1Kam je šel ljubi tvoj, o najlepša med ženami, kam se je obrnil ljubi tvoj? Iskati ga hočemo s teboj!
1Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
2Ljubi moj je šel doli na vrt svoj, h gredicam balzamovim, da bi pasel po vrtih in trgal lilije.
2Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia.
3Jaz sem ljubega svojega in ljubi moj je moj, on pase čredo svojo med lilijami.
3An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia.
4Lepa si, prijateljica moja, kakor Tirza, milovidna kakor Jeruzalem, strašna kakor vojske z zastavami.
4Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva.
5Obrni oči od mene, ker me premagujejo. Lasje tvoji so kakor čreda koz, ki ležé po strmini Gileadski.
5Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada.
6Zobje tvoji so kakor čreda ovac, ki stopajo gori iz kopeli, katerih vsaka ima dvojčeti in nerodovitne ni med njimi nobene.
6Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
7Senca tvoja so kakor odrezan kos margaranovega jabolka za pajčolanom tvojim.
7Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao.[Na : ny volonao milantolanto]
8Šestdeset je kraljic in osemdeset priležnic in mladenk brez števila.
8Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
9A edina je golobica moja, popolna moja; edinica je materi svoji, izvoljenka porodnici svoji. Hčere so jo videle in so jo blagorovale, tudi kraljice in priležnice in so jo hvalile.
9Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
10Kdo je ona, ki prisvitava kakor jutranja zarja, lepa kakor mesec, čista kakor sonce, strašna kakor vojske z zastavami?
10Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?
11Šel sem doli na orehov vrt, da si ogledam zelene mladike v dolini, da pogledam, če dela vinska trta popke, če cveto margaranova jabolka.
11Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza]Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
12A preden sem zaznal, me je posadila duša moja na krasni voz mojega plemenitega ljudstva.Vrni se, vrni se, o Šulamljanka, vrni se, vrni se, da te bomo gledali! [6:14] Kaj hočete gledati Šulamljanko? kakor ples mahanaimski...
12Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
13Vrni se, vrni se, o Šulamljanka, vrni se, vrni se, da te bomo gledali! [6:14] Kaj hočete gledati Šulamljanko? kakor ples mahanaimski...