1Petro, muapositori waJesu Kristu, kuvapfuuri vakasanangurwa vakapararira paPonto, Garatia, Kapadhokia, Asia, neBhitinia,
1[Fiarahabana, sy filazana ny amin'ny fahatsaran'ny fanavotana] Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
2nekuziva zviri mberi kwaMwari Baba kubudikidza nekuita vatsvene kweMweya, kusvika pakuteerera nekusasa kweropa raJesu Kristu: Nyasha kwamuri nerugare ngazviwanzwe.
2araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3Wakaropafadzwa Mwari naBaba vaIshe wedu, Jesu Kristu, iye zvichienderana nekuwanda kwetsitsi dzake wakatiberekazve patariro mhenyu inovuya nekumuka kwaJesu Kristu kuvakafa,
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
4panhaka isingaori neisina kusvibiswa, uye isingabvuruvari yakachengeterwa imwi kumatenga,
4ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5imwi munochengetwa nesimba raMwari kubudikidza nerutendo kuruponeso rwakagadzirirwa kuratidzwa panguva yekupedzisira.
5izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
6Iyo yamunofara mairi zvikuru, kunyange zvino kwechinguvana, kana zvichifanira, muri pakushungurudzwa nemiidzo yakasiyana siyana,
6Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7kuti kuidzwa kwerutendo rwenyu kunokosha zvikuru kupfuura kwendarama inoparara, kunyange ichiidzwa nemoto, kuwanikwe mukurumbidzwa, nekukudzwa, nekubwinya pakuonekwa kwaJesu Kristu;
7mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
8iye musina kumuona munomuda; maari kunyange zvino musingamuoni asi muchitenda, munofara nemufaro usingatauriki uzere nerumbidzo,
8Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
9muchigamuchira chivavarirwa cherutendo rwenyu, ruponeso rwemweya yenyu.
9mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10Ndirwo ruponeso vaporofita rwavakabvunzisisa nekunzvera ivo vakaporofita zvenyasha dzinouya kwamuri;
10Ny amin'izany famonjena izany dia notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
11vachinzvera kuti inguva ipi kana yakadini Mweya waKristu wakange uri mavari yawakaratidza, paakagara apupura matambudziko aKristu, nekubwinya shure kweizvozvi.
11eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
12Kwavari kwakaratidzwa kuti kwete kwavari asi kwatiri vakashumira zvinhu izvi zvinorondedzerwa ikozvino kwamuri naivo vakaparidza evhangeri kwamuri neMweya Mutsvene wakatumwa pasi kubva kudenga, zvinhu izvo vatumwa zvavanoshuva kudongorera.
12Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.
13Naizvozvo masunga zviuno zvendangarairo dzenyu, svinurai, mutaririre nemoyo wose kunyasha dzinouyiswa kwamuri pakuratidzwa kwaKristu pakuratidzwa kwaJesu Kristu;
13[Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
14sevana vanoteerera, musingazvifananidzi mafambiro enyu nekuchiva kwakare pakusaziva kwenyu,
14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo;
15asi saiye wakakudanai ari mutsvene, nemwiwo ivai vatsvene pamafambiro ose;
15fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra,
16Nekuti kwakanyorwa, kuchinzi: Ivai vatsvene, nekuti ini ndiri mutsvene.
16satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44).
17Zvino kana muchimuidza Baba, iye pasina rusarura, unotonga umwe neumwe maererano nebasa rake, rasai nguva yeutorwa hwenyu mukutya;
17Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ;
18muchiziva kuti hamuna kudzikinurwa nezvinoora, sirivheri kana ndarama, pamafambiro enyu asina maturo, wamakagamuchira kumadzibaba enyu;
18fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
19asi neropa rinokosha raKristu, seregwayana risina charinopomerwa, uye risina gwapa;
19fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20iye zvorokwazvo wakagara agadzwa nyika isati yavambwa, asi wakaratidzwa pakupedzisira kwenguva nekuda kwenyu,
20Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
21iye wamunotenda naye muna Mwari wakamumutsa kuvakafa, akamupa rukudzo; kuti rutendo rwenyu netariro zvive muna Mwari.
21Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
22Zvamakachenesa mweya yenyu mukuteerera chokwadi kubudikidza nemweya nemukuda hama nekusanyengera, dananai zvikuru nemoyo wose;
22Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo; [ Na:(amin'ny fo madio)]
23makaberekwa kutsva kwete zvichibva pambeu inoora, asi zvichibva kune isingaori, neshoko raMwari rinorarama nekugara nekusingaperi.
23fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
24Nekuti nyama yose yakaita seuswa, neukuru hwose hwemunhu seruva reuswa. Uswa hwunosvava, neruva rahwo rinodonha;
24Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.
25Asi shoko raIshe rinogara nekusingaperi. Ndireri shoko rakaparidzirwa kwamuri neevhangeri.
25Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.