Slovenian

Malagasy

Psalms

89

1{Pouk Etana Ezrahovca.} O milostih GOSPODOVIH bom peval vekomaj, rodu za rodom bom oznanjal z usti svojimi zvestobo tvojo.
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany, indrindra fa noho ny fanekeny tamin'i Davida] Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.
2Rekel sem namreč: Vekomaj se bo milost sezidavala, v samih nebesih utrdiš zvestobo svojo.
2Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
3„Sklenil sem zavezo z izvoljencem svojim, prisegel sem Davidu, svojemu hlapcu:
3Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:
4Na vekomaj utrdim seme tvoje in stavil bom prestol tvoj od roda do roda.“ (Sela.)
4Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
5Zato slavé nebesa čudovito delo tvoje, o GOSPOD, tudi zvestobo tvojo v zboru svetnikov.
5Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.
6Zakaj kdo naj se v nebeških višavah primerja GOSPODU, kdo je GOSPODU podoben med sinovi Božjimi?
6Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah,
7On je Bog mogočni, jako strašen v zboru svetnikov in strašnejši mimo vseh, ki so okrog njega.
7Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy?
8O GOSPOD, Bog nad vojskami, kdo je tebi enako mogočen, GOSPOD? In zvestoba tvoja biva okrog tebe.
8Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
9Ti gospoduješ nad morja divjostjo; ko se vzpenjajo valovi njegovi, ti jih krotiš.
9Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
10Zdrobil si Egipt, da je kakor strt, z ramo svoje moči si razkropil sovražnike svoje.
10Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
11Tvoja so nebesa, tvoja tudi zemlja; vesoljni svet in česar je poln, ustanovil si ti.
11Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
12Sever in jug, ti si ju ustvaril; Tabor in Hermon veselo pojeta o imenu tvojem.
12Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
13Velemožna je rama tvoja, krepka je roka tvoja, vzvišena desnica tvoja.
13Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
14Pravičnost in prava sodba sta podstava tvojemu prestolu, milost in resnica hodita pred obličjem tvojim.
14Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
15Blagor ljudstvu, ki pozna trobente radostni glas! Ti hodijo v svetlobi obličja tvojega, o GOSPOD!
15Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.
16V imenu tvojem se radujejo ves dan in po pravičnosti tvoji se povišujejo.
16Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
17Zakaj dika njih moči si ti, in po blagovoljnosti tvoji bo zvišan rog naš.
17Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
18GOSPOD namreč je naš ščit in Svetnik Izraelov naš kralj.
18Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.
19Nekdaj si v prikazni govoril svetnikom svojim in rekel: Pomoč sem podelil junaku, povzdignil sem izvoljenega iz ljudstva.
19Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona.[Na: nanandratra zatovo avy]
20Našel sem Davida, hlapca svojega, pomazilil sem ga s svetim oljem svojim.
20Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
21Ž njim bodi roka moja stanovitna in rama moja naj ga krepča.
21Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
22Ne bo ga stiskal sovražnik in sin krivice ga ne bo tlačil.
22Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy]
23Temuč starem izpred njega nasprotnike njegove in sovražilce njegove udarim.
23Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
24In moja zvestoba in milost moja bo ž njim, in v imenu mojem se povzdigne rog njegov.
24Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
25In nad morje položim roko njegovo in nad reke njegovo desnico.
25Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
26On me bo klical: Oče moj si ti, Bog moj mogočni in skala rešenja mojega.
26Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
27Jaz pa ga postavim za prvorojenca, za najvišjega kraljem zemlje.
27Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.
28Vekomaj mu ohranim milost svojo, in zaveza moja mu ostani zvesta.
28Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
29In postavim seme njegovo, da večno traja, in prestol njegov kakor dnevi nebes.
29Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.
30Ako zapusté sinovi njegovi zakon moj in ne bodo hodili v sodbah mojih,
30Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
31ako oskrunijo postave moje in ne bodo ravnali po zapovedih mojih:
31Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
32obiščem s šibo njih pregreho in z udarci njih krivico.
32Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
33Toda milosti svoje mu ne odtegnem in lagal ne bom zoper zvestobo svojo.
33Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
34Ne oskrunim zaveze svoje in ne izpremenim ustnic svojih obljube.
34Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.
35Enkrat sem prisegel pri svetosti svoji; zares, Davidu ne bom lagal:
35Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:
36Večno bodi seme njegovo in prestol njegov kakor solnce pred mano.
36Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
37Kakor luna bode stanoviten vekomaj. In priča v nebeških višavah je zvesta. (Sela.)
37Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]
38Ti pa si zavrgel in zaničeval, razsrdil si se zoper maziljenca svojega.
38Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.
39Zaničeval si hlapca svojega zavezo, oskrunil in vrgel na tla venec njegov.
39Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
40Podrl si vse ograje njegove, trdnjave njegove si izpostavil razdoru.
40Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
41Plenili so ga vsi mimohodeči, v zasmeh je dan sosedom svojim.
41Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy.
42Povzdignil si zatiralcev njegovih desnico, veselje napravil vsem sovražnikom njegovim.
42Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
43Skrhal si tudi meča njegovega ostrino in mu nisi dal zmagati v vojski.
43Efa nampihemotra ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.[Na: nampilefitra]
44Storil si, da je minila bleščoba njegova, in prestol njegov si zvrnil na tla.
44Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
45Okrajšal si dni mladosti njegove, pokril si ga s sramoto. (Sela.)
45Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
46Doklej, GOSPOD, boš li se skrival vekomaj? gorela bo kakor ogenj jeza tvoja?
46Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
47Spomni se me – kako sem kratkih dni! Za kako ničevost si ustvaril vse otroke človeške!
47Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!
48Kateri mož je, ki živi in ne bo videl smrti, ki zavaruje dušo svojo zoper oblast groba? (Sela.)
48Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita? [Heb. Sheola]
49Kje so, o Gospod, milosti tvoje nekdanje, ki si jih prisegel Davidu v zvestobi svoji?
49Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
50Spomni se, Gospod, sramote hlapcev svojih, da nosim v prsih svojih zasramovanje vseh teh mnogih ljudstev,
50Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra,
51s katerim so sramotili sovražniki tvoji, GOSPOD, s katerim so sramotili maziljenca tvojega stopinje. —Slava GOSPODU vekomaj! Amen in Amen! Knjiga četrta.
51Dia ny nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao.Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
52Slava GOSPODU vekomaj! Amen in Amen! Knjiga četrta.
52Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.