1V tem času je šel Jezus v soboto skozi setve, učenci njegovi pa postanejo lačni in začno klasje trgati in jesti.
1Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
2Ko pa farizeji to vidijo, mu reko: Glej, učenci tvoji delajo, kar se v soboto ne sme delati.
2Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.
3On jim pa reče: Niste li brali, kaj je storil David, ko je bil lačen on in kateri so bili ž njim:
3Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
4kako je šel v hišo Božjo in so jedli predložene kruhe, katerih ni smel jesti ne on, ne tisti, ki so bili ž njim, razen samo duhovniki?
4Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5Ali niste brali v postavi, da duhovniki ob sobotah v templju skrunijo soboto, in so brez greha?
5Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
6Pravim vam pa, da je tu večji nego tempelj.
6Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
7Ko bi pa vedeli, kaj se pravi: „Usmiljenja hočem in ne daritve“, ne bi obsojali nedolžnih.
7Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
8Kajti Sin človekov je sobote gospodar.
8Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
9In odide odondod, in pride v njih shodnico.
9Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;
10In glej, bil je tu človek, ki je imel suho roko. In vprašajo ga, govoreč: Ali se sme v soboto zdraviti? da bi ga zatožili.
10ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.[Gr. efa maina, na malazo]
11On jim pa reče: Kateri človek je med vami, ki ima eno ovco, in če mu ta pade v soboto v jamo, da je ne zgrabi in ne izvleče?
11Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
12In koliko boljši je človek od ovce! Zatorej se sme v soboto dobro delati.
12Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.
13Tedaj veli človeku: Iztegni roko svojo! Pa jo iztegne, in bila je izlečena in zdrava kakor druga.
13Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
14Farizeji pa izidejo in se posvetujejo zoper njega, kako bi ga pogubili.
14Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
15Ko pa Jezus to zazna, se umakne odtod; in mnogo jih gre za njim, in ozdravi jih vse
15Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
16in jim zapreti, naj ga ne razglašajo;
16ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
17da se izpolni, kar je rečeno po proroku Izaiju, ki pravi:
17mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
18„Glej, hlapec moj, ki sem ga izvolil, ljubljenec moj, ki je duši moji po volji: Duha svojega položim nanj, in oznanjeval bo sodbo poganskim narodom.
18Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;
19Ne bo se prepiral, ne vpil, in nihče ne bo slišal glasu njegovega po ulicah.
19Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
20Nalomljenega trsta ne prelomi in tlečega stenja ne ugasi, dokler ne privede sodbe [Ali: pravice.] do zmage.
20Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
21In v ime njegovo bodo upali pogani“.
21Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).
22Tedaj mu pripeljejo obsedenca, ki je bil slep in mutast. In ozdravi ga, da je slepec in mutec videl in govoril.
22Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
23In vse množice so se zavzemale, govoreč: Ali ni ta sin Davidov?
23Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?
24Ko pa to slišijo farizeji, reko: Ta ne izganja zlih duhov, razen z Belzebulom, poglavarjem hudičev.
24Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia.
25On je pa vedel njih misli in jim reče: Vsako kraljestvo, ki se samo zoper sebe razdvoji, propade, in vsako mesto ali dom, ki se sam zoper sebe razdvoji, ne obstane.
25Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
26In če satan izganja satana, se je razdvojil sam zoper sebe: kako bo torej obstalo kraljestvo njegovo?
26Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?
27In če jaz z Belzebulom izganjam zle duhove, s čigavo pomočjo jih izganjajo sinovi vaši? zato vam bodo oni sodniki.
27Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
28Če pa jaz v moči Duha Božjega izganjam zle duhove, torej je že prišlo k vam kraljestvo Božje.
28Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.
29Ali kako more kdo močnemu priti v hišo in mu pohištvo pobrati, če močnega poprej ne zveže? In potem šele oropa hišo njegovo.
29Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
30Kdor ni z menoj, je proti meni, in kdor ne zbira z menoj, razsiplje.
30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
31Zato vam pravim: Vsak greh in vsaka kletvina se odpusti ljudem, kletvina zoper Duha pa ne bo odpuščena.
31Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.[Gr.blasfemia,izahao 9. 3]
32In če kdo reče besedo zoper Sina človekovega, mu bo odpuščeno, kdor pa reče zoper svetega Duha, ne bo mu odpuščeno ne v tem veku, ne v prihodnjem.
32Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
33Ali vsadite dobro drevo, in njegov sad bo dober, ali vsadite slabo drevo, in sad njegov bo slab: zakaj drevo se spozna po sadu.
33Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
34Gadja zalega, kako morete govoriti dobro, ko ste hudobni? kajti usta govore, česar je srce prepolno.
34Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.
35Dobri človek prinaša iz dobrega zaklada dobro, in hudobni človek prinaša iz hudega zaklada hudobno.
35Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
36Pravim vam pa, da bodo ljudje za vsako prazno besedo, katerokoli reko, dajali odgovor v dan sodbe.
36Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.
37Kajti po svojih besedah opravičen in po svojih besedah boš obsojen.
37Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
38Tedaj mu odgovore nekateri pismarjev in farizejev in reko: Učenik, znamenje hočemo od tebe videti.
38Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
39On pa odgovori in jim reče: Hudobni in prešeštni rod išče znamenja, a ne bo mu dano znamenje razen znamenja proroka Jona.
39Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
40Kakor je bil namreč Jona v trebuhu morskega velikana tri dni in tri noči, tako bode Sin človekov v krilu zemlje tri dni in tri noči.
40fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
41Možje Ninivljani bodo vstali ob sodbi s tem rodom in ga obsodijo, kajti oni so se izpokorili po propovedi Jonovi, in glej, tu je večji od Jona.
41Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
42Južna kraljica bo vstala ob sodbi s tem rodom in ga obsodi, kajti prišla je od kraja sveta, da sliši modrost Salomonovo, in glej, tu je večji od Salomona.
42Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
43Kadar pa zapusti nečisti duh človeka, hodi po suhih krajih in išče pokoja, in ga ne najde.
43Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
44Tedaj reče: Pojdem nazaj v dom svoj, odkoder sem izšel. In ko pride tja, ga najde praznega, očejenega in olepšanega.
44Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
45Tedaj odide in vzame s seboj sedem drugih duhov, hujših od sebe, ter vnidejo in tu prebivajo: in poslednje tega človeka postane hujše od prvega. Tako bode tudi temu hudobnemu rodu.
45Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
46Ko je pa še govoril množici, glej, mati njegova in bratje njegovi so stali zunaj in radi bi bili ž njim govorili.
46Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
47In nekdo mu reče: Glej, mati tvoja in bratje tvoji stojé zunaj in radi bi s teboj govorili.
47Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
48On pa odgovori in reče tistemu, ki mu je povedal: Kdo je mati moja? in kdo so bratje moji?
48Fa namaly Izy ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?
49In iztegnivši roko svojo na učence svoje, reče: Glej, mati moja in bratje moji!Kajti kdorkoli izpolni voljo Očeta mojega, ki je v nebesih, on mi je brat in sestra in mati.
49Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
50Kajti kdorkoli izpolni voljo Očeta mojega, ki je v nebesih, on mi je brat in sestra in mati.
50Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.