1In peti angel zatrobi, in videl sem zvezdo, z neba padlo na zemljo, in dan ji je bil ključ k žrelu brezna.
1[Ny nitsofana ny trompetra fahadimy, sy ny nahatongavan'ny loza voalohany] Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa.
2In odpre žrelo brezna; in privali se dim iz žrela kakor dim peči velike, in solnce in zrak otemnita od dima iz žrela.
2Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.
3In iz dima izidejo kobilice na zemljo, in dá se jim oblast, kakor imajo oblast škorpijoni zemlje.
3Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin'ny maingoka amin'ny tany. [ Gr. fahefana]
4In reče se jim, naj ne store hudega travi zemlje, ne kaki zelenjavi, ne kakemu drevesu, razen ljudem samim, ki nimajo pečata Božjega na čelih.
4Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
5In dá se jim, da naj jih ne pomore, temuč da naj jih mučijo pet mesecev; in njih mučenje je kakor mučenje škorpijona, kadar piči človeka.
5Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
6In v tistih dneh bodo iskali ljudje smrti, a ne bodo je našli; in želeli bodo umreti, a smrt bo bežala od njih.
6Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
7In podobe kobilic so bile enake konjem, pripravljenim na vojsko, in na njih glavah kakor venci, podobni zlatu, in obličja njih kakor obličja človeška;
7Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
8in lase so imele kakor lase ženske in njih zobje so bili kakor levov;
8Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
9in imele so oklepe kakor oklepe železne; in šum njih peruti kakor ropotanje mnogih voz s konji, tekočimi v vojsko;
9Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.
10in imajo repe enake škorpijonom in žela; in v repih jim je njih oblast, škodovati ljudem mesecev pet.
10Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana. [ Gr. fahefana]
11In nad seboj imajo za kralja angela brezna; ime mu je po hebrejsko: Abadon, in po grško ima ime: Apolion [T. j. Pogubnik.].
11Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany. [ Abadona = Fandringanana] [ Apolyona = Mpandringana]
12Gorje eno je prešlo; glej, še dvoje Gorje potem.
12Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
13In šesti angel zatrobi, in slišal sem eden glas iz četverih rogov oltarja zlatega pred Bogom,
13[Ny nitsofana ny trompetra fahenina, sy ny nahatongavan'ny loza faharoa] Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,
14kateri je rekel šestemu angelu, ki je imel trombo: Reši četvere angele, zvezane ob reki veliki, Evfratu.
14nanao tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
15In odvezani so bili četveri angeli, ki so bili pripravljeni na uro in dan in mesec in leto, da pomore tretjino ljudi.
15Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona.
16In število vojsk konjištva je bilo dve miriadi miriad; slišal sem njih število.
16Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
17In tako sem videl konje v prikazni in na njih sedeče, ki so imeli oklepe ognjene in temnordeče in žveplene; in glave konj kakor glave levov in iz njih ust izhaja ogenj in dim in žveplo.
17Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny vavany.
18Te tri šibe so pomorile tretjino ljudi, ogenj in dim in žveplo, ki izhaja iz njih ust.
18Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona.
19Kajti moč konj je v njih ustih in v njih repih; njih repi namreč so enaki kačam, imajo glave in s temi škodijo.
19Fa ny herin'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
20In ostali ljudje, ki niso bili pomorjeni s temi šibami, se še niso izpokorili od del svojih rok, da bi ne molili zlih duhov in malikov zlatih in srebrnih in bronastih in kamenitih in lesenih, kateri ne morejo ne gledati ne slišati, ne hoditi,in niso se izpokorili od moritev svojih, ne od čaranj in ne od nečistosti in ne od tatvin svojih.
20Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
21in niso se izpokorili od moritev svojih, ne od čaranj in ne od nečistosti in ne od tatvin svojih.
21ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.