Slovenian

Malagasy

Numbers

28

1In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
1[Fandaharana ny fanatitra atao isan'andro sy amin'izay fotoana hafa voatendrin'Andriamanitra] Ary Jehovah niteny tamin'i ka nanao hoe:
2Zapovej Izraelovim sinovom in jim reci: Na daritve moje, kruh moj k ognjenim žrtvam mojim, ki so mi v prijeten duh, pazite, da mi jih darujete v času določenem zanje.
2Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany avy.
3In véli jim: To je ognjena daritev, ki jo darujte GOSPODU: dve enoletni jagnjeti brez hibe, dan na dan, v neprestano žgalno daritev.
3Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah: zanak'ondry roa isan'andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
4Eno jagnje daruj zjutraj, drugo pa proti večeru;
4(ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),
5in s tem desetinko efe bele moke v jedilno daritev, omešene s četrtino hina iztolčenega olja.
5ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina.
6To je neprestana žgalna daritev, ki je bila ustanovljena na gori Sinajski v prijeten duh, ognjena daritev GOSPODU.
6Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
7Pitna daritev pa, ki pristoji, bodi četrt hina za eno jagnje; v svetišču izlij pitno darilo močnega vina GOSPODU.
7Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina.
8Drugo jagnje pa daruj proti večeru; kakor jutranjo jedilno in ž njo pitno daritev, tako napravi zvečer ognjeno daritev v prijeten duh GOSPODU.
8Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
9V sobotni dan pa daruj dve enoletni jagnjeti brez hibe in dve desetinki bele moke v jedilno daritev, z oljem omešene, in pitno daritev, ki pristoji.
9Ary amin'ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
10To je žgalna daritev vsake sobote, razen neprestane žgalščine in pitne daritve, ki pristoji.
10Fanatitra dorana amin'ny isan-tSabata izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy.
11A v začetku svojih mesecev darujte GOSPODU žgalno daritev: dva mlada voliča, enega ovna, enoletnih, brezhibnih jagnjet sedmero,
11Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
12in po tri desetinke bele moke v jedilno daritev, z oljem omešene, k vsakemu voliču; in dve desetinki bele moke v jedilno daritev, z oljem omešene, k enemu ovnu,
12ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray,
13in po eno desetinko bele moke v jedilno daritev, z oljem omešene, k vsakemu jagnjetu: to je žgalna daritev v prijeten duh, ognjena daritev GOSPODU.
13ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
14In pitna daritev k temu bodi polovica hina vina k voliču, tretjina hina k ovnu in četrtina hina k jagnjetu. To je žgalna daritev o mlaju, v vsakem mesecu v letu.
14Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.
15In kozel v daritev za greh GOSPODU naj se daruje razen neprestane žgalščine in pitne daritve k njej.
15Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
16In v prvem mesecu, štirinajsti dan meseca, je pasha GOSPODU;
16Ary ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany dia Paskan'i Jehovah.
17petnajsti dan tega meseca pa je praznik; sedem dni naj se uživa nekvašen kruh.
17Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
18Prvi dan bodi sveto zborovanje; nobenega službenega dela ne opravljajte.
18Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory;
19In darujte kot ognjeno daritev žgalščino GOSPODU: dva mlada voliča, enega ovna, sedem enoletnih jagnjet, brez hibe naj vam bodo.
19fa izao no atero ho fanatitra atao amin'ny afo, dia fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo).
20S tem pa v jedilno daritev: tri desetinke bele moke, z oljem omešene, darujte k voliču in dve desetinki k ovnu
20ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray,
21in po eno desetinko k vsakemu izmed teh sedmerih jagnjet.
21ary ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito),
22Tudi enega kozla v daritev za greh, da se stori poravnava za vas.
22ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
23Te darujte razen žgalščine za jutra, ki je v neprestano žgalno daritev.
23Atero ireo ho fanampin'ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva.
24Na ta način darujte dan na dan, sedem dni, kruh ognjene daritve v prijeten duh GOSPODU; razen neprestane žgalne daritve in njene pitne daritve naj se to daruje.
24Araka izany no hanateranareo isan'andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
25Sedmi dan pa imejte sveto zborovanje; nobenega službenega dela ne opravljajte.
25Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
26Tudi v dan prvin, ko prinesete GOSPODU novo jedilno daritev, ob svojem prazniku tednov imejte sveto zborovanje in nobenega službenega dela ne opravljajte.
26Ary amin'ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
27In darujte žgalščino v prijeten duh GOSPODU: dva mlada voliča, enega ovna, sedem enoletnih jagnjet,
27ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak'ondry fito, izay iray taona avy,
28in jedilno daritev k temu: belo moko, omešeno z oljem, tri desetinke k vsakemu voliču in dve desetinki k enemu ovnu,
28ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan'ondrilahy iray,
29po eno desetinko pa k vsakemu izmed sedmerih jagnjet
29ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry iray, dia amin'ny zanak'ondry fito)
30in enega kozla, da se stori poravnava za vas.Razen neprestane žgalščine in njene jedilne daritve jih darujte (naj vam pa bodo brez hibe!) in njih pitne daritve.
30ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.
31Razen neprestane žgalščine in njene jedilne daritve jih darujte (naj vam pa bodo brez hibe!) in njih pitne daritve.
31Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo.