Slovenian

Malagasy

Song of Solomon

1

1Pesem pesmi, ki je Salomonova.
1Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona.
2O da bi me poljubil z ust svojih poljubom! ker ljubezen tvoja je boljša nego vino.
2[Ny ampakarina sy ny zanakavavin'i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
3Mazila tvoja sladko diše, ime tvoje je kakor izlito mazilo; zato te ljubijo device.
3Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
4Vleci me, in pohitimo za teboj! Vpeljal me je kralj v hrame svoje: radovati se hočemo in v tebi veseliti, hvaliti čemo ljubezen tvojo bolj nego vino. Iskreno te ljubijo.
4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
5Črna sem, ali ljubka, o hčere jeruzalemske, kakor kedarski šatori, kakor Salomonovi zastori.
5Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny ambain-dain'i Solomona.
6Ne glejte me, ker sem začrnela, ker me je sonce opalilo. Matere moje sinovi so se srdili z mano, postavili so me za varuhinjo v vinogradih – a vinograda, ki je moj, nisem varovala!
6Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.
7Povej mi, o ti, ki ga ljubi duša moja, kje paseš čredo svojo? kje ji daješ počivati opoldne? ker čemu naj bi bila kakor tavajoča pri čredah tovarišev tvojih?
7Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]
8Ako ne veš, o najlepša med ženami, pojdi ven, po stopinjah ovac, in pasi kozliče svoje pri prebivališčih pastirjev.
8Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.
9Konju pri krasnem vozu Faraonovem te primerjam, o prijateljica moja!
9[Ny mpanjaka sy ny ampakarina] Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Farao.
10Ljubka so lica tvoja med verižicami, vrat tvoj z nizom biserov.
10Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
11Naredimo ti verižice zlate s srebrnimi kroglicami.
11Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
12Dokler je kralj sedel pri omizju svojem, je vonjala narda moja vonjavo svojo.
12Raha mipetraka amin'ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
13Ljubi moj mi je kitica mire, ki leži med mojimi prsmi.
13Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
14Ljubi moj mi je šopek ciprovih cvetlic iz vinogradov v Engedi.
14Ny malalako dia tahaka ny vonin'ny kofera amiko, any an-tanimbolin'i En-jedy.
15Glej, lepa si, prijateljica moja, glej, lepa si, oči tvoje so kakor golobice.
15Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.[Na: Manana masom-boromailala ianao]
16Glej, lep si, ljubi moj, da, ljubezniv, tudi najino ležišče je mlado zelenje.Tramovje hiše najine je cedrovo in obložci najini cipresovi.
16Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
17Tramovje hiše najine je cedrovo in obložci najini cipresovi.
17Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.