1Zvino Nahashi muAmoni wakakwira akavaka misasa yake paJabheshigiriyadi kuzorwa naro; zvino varume vose veJabheshi vakati kuna Nahashi, Itai sungano nesu tikushumirei.
1[Ny nandresen'i Saoly ny Amonita, sy ny nanavaozana ny fanjakana] Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
2Nahashi muAmoni akati kwavari, Ndichatenda kuita sungano nemwi kana meso enyu ose orudyi achitumburwa, kuti ndinyadze vaIsiraeri vose nazvo.
2Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
3Vakuru veJabheshi vakati kwaari, Titenderei mazuva manomwe, titume nhume kunyika yose yaIsiraeri, zvino kana pasina ungatiponesa, tichabuda kwauri.
3Fa hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
4Zvino nhume dzikasvika paGibhiya, kwaSauro, dzikataura mashoko iwayo kuvanhu; vanhu vose vakachema kwazvo.
4Dia tonga tany Gibean'i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
5Zvino Sauro wakabva kumunda achitinha mombe dzake; Sauro akati, Vanhu vanonzweiko zvavanochema kudai? Akaudzwa mashoko avarume veJabheshi.
5Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.
6Ipapo Mweya waMwari wakauya pamusoro paSauro nesimba, achinzwa mashoko iwayo, kutsamwa kwake kukamutswa kwazvo.
6Dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i Saoly, raha nandre izany teny izany.
7Akatora nzombe mbiri, akadziguranya ndokutuma nhindi idzo kunyika yose yaIsiraeri namaoko enhume, akati, Ani nani unoramba kubuda nokutevera Sauro naSamueri, uchaitirwa nzombe dzake saizvozvo. Zvino kutya, kwakabva kuna Jehovha, kwakabata vanhu, vakabuda vose-vose.
7Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
8Iye akavaverenga paBhezeki; vana vaIsiraeri vakasvika zviuru zvina mazana matatu, navarume vaJudha zviuru zvina makumi matatu.
8Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely, ary telo alina no isan'ny lehilahy amin'ny Joda.
9Vakati kunhume dzakauya, Udzai varume veJabheshigiriyadi, muti, Mangwana kana zuva ropisa, mucharwirwa. Nhume dzikaenda, dzikaudza varume veJabheshi, ivo vakafara.
9Ary hoy izy tamin'ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin'ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin'ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.
10Naizvozvo varume veJabheshi vakati, Mangwana tichabuda kwamuri, mutiitire henyu sezvamunoda.
10Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.
11Fume mangwana Sauro akagadzira vanhu, akavaita mapoka matatu, vakapinda pakati pemisasa nenguva yamangwanani vakauraya vaAmoni kusvikira zuva ropisa; zvino vakasara vakaparadzirwa, hakuna kusara vaviri pamwechete.
11Ary nony maraina, dia nozarain'i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan'ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin'ny roa aza.
12Zvino vanhu vakati kuna Samueri, Ndianiko wakati, Sauro ungatibata ushe here? Hendei, tivauraye.
12Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.
13Sauro akati, Ngakurege kuurawa munhu mumwe nhasi, nekuti Jehovha wakarwira Isiraeri.
13Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan'i Jehovah famonjena teo amin'ny Isiraely.
14Zvino Samueri akati kuvanhu, Hendei Girigari, tinovandudza ushe ipapo.
14Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.
15Vanhu vose vakaenda Girigari, vakagadza Sauro ave mambo wavo pamberi paJehovha paGirigari, vakabayirapo zvibayiro zvezvipiriso zvokuyananisa pamberi paJehovha; Sauro navarume vose vaIsiraeri vakafara kwazvo ipapo.
15Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.