1In videl sem, ko je Jagnje odprlo enega izmed sedmerih pečatov, in slišal sem eno izmed četverih živali govoriti kakor groma glas: Pridi!
1[Ny namahana ny tombo-kase enina] Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia. [ Ampio hoe: (ka izahao)]
2In videl sem, in glej: bel konj, in sedeči na njem je imel lok; in dan mu je bil venec, in izšel je zmagovit in da zmaga.
2Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
3In ko je odprlo drugi pečat, sem slišal drugo žival govoriti: Pridi!
3Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan'aina faharoa nanao hoe: Avia. [ Ampio hoe: (ka izahao)]
4In izšel je drug konj, rjav, in sedečemu na njem je bilo dano vzeti mir z zemlje in da naj se koljejo med seboj; in mu je bil dan velik meč.
4Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba hifamonoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
5In ko je odprlo tretji pečat, sem slišal tretjo žival govoriti: Pridi! In videl sem, in glej: črn konj, in sedeči na njem je imel tehtnico v roki.
5Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan'aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. [ Ampio hoe: (ka izahao)]
6In slišal sem kakor glas sredi četverih živali, ki je rekel: Merica pšenice za en denar in tri merice ječmena za en denar; a olju in vinu ne stóri hudega.
6Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: venty ny vary tritika eran'ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao. [ Gr. denaria] [ Gr. koiniksa]
7In ko je odprlo četrti pečat, sem slišal glas četrte živali govoriti: Pridi!
7Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan'aina fahefatra nanao hoe: Avia. [ Ampio hoe: (ka izahao)]
8In videl sem, in glej: bled konj, in sedeči na njem, ime mu Smrt, in smrtno kraljestvo [Grški: hades. (smrtna država).] ga spremlja. In mu je bila dana oblast, pomoriti četrtino zemlje z mečem in lakoto in kugo in od zveri zemeljskih.
8Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany. [ Gr. Hadesy]
9In ko je odprlo peti pečat, sem videl pod oltarjem duše zaklanih zavoljo besede Božje in zavoljo pričevanja, ki so ga imeli.
9Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
10In zavpijejo z glasom velikim, rekoč: Doklej, o Gospod, sveti in resnični, ne sodiš in ne maščuješ krvi naše nad njimi, ki prebivajo na zemlji?
10Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany?
11In dali so jim vsakemu belo oblačilo in so jim rekli, naj počivajo še malo časa, dokler ne bodo dopolnjeni tudi sohlapci njih in bratje njih, ki imajo biti umorjeni kakor tudi oni.
11Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
12In videl sem, ko je odprlo šesti pečat, in nastal je velik potres, in solnce je počrnelo kakor vreča raševa, in mesec je pordel ves kakor kri,
12Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
13in zvezde nebeške so padale na zemljo, kakor trebi smokva nezrelo sadje svoje, ko jo trese velik veter.
13Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy.
14In nebo je izginilo kakor knjiga, ko se zvije, in vse gore in otoki so se premeknili s svojih mest.
14Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
15In kralji zemlje in velikaši in vojaški poveljniki in bogatini in mogočniki in vsak hlapec in svobodnik so se skrili v jame in skalne razpokline po gorah,
15Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra;
16in reko goram in skalam: Padite na nas in skrijte nas pred obličjem njega, ki sedi na prestolu, in pred jezo Jagnjetovo,kajti prišel je velik dan njiju jeze, in kdo more stati?
16ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona? [ Na: ny fahatezerany]
17kajti prišel je velik dan njiju jeze, in kdo more stati?
17fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona? [ Na: ny fahatezerany]