Slovenian

Malagasy

Psalms

11

1{Načelniku godbe. Psalm Davidov.} GOSPOD mi je zavetje – kako da govorite duši moji: Léti na vašo goro, ptica!
1[Ny avalin'ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely? [Na: ry voronkely]
2Kajti glej, krivičniki natezajo lok, pšico svojo pokladajo na tetivo, da streljajo v temi na njé, ki so pravega srca.
2Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
3Ko se celo stebri podirajo, kaj naj počne pravični?
3Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry]
4GOSPOD je v templju svetosti svoje, GOSPOD, čigar prestol je v nebesih; njegove oči vidijo, njegove trepalnice preiskujejo sinove človeške.
4Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
5GOSPOD preiskuje pravičnika, brezbožnika pa in siloljubnega sovraži duša njegova.
5Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.
6Dežil bo na brezbožne zanke, ogenj in žveplo in pekoč veter bode njih čaše delež.Kajti pravičen je GOSPOD in ljubi pravičnost; kdor je pošten, bo gledal obličje njegovo.
6Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]
7Kajti pravičen je GOSPOD in ljubi pravičnost; kdor je pošten, bo gledal obličje njegovo.
7Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]