1Kaj torej porečemo, da je dosegel Abraham, naš prednik, po mesu?
1Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
2Kajti če je bil Abraham opravičen iz del, se ima s čim hvaliti, ali ne pri Bogu.
2Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra.
3Ker kaj pravi pismo? „Veroval pa je Abraham Bogu, in zaračunilo se mu je za pravičnost“.
3Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
4A tistemu, ki opravlja dela, se ne računi plačilo po milosti, temuč po dolžnosti.
4Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
5Tistemu pa, ki ne opravlja del, a veruje v tega, ki opravičuje brezbožnega, se računi njegova vera za pravičnost.
5Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
6Kakor tudi David pravi, da je blagor človeku, ki mu Bog računi pravičnost brez del:
6Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe:
7„Blagor jim, ki so se jim odpustile nepostavnosti in ki so jim grehi prikriti.
7Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
8Blagor možu, ki mu Gospod nič več ne računi greha“.
8Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).
9Blagrovanje torej to velja li za obrezo ali tudi za neobrezo? Kajti pravimo: Abrahamu se je vera zaračunila za pravičnost.
9Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.
10Kako pa se mu je zaračunila? ko je bil v obrezi ali še v neobrezi? Ne v obrezi, ampak v neobrezi.
10Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
11In znamenje obreze je prejel kot pečat pravičnosti vere, ki jo je imel v neobrezi, da bi bil oče vsem, ki verujejo v neobrezi, da bi se njim zaračunila pravičnost,
11Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana,
12in da bi bil oče obreze tistim, ki so ne samo obrezani, ampak tudi hodijo po stopinjah vere očeta našega Abrahama, ki jo je imel v neobrezi.
12ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
13Kajti ni se dala po postavi obljuba Abrahamu ali njegovemu semenu, da bode dedič sveta, ampak po pravičnosti vere.
13Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
14Zakaj če so dediči ti, ki se drže postave, ničeva je vera in brez veljave obljuba.
14Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
15Postava namreč napravlja jezo; kjer pa ni postave, tudi ni prestopka.
15fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
16Zato je dediščina iz vere, da bode po milosti, da bi bila obljuba trdna vsemu semenu, ne samo temu, ki je iz postave, ampak tudi temu, ki je iz vere Abrahamove; ta je oče vseh nas
16Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -
17(kakor je pisano: „Za očeta mnogih narodov sem te postavil“) pred obličjem Boga, kateremu je veroval, ki oživlja mrtve in kliče to, česar ni, kakor da je.
17araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
18On je veroval v upanje, kjer ni bilo ničesar upati, da postane oče mnogih narodov, kakor mu je bilo rečeno: Tako bode seme tvoje.
18Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).
19In ne oslabevši v veri, ni gledal na svoje že omrtvelo telo, ker je imel blizu sto let, niti na odrevenelo maternico Sarino;
19Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,
20glede na obljubo Božjo pa ni dvomil v nejeveri, temuč ojačil se je v veri, in davši čast Bogu,
20ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra
21je bil popolnoma prepričan, da ima moč tudi storiti, kar je obljubil.
21ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
22Zato se mu je tudi zaračunilo za pravičnost.
22Dia nisaina ho fahamarinany izany.
23Ni pa napisano samo zaradi njega, da se mu je zaračunilo,
23Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
24ampak tudi zaradi nas, katerim ima biti zaračunjeno, ki verujemo v tistega, ki je obudil Jezusa, Gospoda našega, iz mrtvih;ta je bil dan v smrt za grehe naše in je bil obujen za opravičenje naše.
24fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty,Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
25ta je bil dan v smrt za grehe naše in je bil obujen za opravičenje naše.
25Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.