1Pavel, jetnik Kristusa Jezusa, in Timotej brat Filemonu, ljubljencu in sodelavcu našemu
1[Fiarahabana an'i Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
2in Afiji sestri in Arhipu, sovojaku našemu, in cerkvi, ki se zbira v hiši tvoji:
2ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
3Milost vam in mir od Boga Očeta našega in Gospoda Jezusa Kristusa!
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4Zahvaljujem Boga svojega vsekdar, spominjajoč se tebe v molitvah svojih,
4Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,
5ker slišim o ljubezni tvoji in veri, ki jo imaš v Gospoda Jezusa in do vseh svetih,
5satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [ Na: ny finoanao]
6da se deleštvo vere tvoje izkaže delavno v pripoznanju vsega dobrega, kar je v nas za Kristusa.
6mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
7Kajti v veliko radost in tolažbo mi je bila ljubezen tvoja, ker so se srca svetih poživila po tebi, brat.
7Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.
8Zato, čeprav si dosti v Kristusu upam ukazati ti, kar je spodobno,
8Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,
9vendar te zaradi ljubezni rajši prosim, tak, kakršen sem, Pavel stari, sedaj pa tudi jetnik Jezusa Kristusa –
9nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [ Na: ambasadôra]
10prosim te za dete svoje, ki sem ga rodil v sponah svojih, Onezima,
10Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy, [ Onesimosy = Mahasoa]
11ki ti je bil nekdaj nekoristen, sedaj pa je tebi in meni koristen;
11ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
12ki ti ga nazaj pošiljam, njega, to je: srce moje.
12izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;
13Jaz bi ga bil rad obdržal pri sebi, da bi mi zate služil v sponah evangelija;
13saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;
14toda brez tvojega privoljenja nisem hotel ničesar storiti, da dobrota tvoja ne bode kakor po sili, ampak prostovoljna.
14nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.
15Kajti lahko da je bil zato nekaj časa ločen od tebe, da bi ga imel vekomaj,
15Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
16ne več za hlapca, ampak nad hlapca, za brata ljubljenega, sosebno meni, koliko bolj pa tebi, i po mesu i v Gospodu.
16tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.
17Če imaš torej mene za tovariša, sprejmi ga kakor mene.
17Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
18Če ti je pa storil kaj žalega ali ti je dolžan, tisto vštej meni:
18Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19jaz Pavel pišem s svojo roko, jaz to poplačam – da ti ne rečem, da si mi tudi še samega sebe dolžan.
19izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
20Da, brat, da bi jaz imel korist od tebe v Gospodu! Poživi srce moje v Kristusu!
20Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.
21Zaupajoč v pokorščino tvojo, ti pišem, vedoč, da boš še več storil, nego pravim.
21Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
22Zraven tega pa mi pripravi tudi stanovanje; kajti upam, da vam bom podarjen po molitvah vaših.
22Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
23Pozdravlja te Epafra, sojetnik moj v Kristusu Jezusu,
23Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,
24in Marko, Aristarh, Dema, Lukež, sodelavci moji.Milost Gospoda našega Jezusa Kristusa z duhom vašim! Amen.
24sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
25Milost Gospoda našega Jezusa Kristusa z duhom vašim! Amen.
25Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.