1Prorokovanje besede GOSPODOVE o Izraelu. Tako govori GOSPOD, ki razprostira nebo in ustanavlja zemljo in človeku ustvarja duha v prsih:
1[Ny hampaherezana ny Isiraely sy ny hanamasinana azy] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:
2Glej, jaz naredim Jeruzalem za omotično čašo vsem ljudstvom okoli; in tudi Judo zadene to pri obleganju Jeruzalema.
2Indro, Izaho hanao an'i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an'ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan'izany ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema.
3In zgodi se tisti dan, da storim Jeruzalem za pretežek kamen vsem ljudstvom: vsi, ki ga vzdigujejo, se bodo hudo poškodovali. In vsi narodi zemlje se zbero zoper njega.
3Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany.
4Tisti dan, govori GOSPOD, udarim vse konje, da se bodo plašili, in njih jezdece, da zbesné; a nad hišo Judovo bom imel odprte oči, vse konje narodov pa udarim s slepoto.
4Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin'ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.
5In vojvode Judovi bodo v srcu svojem govorili: Moja moč so prebivalci jeruzalemski po GOSPODU nad vojskami, njih Bogu.
5Ary ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny.
6Tisti dan storim vojvode Judove enake goreči peči med lesom in goreči plamenici med snopjem, da požro ob desni in ob levi vsa ljudstva okoli; in Jeruzalemci bodo zopet stanovali na svojem mestu v Jeruzalemu.
6Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
7In GOSPOD reši najprej šatore Judove, da se krasota hiše Davidove in krasota prebivalcev jeruzalemskih ne poveličuje proti Judi.
7Ary hovonjen'i Jehovah aloha ny lain'ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
8Tisti dan bode GOSPOD obrana prebivalcem v Jeruzalemu; in kdor se opoteka med njimi, bode tisti dan kakor David, in hiša Davidova bode kakor Bog, kakor angel GOSPODOV pred njimi.
8Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany.
9In zgodi se tisti dan, da si prizadenem pogubiti vse poganske narode, ki gredo zoper Jeruzalem.
9Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho.
10In izlijem nad hišo Davidovo in nad prebivalce jeruzalemske duha milosti in ponižnih prošenj, in gledali bodo v mene, ki so ga prebodli, in plakali nad njim, kakor plačejo po edincu, in bridko bodo nad njim žalovali, kakor žalujejo bridko nad prvencem.
10Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.[na: ka hijery ilay]
11Tisti dan bode velik jok v Jeruzalemu kakor jok ob Hadadrimonu v dolini Megidski.
11Amin'izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lohasaha Megido.
12In plakala bo dežela, vsaka rodovina posebe: rodovina hiše Davidove posebe in njih žene posebe; rodovina hiše Natanove posebe in njih žene posebe;
12Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
13rodovina hiše Levijeve posebe in njih žene posebe; rodovina Simejskih posebe in njih žene posebe;takisto vse rodovine, ki preostanejo, vsaka rodovina posebe in njih žene posebe.
13ny fianakavian'ny taranak'i Levy mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Simey mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo mitokana.
14takisto vse rodovine, ki preostanejo, vsaka rodovina posebe in njih žene posebe.
14ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo mitokana.