1Pauro wakadamwa kuva muapositori waJesu Kristu kubudikidza nechido chaMwari, naSositenesi hama,
1[Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
2kukereke yaMwari iri paKorinde, kune vakaitwa vatsvene muna Jesu Kristu, vakadamwa kuva vatsvene, pamwe nevose vanodana panzvimbo dzose kuzita raIshe wedu Kristu Jesu, zvose wavo newedu:
2mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
3Nyasha kwamuri nerugare runobva kuna Mwari baba vedu naIshe Jesu Kristu.
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4Ndinovonga Mwari wangu nguva dzose nekuda kwenyu, nekuda kwenyasha dzaMwari dzamakapiwa muna Kristu Jesu;
4Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy,
5kuti pachinhu chose makafumiswa maari, pakutaura kose neparuzivo rwose,
5dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
6sezvo uchapupu hwaKristu hwakasimbiswa mamuri;
6araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo,
7kuti hamusariri pane chimwe chipo, muchimirira kuratidzwa kwaIshe wedu Jesu Kristu,
7ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
8uchakusimbisaiwo kusvikira pakuguma, musina mhosva pazuva raIshe wedu Jesu Kristu.
8Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9Mwari wakatendeka, wamakadamwa kubudikidza naye mukudyidzana kweMwanakomana wake Jesu Kristu Ishe wedu.
9Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
10Zvino ndinokukumbirisai, hama, nezita raIshe wedu Jesu Kristu, kuti mose mutaure chinhu chimwe, uye pasava nekupatsanurana pakati penyu; asi kuti mubatanidzwe pamwe zvakazara pamurangariro umwe nemaonero mamwe.
10[Anatra noho ny fifampiandanian'ny fiangonana tao Korinto, sy filazana ny amin'ny nitorian'Paoly ny filazantsara] Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
11Nekuti ndakanyatsoudzwa pamusoro penyu, hama dzangu, nevekwaKirowa, kuti kune makakava pakati penyu.
11Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
12Zvino ndinoreva izvi, kuti umwe neumwe wenyu unoti: Ini ndiri waPauro, asi ini waAporo, asi ini waKefasi, asi ini waKristu.
12Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.
13Kristu wakapatsanurwa here? Ko Pauro wakarovererwa pamuchunjikwa imwi here? Kana makabhabhatidzwa muzita raPauro here?
13Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
14Ndinovonga Mwari kuti handina kubhabhatidza mumwe wenyu, kunze kwaKrispo naGayo;
14Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
15kuti kurege kuva neungati ndakabhabhatidza muzita rangu ndomene.
15fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo.
16Uye ndakabhabhatidzawo imba yaStefana; kunze kwaivava handizivi kana ndakabhabhatidza umwe.
16Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
17Nekuti Kristu wakandituma kwete kuzobhabhatidza, asi kuti ndiparidze evhangeri; kwete nenjere dzemashoko, kuti zvimwe muchinjikwa waKrsitu ushaiswe maturo.
17Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.
18Nekuti shoko remuchinjikwa kuna vanoparadzwa upenzi; asi kwatiri isu vanoponeswa isimba raMwari.
18Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
19Nekuti kwakanyorwa kuchinzi: Ndichaparadza njere dzevakachenjera, Ndichashaisa maturo kunzwisisa kwevazivi.
19Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa. 29. 14).
20Uripi wakachenjera? Uripi munyori? Uripi mukakavari wenyika ino? Mwari haana kuita uchenjeri hwenyika ino upenzi here?
20Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?
21Nekuti muuchenjeri hwaMwari, nyika kubudikidza neuchenjeri hwayo haina kuziva Mwari, zvakafadza Mwari kubudikidza neupenzi hwekuparidza kuponesa vanotenda.
21Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; [ Na: Fa noho ny fahendren'Andriamanitra]
22Nekuti vaJudha vanokumbira chiratidzo, nevaGiriki vanotsvaka uchenjeri;
22fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, [ Gr. Grika]
23asi isu tinoparidza Kristu wakarovererwa pamuchinjikwa, kuvaJudha chigumbuso, nekuvaGiriki upenzi;
23fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa, [ Gr. Grika]
24asi kune vakadamwa, vose vaJudha navaGiriki, Kristu isimba raMwari nenjere dzaMwari;
24fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra. [ Gr. Grika]
25Nekuti upenzi hwaMwari hwakachenjera kupfuura vanhu, neutera hwaMwari hwakasimba kupfuura vanhu.
25Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.
26Nekuti tarirai kudanwa kwenyu, hama, kuti havazi vazhinji vakachenjera panyama, havazi vazhinji vane simba, havazi vazhinji vanokudzwa;
26Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
27asi Mwari wakatsaura zvinhu zveupenzi zvenyika, kuti anyadzise vakachenjera; uye Mwari wakatsaura zvinhu zvisina simba zvenyika, kuti anyadzise izvo zvine simba;
27fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
28Nezvinhu zvepasi zvenyika nezvinhu zvinoshorwa Mwari wakasarudza, nezvinhu zvisipo, kuti ashaise zvinhu zviripo maturo;
28ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29kuti kurege kuva nenyama ingazvikudza pamberi pake.
29mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.
30Asi kwaari imwi muri muna Kristu Jesu, iye wakaitirwa isu uchenjeri hwunobva kuna Mwari, nekururama, nekuitwa vatsvene, nerudzikinuro.
30Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).
31Kuti maererano sezvazvakanyorwa zvichinzi: Uyo unozvikudza, ngaazvikudze muna Ishe.
31mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).