Shona

Malagasy

1 Kings

9

1Zvino Soromoni wakati apedza kuvaka imba yaJehovha, neimba yamambo, nezvose Soromoni zvaakanga achida kuita,
1[Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Ary rehefa vitan'i Solomona ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,
2Jehovha akazviratidza kuna Soromoni rwechipiri, sezvaakazviratidza kwaari paGibhiyoni.
2dia niseho tamin'i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
3Jehovha akati kwaari, Ndakanzwa kunyengetera kwako nokukumbira kwako kwawakaita pamberi pangu; ndakatsaura imba iyi yawakavaka, kuti ndiise zita rangupo nokusingaperi; meso angu nomoyo wangu zvichavapo nguva dzose.
3Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
4Kana uriwe, kana ukafamba pamberi pangu sababa vako Dhavhidhi nomoyo usinganyengeri, nokururama, ukaita zvose zvandakakuraira ukachengeta zvandatema nezvandatonga,
4Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao tamin'ny fahitsian'ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
5ipapo ini ndichasimbisa chigaro chako choushe pakati paIsiraeri nokusingaperi, sezvandakapikira baba vako Dhavhidhi, ndichiti, Haungashaiwi munhu uchagara pachigaro choushe chaIsiraeri,
5dia hampitoeriko mandrakizay amin'ny Isiraely ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
6Asi kana mukatsauka pakunditevera, imwi kana vana venyu, mukasachengeta mirairo yangu nezvandatema zvandakaisa pamberi penyu, asi mukandoshumira vamwe vamwari, mukanamata kwavari;
6Fa raha miala amin'ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany,
7ipapo ndichaparadza Isiraeri panyika yandakavapa; neimba iyi yandakatsaurira zita rangu, ndichairashira kure ndirege kuiona, vaIsiraeri vachava shumo nechiseko pakati pavanhu vose;
7dia hofongorako tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an'ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin'ny firenena rehetra;
8uye imba iyi kunyange yakakwirira ikadai, vose vanopfuura nayo vachakanuka nokuridza muridzo, vachiti, Jehovha wakaitireiko kudai nenyika ino uye neimba ino?
8ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan'izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
9Vachapindura, vachiti, nekuti vakasiya Jehovha Mwari wavo, wakange abudisa madzibaba avo munyika yeEgipita, vakanamatira vamwe vamwari, vakanamata kwavari, nokuvashumira; saka Jehovha wakavapinza panjodzi idzi dzose.
9Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ary nikikitra tamin'andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran'i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.
10Makore ana makumi maviri akati apera, Soromoni aakavaka nawo dzimba idzi mbiri, iyo imba yaJehovha neimba yamambo;
10[Ny amin'ny mpiasan'i Solomona sy ny zavatra nentiny nanao ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan'i Solomona ny trano roa, dia ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka
11(zvino Hiramu mambo weTire wakange atsvakira Soromoni misidhari; nemisipiresi, nendarama, nezvose zvaakanga achida), mambo Soromoni akapa Hiramu maguta ana makumi maviri panyika yeGarire.
11(Hirama, mpanjakan'i Tyro, nanome an'i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen'i Solomona tanàna roa-polo tany amin'ny tany Galilia kosa Hirama.
12Hiramu akabva Tire kuzoona maguta aakanga apiwa naSoromoni, asi haana kumufadza.
12Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen'i Solomona azy, ka tsy tiany ireny.
13Akati, Maguta kunyiko awa awandipa, hama yangu? Akatumidza nyika yeKabhuri kusvikira zuva ranhasi.
13Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany.
14Hiramu akatumira mambo matarenda endarama ane zana namakumi maviri.
14Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an'ny mpanjaka.
15Zvino ndiro shoko rechibharo chakarairwa namambo Soromoni, kuzovaka imba yaJehovha, neimba yake, neMiro, norusvingo rweJerusaremu, neHazori, neMegidho, neGezeri.
15Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin'i Solomona mpanjaka ny olona, tamin'ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary Milo sy ny màndan'i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera [Heb. fiarovana]
16Farao mambo weEgipita wakange andokunda Gezeri, akaripisa nomoto, akauraya vaKanani vakanga vagere muguta, akaripa mukunda wake, mukadzi waSoromoni.
16(fa Farao, mpanjakan'i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an'i Gazera ka nandoro azy tamin'ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an'ny zananivavy, vadin'i Solomona),
17Soromoni akavaka Gezeri, neBhe- tihoroni rezasi,
17ary, Solomona nanamboatra an'i Gazera sy Beti-horona ambany
18naBharati, neTamari, murenje munyika iyo,
18sy Baleta sy Tadmora any an-efitra, amin'ny tany Samata,
19namaguta ose amatura aSoromoni, namaguta engoro dzake, namaguta avatasvi vamabhiza ake, nezvose Soromoni zvaaida kuzvivakira paJerusaremu, napaRebhanoni, napanyika yose yakanga yakabatwa naye.
19ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan'i Solomona sy ny tanàna fitoeran'ny kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
20Kuvanhu vose vakanga vasara vavaAmori, navaHeti, navaPerezi, navaHivhi navaJebhusi, vakanga vasi vana vaIsiraeri;
20Ary ny olona sisa rehetra tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely,
21navana vavo vakanga vasara panyika shure kwavo, ivo vana vaIsiraeri vakanga vasingagoni kuvaparadza chose kuna ivavo Soromoni wakaraira chibharo chavaranda kusvikira nhasi.
21dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny tany, izay tsy azon'ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.[Heb. natao herema]
22Asi Soromoni haana kuita varanda pakati pavana vaIsiraeri, asi ivo vaiva varwi vake, navabatiri vake, namachinda ake, navakuru vake, navarairi vengoro dzake, navatasvi vamabhiza ake.
22Fa ny Zanak'Isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
23Ndivo vaiva vatariri vakuru vamabasa aSoromoni, vaiva namazana mashanu namakumi mashanu, vairairira vanhu vaibata basa.
23Izao no isan'ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan'i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa.
24Zvino mukunda waFarao wakabva kuguta raDhavhidhi, akaenda kuimba yake, yaakanga avakirwa naSoromoni; ipapo akavaka Miro.
24Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan'i Davida ny zanakavavin'i Farao hankany amin'ny tranony izay nataon'i Solomona ho azy, dia nanao an'i Milo koa izy.[Heb. fiarovana]
25Katatu pagore Soromoni waibayira zvipiriso zvinopiswa nezvipiriso zvokuyananisa pamusoro pearitari yaakanga avakira Jehovha, akapisa zvinonhuhwira pamwechete nazvo paaritari yakanga iri pamberi paJehovha. Naizvozvo akapedza imba.
25Ary intelo isan-taona no nanateran'i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin'ny alitara teo anatrehan'i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.
26Mambo Soromoni wakavakawo zvikepe zvizhinji paEZiyonigebheri, pedo neEroti, pamahombekombe eGungwa Dzvuku, panyika yaEdhomu.
26Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan'i Elota, ao amoron'ny Ranomasina Mena, amin'ny tany Edoma.
27Hiramu akatuma nezvikepe izvo varanda vake, vaiva vafambisi vezvikepe vaiziva gungwa kwazvo, pamwechete navaranda vaSoromoni.
27Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin'ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin'ny vahoakan'i Solomona.Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
28Vakasvika Ofiri, vakatorapo ndarama yakasvika matarenda ana mazana mana namakumi maviri vakauya nayo kuna mambo Soromoni.
28Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.