1In GOSPOD je govoril Mojzesu in Aronu, rekoč:
1[Ny lalàna ny amin'ny vantotr'ombivavy mena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2To je naredba zakona, ki ga je zapovedal GOSPOD, govoreč: Govóri sinovom Izraelovim, naj ti pripeljejo rdečo junico, popolnoma zdravo, na kateri ni hibe in ki še ni nosila jarma;
2Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian'i Jehovah: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondrany vantotr'ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga.
3in izročite jo Eleazarju duhovniku, in on jo pelji ven za šatorišče, kjer naj jo zakoljejo pred njim.
3Ary omeo ho an'i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan'ny toby ka hovonoina eo anatrehany.
4Nato naj vzame Eleazar duhovnik njene krvi s prstom svojim in škropi ž njeno krvjo ravno proti shodnemu šatoru sedemkrat.
4Dia hanalan'i Eleazara mpisorona amin'ny fanondrony ny ràny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana.
5In ukaže sežgati junico sebi pred očmi; njeno kožo, njeno meso in njeno kri ž njenim blatom vred naj sežgó.
5Dia hodorana eo imasony ilay vantotr'ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin'ny tain-drorohany dia hodorana avokoa.
6In duhovnik vzemi cedrovega lesa in izopa in karmezinove volne in vrzi to v plamen, ki požira junico.
6Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan'ny afo andoroana ny vantotr'ombivavy.
7In duhovnik naj si opere oblačila in si izkoplje v vodi telo in potem pride v tabor; in bode nečist do večera.
7Dia hosasan'ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin'ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin'ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan'ny andro ny mpisorona.
8In tisti, ki jo je sežgal, naj si opere oblačila ter izkoplje telo v vodi, in bodi nečist do večera.
8Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
9In čist mož, naj pobere pepel junice in ga izsuje zunaj šatorišča na čist kraj, in naj se shrani občini sinov Izraelovih za vodo očiščevanja; daritev za greh je.
9Dia hangonin'izay lehilahy madio anankiray ny lavenon'ilay vantotr'ombivavy ka hapetrany eo ivelan'ny toby eo amin'izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.
10Tisti pa, ki je pobral junice pepel, naj si opere oblačila, in bode nečist do večera. To bodi sinovom Izraelovim in tujcu, ki biva med njimi, večna postava.
10Ary ilay nanangona ny lavenon'ny vantotr'ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.
11Kdor se dotakne mrliča, trupla kateregakoli človeka, bodi nečist sedem dni.
11Izay mikasika fatin'olona dia haloto hafitoana.
12Ta naj se s tisto vodo očisti greha tretji in sedmi dan, in bode čist; ako se ne očisti tretji in sedmi dan, ne bode čist.
12Hanadio ny tenany amin'izany rano izany izy amin'ny andro fahatelo, ary amin'ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin'ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin'ny andro fahafito.
13Kdorkoli se dotakne trupla mrtvega človeka, pa se ne mara očistiti greha, onečisti s tem prebivališče GOSPODOVO; taka duša bodi iztrebljena iz Izraela, ker ni bil poškropljen z vodo očiščevanja: nečist bode, nečistota njegova ostane na njem.
13Izay rehetra mikasika fatin'olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin'i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.
14To je postava, kadar umrje človek v šatoru: kdorkoli pride v šator in kdorkoli je v šatoru, bodi nečist sedem dni.
14Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin'ny lay dia haloto hafitoana.
15In vsaka odprta posoda, ki nima privezanega pokrova, je nečista.
15Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.
16Tudi kdor se na polju dotakne z mečem ubitega ali mrtveca ali kosti človeške ali groba, bode nečist sedem dni.
16Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na fasana, dia haloto hafitoana.
17In za nečistega naj se vzame pepela tiste sežgane junice za greh in se nanj v posodo vlije tekoča voda;
17Dia hangalana ho an'ny maloto ny lavenon'ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin'ny rano mandeha izany eo am-bilia.
18In čist mož vzemi izopa in ga omoči v vodi ter poškropi ž njo šator in vse posode in vse osebe, ki so bile v njem, tudi njega, ki se je dotaknil kosti ali ubitega ali mrtveca ali groba.
18Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.
19Čisti mož naj poškropi nečistega tretji in sedmi dan in ga očisti greha dan sedmi, in opere naj si oblačila in se izkoplje v vodi, in bode čist zvečer.
19Ary ny maloto dia hofafazan'ilay olona madio amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin'ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano, dia hadio rehefa hariva.
20Kdor pa je nečist in se ne mara očistiti greha, tega duša bodi iztrebljena izmed zbora, zakaj onečistil je svetišče GOSPODOVO in z vodo očiščevanja ni bil poškropljen, nečist je.
20Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
21In to jim bodi večna postava; kdor pa je škropil z vodo očiščevanja, naj si opere oblačila, in kdor se dotakne vode očiščevanja, bodi nečist do večera.In vse, česar se dotakne nečisti, bode nečisto, in kdorkoli se njega dotakne, bode nečist do večera.
21Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan'ny andro.Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro.
22In vse, česar se dotakne nečisti, bode nečisto, in kdorkoli se njega dotakne, bode nečist do večera.
22Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro.