1In zgodi se v dan, ko je Mojzes končal urejevanje prebivališča, ko ga je pomazilil in posvetil z vsemi pripravami njegovimi, tudi oltar z vsemi njegovimi pripravami, ko jih je bil pomazilil in posvetil,
1[Ny zavatra naterin'ny lohan'ny firenen'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara] Ary tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
2da so darovali knezi Izraelovi, poglavarji hiš očetov svojih; ti so bili knezi rodov, postavljeni nad seštetimi.
2dia nitondra fanatitra ny lohan'ny firenen'ny Isiraely, dia ny lohan'ny fianakaviana (ireo no lohan'ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
3In pripeljali so darila svoja pred GOSPODA: šest pokritih voz in dvanajst volov; dva kneza sta dala en voz in enega vola sleherni izmed njih, in pripeljali so jih pred prebivališče.
3Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.
4Tedaj ogovori GOSPOD Mojzesa, rekoč:
4Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
5Vzemi to od njih, da bodi v službo shodnega šatora, in daj levitom, vsakemu primerno službi njegovi.
5Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.
6Vzame torej Mojzes vozove in vole ter jih da levitom.
6Dia noraisin'i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
7Dva voza in štiri vole izroči sinovom Gersonovim, primerno njih službi;
7Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an'ny taranak'i Gersona, araka ny fanompoany;
8štiri voze in osem volov pa izroči sinovom Merarijevim, primerno njih službi, pod nadzorstvom Itamarja, sina Arona duhovnika.
8ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany, eo amin'ny fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona.
9Ali sinovom Kahatovim ne da od tega, zakaj služba svetišča jim je bila naložena: na ramah so ga nosili.
9Fa ny taranak'i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
10In prinesli so knezi dar oltarjevega posvečenja v dan, ko je bil maziljen, in darovali so darilo svoje pred oltarjem.
10Dia ny lohan'ny firenena no nanatitra ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan'ny alitara izy.
11Tedaj reče GOSPOD Mojzesu: Naj prinese darilo svoje vsak knez v svoj dan za posvečenje oltarja.
11Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aoka ny lohan'ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin'ny an'androny avy ho amin'ny fitokanana ny alitara.
12Prvi dan je prinesel darilo svoje Nahson, sin Aminadabov, iz Judovega rodu.
12Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin'ny andro voalohany dia Nasona, zanak'i Aminadaba, avy tamin'ny firenen'i Joda.
13In darilo njegovo je bilo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, zamešene z oljem, v jedilno daritev,
13Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
14torilce iz desetih seklov zlata, polno kadila,
14lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
15mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalno daritev,
15ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
16kozel v daritev za greh,
16ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
17in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Nahsona sina Aminadabovega.
17ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Nasona, zanak'i Aminadaba.
18Drugi dan je daroval Netanel, sin Zuarjev, knez Isaharjev.
18Ary tamin'ny andro faharoa dia Netanela, zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no nanatitra.
19In prinesel je v darilo svoje srebrno skledo, stointrideset seklov težko, srebrno kupo iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, zamešene z oljem, v jedilno daritev,
19Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
20torilce iz desetih seklov zlata, polno kadila,
20lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
21mladega voliča, ovna, enoletno jagnje v žgalno daritev,
21ary vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
22kozla v daritev za greh,
22ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
23in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Netanela, sina Zuarjevega.
23ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Netanela, zanak'i Zoara.
24Tretji dan Eliab, sin Helonov, knez sinov Zebulonovih.
24Ary tamin'ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak'i Helona, lohan'ny taranak'i Zebolona, no nanatitra.
25Darilo njegovo je bilo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, z oljem omešene, v jedilno daritev,
25Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
26torilce iz desetih seklov zlata, polno kadila,
26lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
27mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalno daritev,
27vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
28kozel v daritev za greh,
28ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
29in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Eliaba, sina Helonovega.
29ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliaba, zanak'i Helona.
30Četrti dan knez sinov Rubenovih, Elizur, sin Šedeurjev.
30Ary tamin'ny andro fahefatra dia Elizora, zanak'i Sedeora, lohan'ny taranak'i Robena, no nanatitra.
31Darilo njegovo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, z oljem omešene, v jedilno daritev,
31Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
32torilce iz desetih seklov zlata, polno kadila,
32lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
33mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalno žrtev,
33vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
34kozel v daritev za greh,
34ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
35in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Elizurja, sina Šedeurjevega.
35ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray ireo no fanatitr'i Elizora, zanak'i Sedeora.
36Peti dan knez sinov Simeonovih, Šelumiel, sin Zurišadajev.
36Ary tamin'ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak'i Zorisaday, lohan'ny taranak'i Simeona, no nanatitra.
37Darilo njegovo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, z oljem zamešene, v jedilno daritev,
37Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
38torilce iz desetih seklov zlata, polno kadila,
38lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
39mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalno daritev,
39vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
40kozel v daritev za greh,
40ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
41in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Šelumielovo, sina Zurišadajevega.
41ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Selomiela, zanak'i Zorisaday,
42Šesti dan knez sinov Gadovih, Eliasaf, sin Deguelov.
42Ary tamin'ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak'i Doela, lohan'ny taranak'i Gada, no nanatitra.
43Njegovo darilo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, z oljem omešene, v jedilno daritev,
43Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
44torilce iz desetih seklov zlata, polno kadila,
44lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
45mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalščino,
45vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
46kozel v daritev za greh,
46ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
47in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Eliasafa, sina Deguelovega.
47ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Eliasafa, zanak'i Doela.
