1Zvino Dhavhidhi akarangana navakuru vechiuru chamazana navamazana, navatungamiriri vose,
1[Ny namindrana ny fiara niala tao Kiriata-jearima, sy ny nitoerany tao an-tranon'i Obed-edoma] Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
2Dhavhidhi akati kuungano yose yaIsiraeri, Kana imwi muchiti zvakanaka, uye kana zvichibva kuna Jehovha Mwari wedu, ngatitume shoko kose kuhama dzedu dzakasara munyika yose yalsiraeri, nokuvapristi navaRevhi vari mumaguta avo anamafuro, kuti vaungane nesu;
2Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
3tidzoserezve areka yaMwari wedu kwatiri, nekuti hatina kuirangarira pamazuva aSauro.
3Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny andron'i Saoly izany.
4Ungano yose ikatenda kuzviita; nekuti vanhu vose vakati zvakanaka.
4Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason'ny olona rehetra izany.
5Zvino Dhavhidhi akaunganidza vaIsiraeri vose, kubva paShihori irwo rukova rweEgipita, kusvikira pavanopinda paHamati, kuti vatore areka yaMwari paKiriatijearimi.
5Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
6Dhavhidhi akakwira, iye navaIsiraeri vose, vakaenda Bhaara, ndiro Kiriatijearimi raiva raJudha, kuzotorapo areka yaMwari, iye Jehovha agere pamakerubhi pamusoro pawo, pavanonamata Zita rake.
6Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
7Vakatakura areka yaMwari pangoro itsva, vakaibvisa paimba yaAbhinadhabhu; Uza naAhio vakafambisa ngoro.
7Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.
8Dhavhidhi navaIsiraeri vose vakatamba pamberi paMwari nesimba ravo rose nenziyo, nembira, nemitengerangwa, nengoma, namakandira, nehwamanda.
8Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9Zvino vakati vachisvika paburiro raKidhoni, Uza akatambanudza ruoko rwake kuti abate areka, nekuti nzombe dzakanga dzogumburwa.
9Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran'ny omby izany.
10Kutsamwa kwaJehovha kukamukira Uza, akamuuraya, nekuti akatambanudza ruoko rwake kuti abate areka; akafirapo pamberi paMwari.
10Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.
11Ipapo Dhavhidhi akaora moyo nekuti Jehovha akarova Uza; akatumidza nzvimbo iyo zita rinonzi Pereziuza kusvikira zuva ranhasi.
11Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran'izany tany izany mandraka androany.[Na: nalahelo][Perez-oza = Famelezana an'i Oza]
12Dhavhidhi akatya Mwari nomusi uyo, akati, Ndingaisa areka yaMwari kumusha kwangu seiko?
12Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko?
13Naizvozvo Dhavhidhi haana kuisa areka yaMwari kumusha kwaDhavhidhi, asi akaitsausira kumba kwaObhedhi-Edhomu muGiti.
13Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita.Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.
14Areka yaMwari ikagara pamhuri yaObhedhi-Edhomu mumba make mwedzi mitatu; Jehovha akaropafadza imba yaObhedhi-Edhomu nezvose zvaakanga anazvo.
14Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.