Slovenian

Malagasy

Psalms

102

1{Molitev trpina, ko omaguje in pred GOSPODOM izliva žalovanje svoje.} GOSPOD, čuj molitev mojo, in vpitje moje pridi do tebe!
1[Fitarainan'ny mpanompon'Andriamanitra noho ny fahoriana nahazo azy sy ny naharavan'i Jerosalema] Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
2Ne skrivaj mi obličja svojega v dan stiske moje, nagni mi uho svoje; ob dnevi, ko kličem, me hitro usliši!
2Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
3Kajti ginejo kakor dim dnevi moji in kosti moje goré.
3Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
4Opaljeno je kakor trava in velo srce moje, kajti pozabil sem jesti kruh svoj.
4Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
5Od glasu zdihovanja mojega se držé kosti moje mojega mesa.
5Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.
6Podoben sem pelikanu v puščavi, sem kakor sova v podrtinah.
6Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
7Bedim in sem kakor samoten vrabec na strehi.
7Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
8Ves dan me sramoté sovražniki moji; kateri divjajo zoper mene, se rotijo pri meni.
8Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
9Kajti pepel jem kakor kruh in pijačo svojo mešam s solzami,
9Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
10zaradi srda tvojega in togote tvoje, ker vzdignil si me in me vrgel na tla.
10Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
11Dnevi moji so kakor senca pred mrakom in sam usiham kakor zél.
11Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
12Ti pa, GOSPOD, ostajaš vekomaj in spomin tvoj od roda do roda.
12Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
13Ti boš vstal in se usmilil Siona, ker čas je storiti mu milost, ker čas določen je prišel.
13Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
14Kajti hlapcem tvojim je drago njega kamenje in smili se jim njega prah.
14Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
15In bali se bodo pogani imena GOSPODOVEGA in vsi kralji zemlje slave tvoje.
15Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;
16Ko sezida GOSPOD Sion in se prikaže v slavi svoji,
16Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
17se ozre na molitev zapuščenca, in ne bo zametal njih molitve.
17Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
18Zapiše se to naslednjemu rodu, in ljudstvo, ki bode ustvarjeno, bo hvalilo GOSPODA:
18Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;
19ker je pogledal z višave svetosti svoje, ozrl se GOSPOD iz nebes na zemljo,
19Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
20da usliši jetnikov zdihovanje, da oprosti nje, ki so izročeni smrti,
20Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty, [Heb. zanaky ny fahafatesana]
21da oznanjajo na Sionu ime GOSPODOVO in hvalo njegovo v Jeruzalemu,
21Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
22ko se zbero ljudstva vsa in kraljestva, da služijo GOSPODU.
22Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.
23Potlačil je na tem potu moč mojo, dni moje skrajšal.
23Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
24Dejal sem: Bog moj mogočni, ne vzemi me sredi mojih dni! Skozi vse rodove so dnevi tvoji.
24Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
25Saj ti si nekdaj ustanovil zemljo in delo tvojih rok so nebesa.
25Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.
26Ona preidejo, ti pa ostaneš; da, vse tisto se postara kakor oblačilo, kakor obleko jih izpremeniš, in se izpremené.
26Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
27Ti pa si večno isti in let tvojih ni konca!Sinovi hlapcev tvojih bodo prebivali v deželi in njih seme se utrdi pred teboj.
27Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]
28Sinovi hlapcev tvojih bodo prebivali v deželi in njih seme se utrdi pred teboj.
28Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.[Na: dia mbola haharitra]