1In mi pokaže velikega duhovnika Jozueta, stoječega pred angelom GOSPODOVIM; in satan mu stoji ob desnici, da bi mu bil nasprotnik.
1[Fahitana fahefatra: Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah] Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
2In GOSPOD reče satanu: Pokara naj te GOSPOD, satan, da pokaraj te GOSPOD, ki je izvolil Jeruzalem! Ni li ta mož glavnja, potegnjena iz ognja?
2Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity?
3In Jozue je bil oblečen v umazana oblačila in je stal pred angelom.
3Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.
4In izpregovori angel in veli njim, ki so stali pred njim, rekoč: Vzemite umazana oblačila z njega! In njemu reče: Glej, snel sem s tebe krivice tvoje in oblečem te v praznična oblačila.
4Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
5In rečem: Naj mu denejo čisto pokrivalo na glavo! In so mu deli čisto pokrivalo na glavo ter ga oblekli v nova oblačila; in angel GOSPODOV je stal zraven.
5Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
6In angel GOSPODOV izpriča Jozuetu in reče:
6Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe:
7Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Ako boš hodil po mojih potih in ako boš pridno stregel na straži moji, boš tudi sodil hišo mojo in tudi čuval veže moje, in dam ti prost vhod med temi, ki tu stoje.
7Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.
8Poslušaj, o Jozue, veliki duhovnik, ti in tvoji tovariši, ki sede pred teboj – predpodobe so! Kajti glej, jaz storim, da pride hlapec moj Zemah [T. j. Odraslek ali Mladika, Rastlina.].
8Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko. [Na: solofo]
9Kajti glej, kamen, ki sem ga položil pred Jozueta, na tem enem kamenu je sedmero očes – glej, jaz izrežem na njem rezbo, govori GOSPOD, in odpravim krivico te dežele v enem dnevi.Tisti dan, govori GOSPOD nad vojskami, boste vabili drug drugega pod vinsko trto in pod smokvo svojo.
9Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito]Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.
10Tisti dan, govori GOSPOD nad vojskami, boste vabili drug drugega pod vinsko trto in pod smokvo svojo.
10Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.