Slovenian

Malagasy

Psalms

8

1{Načelniku godbe; na gitit [Hebrejske besede v napisih se ozirajo na godbo ali način petja (napev).]. Psalm Davidov.} O Jehova, Gospod naš, kako veličastno je ime tvoje na vsej zemlji, ki si odel s slavo svojo nebesa!
1[Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao.
2Iz ust otrok in dojencev si ustanovil sebi hvalo zavoljo nasprotnikov svojih, da ukrotiš neprijatelja in maščevalca.
2Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
3Ko ogledujem nebesa tvoja, prstov tvojih delo, mesec in zvezde, ki si jih postavil,
3Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
4govorim: Kaj je človek, da se ga spominjaš, ali sin človekov, da ga obiskuješ?
4Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
5Le malo si ga storil nižjega nego angele, a venčal si ga s slavo in veličastvom.
5Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
6Postavil si ga za vladarja delom svojih rok, vse si mu podložil pod noge:
6Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony,
7drobnico in goved, kolikor je je, in tudi poljske živali,
7Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
8ptice pod nebom in ribe v morju, karkoli se izprehaja po morskih stezah.Jehova, Gospod naš, kako veličastno je ime tvoje na vsej zemlji!
8Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina.Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
9Jehova, Gospod naš, kako veličastno je ime tvoje na vsej zemlji!
9Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!