1Gorje meni! ker mi je, kakor ko so obrali sadje, kakor ko paberkujejo v vinogradu: ni ga grozda, da bi ga použil, ne zgodnje smokve, ki je želi duša moja.
1[Ny faharatsian'ny Isiraely, sy ny hanjo azy, ary ny hibebahany, sy ny hamindran'Andriamanitra fo aminy] Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko,
2Pobožni je izginil z zemlje in ni ga poštenjaka med ljudmi: vsi skupaj preže na kri, vsak lovi svojega brata z mrežo.
2Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra.
3Po zlu sta iztegnjeni obe roki, da se jim le posreči. Knez zahteva, in sodnik sodi za plačilo, in velikaš izreka pogubo, ki je želi, in tako spletajo vse vkup.
3Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
4Najboljši izmed njih je kakor trnov grm, najpoštenejši je kakor trnje v plotu. Dan tvojih stražarjev, tvoje obiskovanje je prišlo; sedaj nastane njih zmešnjava.
4Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao.[Heb. izy]
5Ne verujte prijatelju, ne zanašajte se na zaupnika; varuj vrata svojih ust pred njo, ki ti leži v naročju!
5Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.
6Kajti sin se norčuje iz očeta, hči se upira materi, snaha tašči; sovražniki človeku so domačini njegovi.
6Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.
7A jaz bom gledal na GOSPODA, čakal bom Boga rešenja svojega; usliši me Bog moj.
7Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
8Ne veséli se nad menoj, sovražnica moja! ako sem padel, zopet vstanem; ako sedim v temi, GOSPOD mi je luč.
8Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
9Srd GOSPODOV bom prenašal, kajti grešil sem zoper njega; dokler se ne potegne za pravdo mojo in ne izvrši sodbe zame. Privede me ven na luč, gledal bom pravičnost njegovo.
9Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
10In videla bo to sovražnica moja, in sramota jo pokrije, ki mi je rekala: Kje je GOSPOD, Bog tvoj? Oči moje jo bodo z veseljem gledale: sedaj jo pogaze kakor blato na ulicah.
10Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
11Dan pride, ko se zgrade zidovi tvoji. Tisti dan se daleč razširi tvoja meja;
11He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.32[Na: ho lavitra ny didy]
12tisti dan pridejo k tebi iz Asirije in iz mest egiptovskih in od Egipta do velereke in od morja do morja in od gore do gore.
12Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.[Heb. Mazora][Eofrata]
13In zemlja postane puščava zavoljo prebivalcev svojih, zavoljo sadu njih dejanj.
13Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
14„Pasi ljudstvo svoje s palico svojo, čredo svoje dediščine, ki osamela prebiva v gozdu, sredi Karmela; naj se pasejo v Basanu in Gileadu kakor v dneh starodavnih!“
14Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.
15Dam jim videti čudovita dela kakor v dneh, ko si šel iz dežele Egiptovske.
15Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
16Poganski narodi bodo to videli in sram jih bode vse moči svoje; polože roke na usta, njih ušesa ogluše;
16Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
17prah bodo lizali kakor kače, kakor laznina na zemlji; pritrepetavali bodo iz gradov svojih; s strahom se obrnejo do GOSPODA, Boga našega, in bali se bodo spričo tebe.
17Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
18Kdo je, Bog mogočni, enak tebi, ki odpuščaš krivico in izpregleduješ prestopek ostanku dediščine svoje? Ti ne držiš jeze vekomaj, ker se veseliš milosti.
18Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
19Ti se nas vnovič usmiliš, pogaziš krivice naše; ti vržeš v morja globočino vse grehe naše.Ti izkažeš resnico Jakobu in Abrahamu milost, kakor si jo prisegel očetom našim od dni starodavnih.
19Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.
20Ti izkažeš resnico Jakobu in Abrahamu milost, kakor si jo prisegel očetom našim od dni starodavnih.
20Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.