48Sedmi dan knez sinov Efraimovih, Elišama, sin Amihudov.
48Ary tamin'ny andro fahafito dia Elisama, zanak'i Amihoda, lohan'ny taranak'i Efraima, no nanatitra.
49Darilo njegovo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, z oljem zamešene, v jedilno daritev,
49Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
50torilce iz desetih seklov zlata, polno kadila,
50lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
51mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalno daritev,
51vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
52kozel v daritev za greh,
52ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
53in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Elišama, sina Amihudovega.
53ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Elisama, zanak'i Amihoda.
54Osmi dan knez sinov Manasejevih, Gamaliel, sin Pedazurjev.
54Ary tamin'ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak'i Pedazora, lohan'ny taranak'i Manase, no nanatitra.
55Darilo njegovo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, z oljem omešene, v jedilno daritev,
55Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
56torilce iz zlata, deset seklov težko, polno kadila,
56lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
57mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalščino,
57vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
58kozel v daritev za greh,
58ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
59in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Gamaliela, sina Pedazurjevega.
59ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Gamaliela, zanak'i Pedazora.
60Deveti dan knez sinov Benjaminovih, Abidan, sin Gideonijev.
60Ary tamin'ny andro fahasivy dia Abidana, zanak'i Gideony, lohan'ny taranak'i Benjamina, no nanatitra.
61Darilo njegovo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, umešene z oljem, v jedilno daritev,
61Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
62torilce zlato, deset seklov težko, polno kadila,
62lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
63mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalščino,
63vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
64kozel v daritev za greh,
64ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
65in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Abidana, sina Gideonijevega.
65ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Abidana, zanak'i Gideony.
66Deseti dan knez sinov Danovih, Ahiezer, sin Amišadajev.
66Ary tamin'ny andro fahafolo Ahiezera, zanak'i Amisaday, lohan'ny taranak'i Dana, no nanatitra.
67Darilo njegovo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, omešene z oljem, v jedilno daritev,
67Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
68torilce zlato, deset seklov težko, polno kadila,
68lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
69mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalščino,
69vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
70kozel v daritev za greh,
70ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
71in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Ahiezerja, sina Amišadajevega.
71ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahiezera, zanak'i Amisaday.
72Enajsti dan knez sinov Aserjevih, Pagiel, sin Okranov.
72Ary tamin'ny andro fahiraika ambin'ny folo dia Pagiela, zanak'i Okrana, lohan'ny taranak'i Asera. no nanatitra.
73Darilo njegovo: skleda srebrna, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, omešene z oljem, v jedilno daritev,
73Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
74zlato torilce, deset seklov težko, polno kadila,
74lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
75mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalščino,
75vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
76kozel v daritev za greh,
76osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
77in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Pagiela, sina Okranovega.
77ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Pagiela, zanak'i Okrana.
78Dvanajsti dan knez sinov Neftalijevih, Ahira, sin Enanov.
78Ary tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo dia Ahira, zanak'i Enana, lohan'ny taranak'i Naftaly, no nanatitra.
79Darilo njegovo: srebrna skleda, stointrideset seklov težka, srebrna kupa iz sedemdesetih seklov, po seklu svetišča, obe polni bele moke, umešene z oljem, v jedilno daritev,
79Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
80zlato torilce, deset seklov težko, polno kadila,
80lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
81mlad volič, oven, enoletno jagnje v žgalščino,
81vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak'ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
82kozel v daritev za greh,
82ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
83in v mirovno daritev dva vola, pet ovnov, pet kozlov, pet enoletnih jagnjet. To je bilo darilo Ahira, sina Enanovega.
83ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr'i Ahira, zanak'i Enana.
84To je bil dar ob posvečenju oltarja v dan, ko je bil maziljen, od knezov Izraelovih: dvanajst srebrnih skled, dvanajst srebrnih kup, dvanajst zlatih torilc;
84Ireo no zavatra naterin'ny lohan'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy roa ambin'ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin'ny folo;
85vsaka skleda iz stointridesetih seklov srebra, vsaka kupa iz sedemdesetih seklov: vse srebro teh posod dva tisoč štiristo seklov, po seklu svetišča.
85sekely telo-polo amby zato avy no lanjan'ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan'ny volafotsy rehetra tamin'ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masina;
86Tistih dvanajst zlatih torilc, polnih kadila, je vsako imelo deset seklov, po seklu svetišča: vsega zlata teh torilc je bilo stoindvajset seklov.
86lovia kely volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masina; ny lanjan'ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
87Vse govedi v žgalno daritev je bilo dvanajst volov, dvanajst ovnov, enoletnih jagnjet dvanajst in k njim pristojna jedilna daritev; in dvanajst kozlov v daritev za greh.
87Ny isan'ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa ambin'ny folo, zanak'ondry roa ambin'ny folo, izay samy iray taona,'mbamin'ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota.
88V mirovno daritev je bilo govedi štiriindvajset volov, šestdeset ovnov, kozlov šestdeset in enoletnih jagnjet šestdeset. To je bilo posvečenje oltarja, potem ko je bil maziljen.In kadar je Mojzes šel v shodni šator, da bi govoril ž Njim, tedaj je slišal Glas, govoreč k njemu iznad pokrova skrinje pričevanja, iz sredi dveh kerubov; in On je govoril k njemu.
88Ary ny isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.
89In kadar je Mojzes šel v shodni šator, da bi govoril ž Njim, tedaj je slišal Glas, govoreč k njemu iznad pokrova skrinje pričevanja, iz sredi dveh kerubov; in On je govoril k njemu.
89Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.