1{Zlata pesem Davidova.} Varuj me, Bog mogočni, ker v tebi iščem zavetja.
1[Ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana] Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
2GOSPODU govorim: Ti si mi Gospod, ni sreče zame zunaj tebe;
2Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
3in svetnikom, ki so na zemlji: To so slavni, v katerih je vse veselje moje.
3Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra]
4Mnoge bodo bolečine tistih, ki hité za drugim bogom; daroval ne bom njih krvavih daritev, ne jemal njih imen na ustne svoje.
4Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.
5GOSPOD je delež posesti moje in mojega keliha; ti vzdržuješ odmerjeno mi dediščino.
5Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
6Merilne vrvi so mi padle v prekrasnih krajih, res, dobil sem prelepo dediščino.
6Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
7Slavil bom GOSPODA, ki mi je dobro svetoval: tudi po noči me poučujejo obisti moje.
7Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. [Na: mamporisika][Heb: voako]
8Predočujem si GOSPODA neprestano; ker je na desnici moji, ne omahnem.
8Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
9Tega se veseli srce moje in raduje se slava moja, tudi meso moje bo počivalo brez skrbi.
9Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro]
10Ker ne zapustiš duše moje v državi smrti [Hebr. šeol.], ne daš, da vidi ljubljenec tvoj trohnobo.Daš mi spoznati življenja stezo: najslajših radosti obilica je pred obličjem tvojim, polno milin v desnici tvoji vekomaj.
10Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny lavaka Hianao.[Heb: Sheola][Heb: hahita][Na: ho tratry ny lò]Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
11Daš mi spoznati življenja stezo: najslajših radosti obilica je pred obličjem tvojim, polno milin v desnici tvoji vekomaj.
11Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.