1{Načelniku godbe. Psalm Davidov, pesem.} Tebi velja molčanje in hvala, o Bog na Sionu, in tebi se opravljajo obljube.
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao]
2K tebi, ki poslušaš molitev, prihaja vse meso.
2Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra.
3Krivičnosti so me preveč obtežile; prestopke naše ti nam odpustiš.
3Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
4Blagor mu, kogar izvoliš in pripuščaš, da se ti bliža, da prebiva v vežah tvojih! Nasitimo se z dobroto hiše tvoje, s svetimi rečmi tvojega svetišča.
4Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.
5S strašnimi rečmi nam odgovarjaš v pravičnosti, o Bog zveličanja našega, upanje vseh krajev zemlje in najdaljnejših morij!
5Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
6Ki gore utrjaš v kreposti svoji, z močjo opasan.
6Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.
7Ki miriš šum morja, šum valov njegovih in narodov hrum;
7Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.
8tako da se bojé prebivalci najdaljnejših krajev znamenj tvojih; delaš, da se veselé, kjer je jutra svit in večera mrak.
8Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
9Ti si obiskal zemljo in ji dal obilost, močno jo obogatil. Potok Božji je napolnjen z vodami. Pripravljaš jim žito, ko si jo tako obdelal,
9Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
10napojil njene brazde in ji razmočil njene grude; z deževjem si jo zrahljal, kal njeno blagoslovil.
10Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
11Venčal si leto dobrote svoje, in sledovi tvoji kapljajo maščobo.
11Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
12Kapljajo i trate v puščavi, in griči so kakor opasani z radostjo.Pašniki so vsi polni čred in doline so pogrnjene z obilim žitom. Vse veselo uka in poje.
12Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
13Pašniki so vsi polni čred in doline so pogrnjene z obilim žitom. Vse veselo uka in poje.
13Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.