1Dhavhidhi akati, Iyi ndiyo imba yaJehovha Mwari, neyiyi ndiyo aritari yokupisira zvipiriso zvaIsiraeri.
1Dia hoy Davida: Eto no ho tranon'i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an'ny Isiraely.
2Zvino Dhavhidhi akaraira kuti vatorwa vakanga vari panyika yaIsiraeri vaunganidzwe; akagadza vavezi vamabwe, kuti vaveze mabwe okuvaka nawo imba yaMwari.
2[Ny namorian'i Davida ny zavatra ho enti-manao ny tempoly, sy ny hafatra nataony ny amin'ny hanaovana azy] Ary nasain'i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin'ny tanin'ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon'Andriamanitra.
3Dhavhidhi akagadzirawo matare mazhinji okupfura nawo mbambo dzamagonhi amasuwo nezvikorekedzo; uye ndarira zhinji isina kuidzwa kurema kwayo.
3Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon'ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja
4Namatanda emisidhari asina kuverengwa; nekuti vaZidhoni naveTire vakauya nemisidhari yakawanda kuna Dhavhidhi.
4sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin'i Davida.
5Dhavhidhi akati, Soromoni mwanakomana wangu achiri muduku asine simba, uye imba, inofanira kuvakirwa Jehovha, inofanira kuva huru kwazvo, ingarumbidzwa nokukudzwa panyika dzose; saka ini ndichaigadzirira. Naizvozvo Dhavhidhi akagadzira zvizhinji asati afa.
5Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.
6Ipapo akadana Soromoni mwanakomana wake, akamuraira kuti avakire Jehovha Mwari walsiraeri imba.
6Ary niantso an'i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an'i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,
7Dhavhidhi akati kuna Soromoni mwanakomana wake, Kana ndirini, ndakanga ndichiti mumoyo mangu ndichavakira zita raJehovha Mwari wangu imba.
7ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro;
8Asi shoko raJehovha rakasvika kwandiri, richiti, Iwe wakateura ropa rakawanda, uye wakarwa zvizhinji; iwe haungavakiri zita rangu imba, nekuti wakateura ropa rakawanda panyika pamberi pangu;
8saingy nisy tenin'i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an'ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko.[Na: ny amiko]
9asi tarira, uchaberekerwa mwanakomana, achava munhu wezororo; ndichamuzorodza pavavengi vake vose vanomupoteredza; nekuti zita rake richanzi Soromoni, ndichapa Isiraeri rugare nokunyarara namazuva ake;
9Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin'ny androny.[Solomona = Miadana]
10iye achavakira zita rangu imba; iye achava mwanakomana wangu, neni ndichava baba vake; ini ndichasimbisa chigaro chake choushe pakati paIsiraeri nokusingaperi.
10Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay.
11Zvino, mwana wangu, Jehovha ngaave newe; ufambiswe zvakanaka iwe, uvake imba yaJehovha Mwari wako, sezvaakataura pamusoro pako.
11Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.
12Asi Jehovha ngaakupe kungwara nokuchenjera, akuraire pamusoro paIsiraeri; kuti saizvozvo uchengete murayiro waJehovha Mwari wako.
12Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao.
13Nokudaro uchafambiswa zvakanaka, kana uchichenjera kuita mitemo nezvakatongwa, zvakarairwa Mozisi naJehovha pamusoro paIsiraeri; simba, utsunge moyo; usatya kana kuvhunduswa.
13Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.
14Zvino tarira, ndakatambura ndichigadzirira imba yaJehovha matarenda ane zviuru zvine zana zvendarama, namatarenda ane chiuru chezviuru esirivha; nendarira namatare zvisina kuidzwa, nekuti zvakawanda kwazvo; ndakagadzirawo matanda namabwe; newe ungawedzera hako pazviri.
14Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.
15Uye vabati unavo vazhinji, vaputsi navavezi vamabwe namatanda, navarume vose vakangwara pamabasa ose;
15Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra.
16nendarama, nesirivha, nendarira, namatare hazvingaverengwi; simuka, ubate Jehovha ave newe,
16Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
17Dhavhidhi akarairawo machinda ose aIsiraeri kuti vabatsire Soromoni mwanakomana wake, akati,
17Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely hanampy an'i Solomona zanany hoe:
18Ko Jehovha Mwari wenyu haazi nemwi here? Haana kukuzorodzai kumativi ose here? Nekuti akaisa vanhu vagere panyika iyi muruoko rwangu; zvino nyika yakundwa pamberi paJehovha napamberi pavanhu vake.
18Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny olony.Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.
19Zvino shingairai nemoyo yenyu uye nemweya yenyu kutsvaka Jehovha Mwari wenyu; naizvozvo simukai muvake imba tsvene yaJehovha Mwari, kuti mugoisa areka yesungano yaJehovha nenhumbi tsvene dzaMwari muimba inofanira kuvakirwa zita raJehovha.
19Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.