Slovenian

Malagasy

Numbers

13

1In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
1[Ny amin'ny mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
2Odpošlji može, da naj ogledajo deželo Kanaansko, ki jo dam sinovom Izraelovim; iz vsakega rodu njih očetov pošljite po enega moža, in sleherni bodi prvak med njimi.
2Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.
3Nato jih je poslal Mojzes iz puščave Paranske po ukazu GOSPODOVEM, samo take može, ki so bili glave Izraelovim sinovom.
3Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
4In ta so njih imena: za rod Rubenov Šamua, sin Zakurjev;
4Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;
5za rod Simeonov Šafat, sin Horijev;
5avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;
6za rod Judov Kaleb, sin Jefunov;
6avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
7za rod Isaharjev Igal, sin Jožefov;
7avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;
8za rod Efraimov Hozea, sin Nunov;
8avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;
9za rod Benjaminov Palti, sin Rafujev;
9avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;
10za rod Zebulonov Gadiel, sin Sodijev;
10avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;
11za rod Jožefov od rodu Manasejevega Gadi, sin Susijev;
11avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;
12za rod Danov Amiel, sin Gemalijev;
12avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;
13za rod Aserjev Setur, sin Mihaelov;
13avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;
14za rod Neftalijev Nahbi, sin Vofsijev;
14avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;
15za rod Gadov Guel, sin Makijev.
15avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.
16To so imena mož, ki jih je Mojzes poslal ogledovat deželo; Hozea pa, sina Nunovega, je imenoval Mojzes Jozueta.
16Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.
17In ko jih je Mojzes pošiljal ogledovat deželo Kanaansko, jim reče: Pojdite tod skozi Južno stran in stopite na gore,
17Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;
18in oglejte si deželo, kakova je, ter ljudstvo, ki prebiva v njej, je li krepko ali slabotno, ga je li malo ali mnogo,
18dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
19in kakšna je dežela, ki prebivajo v njej, je li dobra ali slaba, in kakšna so mesta, ki bivajo v njih, ali v šatorih ali v trdnjavah;
19ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
20in kakšna zemlja, je li mastna ali puhličasta, ima li drevja ali ne. Hrabri bodite in prinesite sadu tiste dežele. Bil je pa čas zgodnjega grozdja.
20ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.
21Šli so torej gori in ogledali deželo od puščave Zinske tja do Rehoba, kjer se gre v Hamat.
21Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.
22Nato so šli skozi Južno stran in prispeli v Hebron, in tu so bili Ahiman, Sesaj in Talmaj, otroci Enakovi. Hebron pa je bil sezidan sedem let poprej nego Zoan v Egiptu.
22Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)
23In prišli so do potoka Eškola in tu odrezali mladiko z enim grozdom, in nesli so ga na drogu po dva moža; nesli so tudi margaranovih jabolk in smokev.
23Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
24Ta kraj se je imenoval potok Eškol [T. j. Grozdovec.] zaradi grozda, ki so ga ondi odrezali sinovi Izraelovi.
24Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.
25In ko so ogledali deželo, se vrnejo po štiridesetih dnevih,
25Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
26in gredo ter pridejo k Mojzesu in Aronu in k vsej občini Izraelovi v puščavo Paransko, v Kades; in prineso njima in vsej občini poročilo ter jim pokažejo sad dežele.
26Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
27In pripovedujejo mu, govoreč: Prišli smo v deželo, kamor si nas poslal, in zares teče v njej mleko in med, in to je njen sad.
27Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
28Toda močno ljudstvo je, ki prebiva v njej, in mesta so trdna in prevelika, in vrhutega smo tam videli otroke Enakove.
28Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
29Amalek prebiva v pokrajini na jugu, Hetejci pa in Jebusejci in Amorejci prebivajo v gorah, a Kanaanci prebivajo ob morju in poleg Jordana.
29Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.
30A Kaleb je tolažil ljudstvo pred Mojzesom in rekel: Dajte, da gremo gori in jo posedemo, zakaj prav lahko jo obvladamo.
30Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
31Ali možje, ki so bili šli gori ž njim, reko: Nikakor ne moremo iti gori proti tistemu ljudstvu, kajti močnejši so od nas.
31Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
32In spravili so v slab glas deželo, ki so jo ogledali, med sinovi Izraelovimi, govoreč: Dežela, skozi katero smo šli, da si jo ogledamo, je dežela, ki požira prebivalce svoje, in kar smo videli ljudstva v njej, vsi so možje visoke postave.Videli smo tam tudi velikane, sinove Enakove, ki so iz velikanov, in zdelo se nam je, da smo kakor kobilice, in taki smo tudi bili v njih hočeh.
32Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
33Videli smo tam tudi velikane, sinove Enakove, ki so iz velikanov, in zdelo se nam je, da smo kakor kobilice, in taki smo tudi bili v njih hočeh.
33ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.