejemajo ter prinašajo sad, trideseteren, šestdeseteren in stoteren.
20Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
21In jim reče: Se li mar prinaša sveča, da se postavi pod mernik ali pod posteljo? A ne, da se postavi na svečnik?
21Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[Gr. avy]
22Kajti nič ni skritega, kar se ne bi razodelo, in nič ni tako skrivnega, da ne bi prišlo na svetlo.
22Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
23Če ima kdo ušesa, da sliši, naj sliši!
23Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
24In jim reče: Pomislite, kaj slišite! S kakršno mero merite, se odmeri vam in še pridene se vam.
24Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
25Kajti kdor ima, se mu bo dalo, a kdor nima, se mu odvzame tudi to, kar ima.
25Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
26In reče: Tako je s kraljestvom Božjim, kakor če človek vrže seme v zemljo,
26Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany
27in spi in vstaja po noči in po dnevi, in seme poganja in raste, da on ne ve kako.
27ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
28Zemlja sama od sebe rodi sad: najprej steblo, potem klas, potem polno pšenico v klasu.
28Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
29Ko pa sad dozori, precej pošlje srp, kajti prišla je žetev.
29Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano.
30In reče: S čim naj primerjamo kraljestvo Božje? ali v kakšni priliki naj ga upodobimo?
30Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
31Ono je kakor gorčično zrno, ki je, ko se vseje v zemljo, manjše od vseh semen na zemlji,
31Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;
32a ko je vsejano, raste in postane večje od vseh zelišč, in poganja velike veje, da morejo ptice nebeške gnezditi pod senco njegovo.
32Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
33In v mnogih takih prilikah jim je govoril besedo, v kolikor so jo mogli poslušati.
33Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
34Brez prilike pa jim ni govoril, a na samem je učencem svojim razlagal vse.
34Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.
35In jim reče tisti dan, ko se je zvečerilo: Prepeljimo se na oni kraj.
35Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
36In pusté množico ter ga vzemo s seboj, kakor je bil v ladji; tudi druge ladjice so bile ž njim.
36Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
37Kar nastane velik vihar, in valovi so se zaganjali v ladjo, da se je že napolnjevala.
37Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.
38In on je bil na krmi, speč na blazini; in ga zbude in mu reko: Učenik, ali ti nič ni mar, da pogibljemo?
38Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
39In prebudivši se, zapreti vetru in reče morju: Umolkni, pomiri se! In preneha veter, in nastane velika tihota.
39Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
40In jim reče: Kaj ste tako plašni? ali še nimate vere?In velik strah jih obide, in govore med seboj: Kdo vendar je ta, da sta mu celo veter in morje pokorna?
40Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
41In velik strah jih obide, in govore med seboj: Kdo vendar je ta, da sta mu celo veter in morje pokorna?
41Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?