1{Načelniku godbe. Psalm Davidov.} Blagor mu, kdor se sočutno ozira na siromaka: ob dnevu nesreče ga otme GOSPOD.
1[Fitarainan'ilay ampahorin'ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana.
2GOSPOD ga bo zaslanjal in ga ohranil življenju, da ga bodo blagrovali na zemlji; in ne izdajaj ga želji sovražnikov njegovih.
2Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony.
3GOSPOD ga bo podpiral na postelji slabosti; vse ležišče mu v bolezni njegovi premeniš.
3Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
4Jaz sem rekel: GOSPOD, usmili se me, ozdravi dušo mojo, ker tebi sem grešil.
4Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
5Sovražniki moji pa govore hudo o meni: Kdaj bo umrl in izgine ime njegovo?
5Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
6In če me kdo pride obiskat, govori laž; srce njegovo si zbira krivico, in gre ven in jo raznaša.
6Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
7Skupaj šepetajo zoper mene vsi sovražilci moji, zoper mene izmišljajo, kar bi mi bilo v zlo, govoreč:
7Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
8Stvar silno huda se ga je prijela, in ker je obležal, ne vstane več.
8Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
9Celo prijatelj moj, ki sem mu zaupal, ki je jedel moj kruh, je vzdignil peto proti meni.
9Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
10Ti pa, GOSPOD, usmili se me in me vzdigni, da jim povrnem.
10Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
11V tem spoznam, da se me veseliš, ko ne bo sovražnik moj ukal nad menoj.
11Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy.
12Mene pa vzdržuješ v brezmadežnosti moji in me staviš pred obličje svoje za večno. —Slava GOSPODU, Bogu Izraelovemu, od vekomaj do vekomaj. Amen in Amen! Knjiga druga.
12Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.
13Slava GOSPODU, Bogu Izraelovemu, od vekomaj do vekomaj. Amen in Amen! Knjiga druga.
13Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.