1{Pouk Asafov.} Poslušaj, ljudstvo moje, nauk moj, nagnite uho svoje govoru mojih ust.
1[Famaranana nalaina tamin'ny tantaran'ny Isiraely hatramin'i Mosesy ka hatramin'i Davida] Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako.
2V prilikah odprem usta svoja, razglasim uganke iz starih časov.
2Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
3Kar smo slišali in spoznali, kar so nam pripovedovali očetje naši,
3Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,
4ne bomo prikrivali njih otrokom, pripovedujoč naslednjemu rodu preslavna dela GOSPODOVA in moč njegovo in čuda njegova, ki jih je storil.
4Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
5Kajti ustanovil je pričevanje v Jakobu in postavil zakon v Izraelu, kar je zapovedal očetom našim, da naj jih oznanjajo svojim otrokom.
5Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
6Da to spozna naslednji rod, otroci, ki bodo rojeni, in ti vstanejo ter pripovedujejo otrokom svojim:
6Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa,
7Upanje svoje da naj stavijo na Boga in ne pozabijo naj dejanj Boga mogočnega, temuč hranijo naj zapovedi njegove.
7Mba hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
8In ne bodo naj kakor njih pradedje, rod trdovraten in uporen, rod, ki ni obrnil v pravo smer srca svojega in čigar duh ni bil zvest Bogu mogočnemu.
8Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny.
9Sinovi Efraimovi, lokostrelci oboroženi, so obrnili hrbte ob času bitve.
9Ny zanak'i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana.
10Ohranili niso zaveze Božje in so se branili hoditi po zakonu njegovem,
10Tsy nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
11pozabivši dejanja njegova in čudovita dela njegova, katera jim je bil pokazal.
11Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
12Delal je čuda pred njih pradedi v deželi Egiptovski, na polju Zoanskem.
12Teo anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana.
13Razklal je morje in peljal jih čez, in postavil je vode kakor jez.
13Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
14In spremljal jih je z oblakom po dnevi in vso noč s svetlobo ognja.
14Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
15Razklal je skale v puščavi in jih je obilo napojil kakor iz globočin.
15Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.
16Potoke je izpeljal iz skale in storil, da so vode tekle doli kakor reke.
16Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
17Vendar so še dalje grešili zoper njega, upirali se Najvišjemu v pustinji.
17Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
18In izkušajoč Boga mogočnega v srcu svojem, so zahtevali jed po svojega srca želji.
18Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
19In grdo govoreč zoper Boga, so rekli: Ali bi mogel Bog mogočni pripraviti mizo v tej puščavi?
19Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
20Glejte, ob skalo je udaril, da so tekle vode, in potoki so se udrli – ali bo mogel dati tudi kruha ali pa oskrbeti mesa ljudstvu svojemu?
20Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy?
21Zato se je GOSPOD, ko je to slišal, razsrdil, in ogenj se je vnel zoper Jakoba in tudi jeza se je kadila zoper Izraela.
21Koa nony ren'i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
22Ker niso verovali v Boga in niso upali v rešenje njegovo.
22Satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
23In vendar je zapovedal oblakom zgoraj in odprl vrata nebeška,
23Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny,
24in dežil nanje mano za jed in jim dajal žito nebeško.
24Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy.
25Kruh močnih je jedel človek; brašna jim je pošiljal dositega.
25Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
26Zagnal je vzhodni veter na nebu in z močjo svojo je pripeljal jug,
26Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
27in je dežil nanje meso kakor prah in kakor morski pesek ptiče krilate,
27Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
28metal jih je med njih šatore, okoli njih prebivališč.
28Ka nalatsany teny afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
29In jedli so in bili so zelo nasičeni, in česar so poželeli, jim je prinesel.
29Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
30Še se niso iznebili poželenja svojega, še jim je bila jed v ustih,
30Nefa tsy niala tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
31ko je jeza Božja vzplamtela proti njim in morila med močnimi izmed njih in pokončavala mladeniče Izraelove.
31Dia nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely.
32Ob vsem tem so še grešili in niso verovali v čudovita dela njegova.
32Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
33Zato je storil, da so v ničevosti potekali njih dnevi in njih leta v naglici.
33Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana.
34Ko jih je pobijal, tedaj so povpraševali po njem, in so se izpreobrnili ter zjutraj že iskali Boga mogočnega,
34Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
35spomnivši se, da je bil Bog njih skala in Bog mogočni, Najvišji, njih odrešenik.
35Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
36Tedaj so ga z usti svojimi dobrikali in z jezikom svojim so se mu lagali,
36Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
37a njih srce ni bilo utrjeno pri njem in niso se izkazali zvesti zavezi njegovi.
37Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
38Toda on je usmiljen, odpušča krivico in ne pokončuje; in mnogokrat je ustavil svoj srd in ni vnemal vse jeze svoje.
38Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
39Spominjal se je namreč, da so meso, sapa, ki gre in se ne vrne.
39Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
40Kolikokrat so se mu uprli v puščavi, so ga žalili v samoti!
40Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany foana!
41Zopet in zopet so izkušali Boga mogočnega in žalili Svetega Izraelovega.
41Naka fanahy an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely.
42Niso se spominjali roke njegove, ne dne, ko jih je bil otel zatiralca,
42Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo,
43ko je v Egiptu delal znamenja svoja in čuda svoja na polju Zoanskem.
43Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana:
44V kri je izpremenil njih potoke, da niso mogli piti tekočih vod svojih.
44Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
45Poslal je nanje pasje muhe, ki so jih žrle, in žabe, ki so jih ugonabljale.
45Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.[Na: fihitra, na kalalao]
46In dal je njih sadež cvrčku, in kobilici, kar so s trudom posejali.
46Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an'ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala.
47Uničil je s točo njih trte in smokve njih z mrazom.
47Namono ny voalobony tamin'ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy.
48Izročil je toči tudi njih živino in njih črede bliskom.
48Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an'ny havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho an'ny varatra.
49Izpustil je nanje jeze svoje žar, srd in nevoljo in stisko, celo krdelo angelov nesreče.
49Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
50Prosto pot je napravil svoji jezi, smrti ni ubranil njih duš in življenje njih je izročil kugi.
50Namboatra lalana ho an'ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin'ny areti-mandringana;
51In udaril je vse prvorojence v Egiptu, prvino moči v šatorih Hamovih.
51Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama;
52Svoje ljudstvo pa je odpeljal kakor ovce, in vodil jih je kakor čredo po puščavi.
52Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
53In peljal jih je varno, da se jim ni bilo bati, a njih sovražnike je pokrilo morje.
53Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny ranomasina.
54Pripeljal jih je do meje svetišča svojega, gore te, ki si jo je pridobila desnica njegova.
54Ary nitondra azy ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon'ny tànany ankavanana.
55Izgnal je izpred njih obličja narode in jih je po žrebu razmeril Izraelu v posest in v njih šatorih je dal prebivati Izraelovim rodovom.
55Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy.
56Vendar so izkušali Boga Najvišjega in se mu upirali in pričevanj njegovih se niso držali.
56Nefa naka fanahy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
57Temuč obrnili so se in nezvesto ravnali kakor njih pradedje, obrnili so se kakor lok, ki strelja napačno.
57Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
58Dražili so ga z višavami svojimi in s podobami malikov svojih so razvneli gorečnost njegovo.
58Ary nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny sarin-javatra voasokitra.
59Slišal je Bog in se razsrdil, in Izrael se mu je silno zastudil.
59Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
60In zapustil je prebivališče v Silu, šator, ki ga je bil postavil med ljudmi.
60Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona;
61In dal je v sužnost svojo moč in slavo svojo zatiralcu v pest.
61Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo.
62Izročil je meču ljudstvo svoje in zoper dedino svojo se je razsrdil.
62Dia nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy.
63Ogenj je požrl mladeniče njegove, in devicam njegovim se ni pela svatovska pesem.
63Ny zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
64Duhovniki njegovi so padli pod mečem, in vdove njegove niso mogle žalovati.
64Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona.
65Tedaj se je zbudil Gospod, kakor da bi bil spal, kakor junak, ki vriska od vina.
65Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon'ny divay.
66In udaril je sovražnike svoje od zadaj, sramoto večno jim je naložil.
66Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
67Zavrgel je pa šator Jožefov in rodu Efraimovega ni izvolil.
67Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny.
68Temuč izvolil je rod Judov, goro Sionsko, ki jo je ljubil.
68Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
69In sezidal si je enako nebeškim višavam svetišče svoje, enako zemlji, ki jo je utrdil na veke.
69Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
70In izvolil je Davida, hlapca svojega, vzemši ga iz ovčje ograje;
70Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry;
71izza doječih ga je pripeljal, da bi pasel Jakoba, ljudstvo njegovo, in Izraela, dediščino njegovo.Ki jih je pasel po poštenosti srca svojega in vodil jih je z obilo razsodnostjo svojih rok.
71Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
72Ki jih je pasel po poštenosti srca svojega in vodil jih je z obilo razsodnostjo svojih rok.
72Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.