1Glej, lepa si, prijateljica moja, glej, lepa si; oči tvoje so kakor golobice za pajčolanom tvojim; lasje tvoji so kakor čreda koz, ki leže po strmini gore Gileadske.
1Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.[Na: volonao milantolanto]
2Zobje tvoji so kakor čreda ostriženih ovčic, ki stopajo gori iz kopeli, katerih vsaka ima dvojčeti in nerodovitne ni med njimi nobene.
2Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
3Ustne tvoje so kakor karmezinasta vrvica in usta tvoja so ljubka; kakor odrezan kos margaranovega jabolka so senca tvoja izza pajčolana tvojega.
3Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao,[Heb. fitenenanao][Na: volonao milantolanto]
4Vrat tvoj je kakor stolp Davidov, ki je zgrajen za orožnico, na njem visi tisoč ščitov, vsi ščiti junakov.
4Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.
5Prsi tvoje so kakor dve srnici, dvojčeti gazelini, ki se paseta med lilijami.
5Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.
6Dokler se ohladi dan in sence zbeže, pojdem h gori mirovi in k hribu kadila.
6Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka]
7Vsa si lepa, prijateljica moja, in madeža ni na tebi.
7Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
8Z menoj doli z Libanona, nevesta moja, z menoj prideš z Libanona; z vrha Amane boš gledala doli, z vrha Senirja in Hermona, od ležišč levov, od gorá leopardov.
8Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
9Obvladala si mi srce, sestra moja, nevesta, obvladala si mi srce z enim pogledom svojih oči, z eno verižico na vratu svojem.
9Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.[Heb. ampakariko]
10Kako je lepa ljubav tvoja, sestra moja, nevesta! koliko boljša je ljubav tvoja nego vino in mazil tvojih duh boljši nego vseh dišav!
10Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko]
11Z usten tvojih, nevesta, kaplja strd, med in mleko sta pod jezikom tvojim, in oblačil tvojih duh je kakor Libanona vonj.
11Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.
12Zaklenjen vrt je sestra moja, nevesta, zaklenjen vrelec, zapečaten studenec.
12Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb. anabaviko]
13Mladike tvoje so margaranov gaj z žlahtnim sadjem, s ciprovim cvetjem in z nardovimi rastlinami,
13Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
14narda in žafran, kolmež in sladka skorjica, z vsakršnim kadilnim drevjem, mira in lopatika z vsemi najboljšimi dišavami.
14Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb. ahalota]
15Ti si studenec na vrtu, vodnjak žive vode in potoki, ki teko od Libanona.Vstani, severni veter, in pridi, jug, vej skozi moj vrt, da kapljajo njega dišave! Naj pride ljubi moj na vrt svoj in uživa sadove, njemu dragocene.
15Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
16Vstani, severni veter, in pridi, jug, vej skozi moj vrt, da kapljajo njega dišave! Naj pride ljubi moj na vrt svoj in uživa sadove, njemu dragocene.
16Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.