1Zvino negore regumi namasere ramambo Jerobhoamu mwanakomana waNebhati, Abhija wakatanga kubata ushe hwaJudha.
1[Ny nanjakan'i Abia sy Asa tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.
2Akabata ushe paJerusaremu makore matatu; zita ramai vake rakanga riri Maaka, mukunda waAbhusaromi.
2Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
3Iye akafamba pazvivi zvose zvababa vake, zvavakamutangira kuita; moyo wake wakange usina kururama kwazvo kuna Jehovha Mwari wake, somoyo waDhavhidhi baba vake.
3Ary nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
4Kunyange zvakadaro nokuda kwaDhavhidhi, Jehovha Mwari wake akamupa mwenje paJerusaremu, akamumutsira mwanakomana wake shure kwake, asimbise Jerusaremu;
4Nefa noho ny amin'i Davida dia nomen'i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an'i Jerosalema Izy,
5nekuti Dhavhidk waiita zvakarurama pamberi paJehovha, haana kutsauka pachinhu chimwe chaakamuraira mazuva ose oupenyu hwake, asi pamhaka yaUriya muHiti chete.
5satria Davida nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin'i Oria Hetita ihany.
6Kurwa kwakanga kuripo pakati paRehobhoamu naJerobhoamu mazuva ose oupenyu hwake.
6Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany.
7Zvino mamwe mabasa aAbhija, nezvose zvaakaita hazvina kunyorwa here mubhuku raMakoronike amadzimambo aJudha? Kurwa kwakanga kuripo pakati paAbhija naJerobhoamu.
7Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ? Ary niady Abia sy Jeroboama
8Abhija akavata namadzibaba ake, vakamuviga muguta raDhavhidhi; Asa mwanakomana wake akamutevera paushe.
8Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
9Negore ramakumi maviri raJerobhoamu mambo waIsiraeri, Asa wakatanga kubata ushe paJudha.
9Ary tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Asa tamin'ny Joda.
10Akabata ushe paJerusaremu makore makumi mana nerimwe, zita ramai vake rakanga riri Maaka mukunda waAbhusaromi.
10Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
11Asa akaita zvakarurama pamberi paJehovha, sezvakaita Dhavhidhi baba vake.
11Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah toy ny nataon'i Davida rainy.
12Akabvisa vaSodhomi panyika, akabvisawo zvifananidzo zvose zvakaitwa namadzibaba ake.
12Fa nesoriny tamin'ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
13Akabvisawo Maaka mai vake pauhosi hwavo, nekuti vakanga vaitira matanda okunamata nawo chifananidzo chinonyangadza; Asa akaparadza chifananidzo chavo, akachipisa parukova Kidhironi.
13Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
14Asi matunhu akakwirira haana kubviswa; kunyange zvakadaro moyo waAsa wakange wakarurama kwazvo kuna Jehovha mazuva ake ose.
14Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason'i Jehovah ny fon'i Asa tamin'ny andro rehetra niainany.
15Akaisa mumba maJehovha nhumbi dzakanga dzatsaurwa nababa vake, nenhumbi dzaakanga atsaura iye amene, sirivha, nendarama, nemidziyo.
15Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
16Zvino kurwa kwakanga kuripo pakati paAsa naBhaasha mambo waIsiraeri mazuva avo ose.
16Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
17Bhaasha mambo waIsiraeri akakwira kundorwa naJudha, akavaka Rama, kuti arege kutendera munhu kubuda kana kupinda kuna Asa mambo waJudha.
17Ary Basa, mpanjakan'ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
18Ipapo Asa akatora sirivha yose nendarama zvakanga zvasara pafuma yeimba yaJehovha, napafuma yeimba yamambo, akazvipa mumaoko avaranda vake, mambo Asa akazvitumira kuna Bhenihadhadhi mwanakomana waTabhirimoni, mwanakomana waHeZiyoni, mambo weSiria wakange agere Dhamasiko, akati,
18Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan'ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin'i Beni-hadada, zanak'i Tabrimona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
19Sungano iripo pakati pangu nemi, pakati pababa vangu nababa venyu;tarirai ndinokutumirai chipo chesirivha nendarama, endai muputse sungano yenyu naBhaasha mambo waIsiraeri, abve kwandiri.
19Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.
20Bhenihadhadhi akateerera mambo Asa, akatuma vehondo dzake kundorwa namaguta aIsiraeri, akakunda Ijoni, neDhani, neAbheribhetimaaka, neKineroti rose, nenyika yose yaNafitari.
20Ary Beni-hadada nihaino an'i Asa mpanjaka ka naniraka komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely, ary namely an'Iona sy Dana sy Abelabeti-maka ary Kinerota rehetra mbamin'ny tanin'ny Naftaly rehetra izy.
21Zvino Bhaasha wakati achizvinzwa, akarega kuvaka Rama, akandogara Tiriza.
21Ary rehefa ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
22Ipapo mambo Asa akakoka vaJudha vose, hakuna wakadarikwa, vakandotora mabwe eRama, namatanda aro, zvaakanga achivaka nazvo iye Bhaasha; mambo Asa akavaka nazvo Ghebha rokwaBhenjamini neMizipa.
22Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa; ary nentin'i Asa mpanjaka nanamboatra an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
23Zvino mamwe mabasa ose aAsa, nesimba rake rose, nezvose zvaakaita, namaguta aakavaka, hazvina kunyorwa here mubhuku yaMakoronike amadzibaba aJudha? Asi panguva yokukwegura kwake wakange achinzwa makumbo.
23Ary ny tantaran'i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin'izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? Nefa kosa tamin'ny andro fahanterany dia narary tamin'ny tongony izy.
24Asa akavata namadzibaba ake, akavigwa kunamadzibaba ake paguta raDhavhidhi baba vake; Josafati mwanakomana wake, akamutevera paushe.
24Ary lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
25Zvino Nadhabhi mwanakomana waJerobhoamu, wakatanga kubata ushe hwaIsiraeri negore rechipiri raAsa mambo waJudha, akabata ushe hwaIsiraeri makore maviri.
25[Ny nanjahan'i Nadaba sy Basa sy Elaha sy Zimry ary Omry tamin'ny Isiraely] Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
26Akaita zvakaipa pamberi paJehovha, akafamba nenzira yababa vake, nomuzvivi zvake zvaakatadzisa Isiraeri nazvo.
26Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
27Ipapo Bhaasha mwanakomana waAhija, weimba yaIsakari, akamumukira, Bhaasha akamuuraya paGibhetoni raiva ravaFirisitia; nekuti Nadhabhi navaIsiraeri vose vakanga vakomba Gibhetoni.
27Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay).
28Bhaasha akamuuraya negore retatu raAsa mambo waJudha, akamutevera paushe.
28Ary Basa nahafaty azy tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
29Zvino wakati achangogara ushe, akauraya vose veimba yaJerobhoamu; haana kusiira Jerobhoamu mumwe wakange achafema, kusvikira amuparadza, sezvazvakarehwa naJehovha nomuromo womuranda wake Ahija muShiro;
29Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an'i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony,
30nokuda kwezvivi zvaJerobhoamu, zvaakaita iye, nezvaakatadzisa Isiraeri nazvo, nokuda kokutambudza kwaakatambudza Jehovha Mwari waIsiraeri nako.
30noho ny fahotana nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin'izay nataony nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
31Zvino mamwe mabasa aNadhabhi, nezvose zvaakaita, hazvina kunyorwa here mubhuku yaMakoronike amadzimambo alsiraeri?
31Ary ny tantaran'i Nadaba sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
32Kurwa kwakanga kuripo nguva dzose pakati paAsa naBhaasha mambo waIsiraeri.
32Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
33Negore rechitatu raAsa mambo waJudha, Bhaasha mwanakomana waAhija, wakatanga kubata ushe hwevaIsiraeri vose paTiriza, akabata makore makumi maviri namana.
33Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Basa, zanak'i Ahia, tamin'ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
34Akaita zvakaipa pamberi paJehovha, akafamba nenzira yaJerobhoamu, nomuzvivi zvake, zvaakatadzisa Isiraeri nazvo.
34Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.