1Zvino Jehovha wakati kuna Samueri, Uchachema Sauro kusvikira rinhiko, zvandakamuramba ini, kuti arege kuva mambo waIsiraeri? Zadza gonamombe rako namafuta, uende, ndikutume kuna Jese muBheterehemu; nekuti ndakazvitsvakira mambo pakati pavana vake.
1[Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho.
2Samueri akati, Ndingaenda seiko? Kana Sauro akazvinzwa, uchandiuraya. Jehovha akati, Enda netsiru, uti, Ndauya kuzobayira Jehovha.
2Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho.
3Zvino udane Jese auye kuchibayiro, ini ndichakuzivisa zvaunofanira kuita, ugondizodzera wandichakuratidza.
3Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
4Samueri akaita zvakataurwa naJehovha, akaenda Bheterehemu. Vakuru veguta vakandosangana naye, vachibvunda, vakati, Mauya norugare here?
4Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
5Akati, Hongu, norugare; ndauya kuzobayira Jehovha, muzvinatsei, muende neni kundobayira. Ipapo akanatsa Jese navanakomana vake, akavadana kuchibayiro.
5Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.
6Zvino vakati vasvika, akatarira Eriabhu, akati, Zvirokwazvo, muzodzwa waJehovha uri pamberi pake.
6Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.
7Asi Jehovha wakati kuna Samueri, Usatarira chiso chake, kana mumhu wake, nekuti ndamuramba; nekuti Jehovha haawoni somunhu, nekuti munhu unotarira zviri pamberi pameso, asi Jehovha unotarira zviri pamoyo.
7Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
8Zvino Jese akadana Abhinadhabhu, akamupfuudza pamberi paSamueri. Akati, Kunyange nouyu Jehovha haana kumutsaura.
8Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
9Zvino Jese akapfuudza Shama. Akati, Nouyu Jehovha haana kumutsaura.
9Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.
10Jese akapfuudza vanomwe vavanakomana vake pamberi paSamueri. Samueri akati kuna Jese, Jehovha haana kutsaura ava.
10Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i Jehovah ireto.
11Zvino Samueri akati kuna Jese, Vana vako varipano vose here? Akati, Muduku kuna vose ndiye wasara; tarirai unorisa makwai. Samueri akati kuna Jese, Tuma munhu amutore, nekuti hatingagari pakudya kusvika iye auya pano.
11Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.
12Akatuma munhu, akapinda naye. Zvino wakange ari -mutsvuku, akanaka kumeso, ano muviri wakanaka. Jehovha akati, Simuka, umuzodze, nekuti ndiye.
12Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava]
13Ipapo Samueri akatora gonamombe ramafuta, akamuzodza pakati pehama dzake. Mweya waJehovha akauya pamusoro paDhavhidhi nesimba, kubva pazuva iro zvichienda mberi. Zvino Samueri akasimuka, akaenda Rama.
13Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.
14Zvino Mweya waJehovha wakange wabva kuna Sauro, mweya wetsvina wakange watumwa naJehovha, ukamuvhundusa.
14Fa ny Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah nampahatahotra azy.
15Varanda vaSauro vakati kwaari, Tarirai zvino, mweya wakaipa, wakatumwa naMwari, unokuvhundusai.
15Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra mampahatahotra anao.
16Zvino tenzi wedu ngaatiraire isu varanda venyu vari pamberi penyu, kuti titsvake munhu unoziva kuridza mbira kwazvo; zvino kana mweya wakaipa, unotumwa naMwari, uchiuya pamusoro penyu, iye aridze noruoko rwake, mupore.
16Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.
17Sauro akati kuvaranda vake, Chinditsvakirai munhu unogona kuridza zvakanaka, muuye naye kwandiri.
17Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento etỳ amiko.
18Zvino mumwe wamajaya akapindura, akati, Tarirai, ndakaona mwanakomana waJese muBheterehemu unoziva kuridza kwazvo, munhu ane simba noumhare, murwi, wakachenjera pakutaura, munhu wakanaka, uye Jehovha anaye.
18Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.
19Naizvozvo Sauro akatuma nhume kuna Jese, akati, Nditumire mwanakomana wako Dhavhidhi, ari kumakwai.
19Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatỳ amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
20Jese akatora mbongoro, akaitakudza chingwa, nedende rewaini, nembudzana, akazvituma kuna Sauro nomwanakomana wake Dhavhidhi.
20Ary Jese naka mofo tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo.
21Dhavhidhi akasvika kuna Sauro, akamira pamberi pake, iye akamuda kwazvo, akava mubati wenhumbi dzake dzokurwa.
21Ary Davida tonga tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany.
22Sauro akatuma shoko kuna Jese, akati, Tendera hako Dhavhidhi amire pamberi pangu, nekuti ndinomufarira kwazvo.
22Ary Saoly naniraka tany amin'i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy.Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.
23Zvino nguva dzose kana mweya wakaipa, wakatumwa naMwari, uchiuya pamusoro paSauro, Dhavhidhi ndokutora mbira, nokuridza noruoko rwake; Sauro akanyaradzwa, akapora, mweya wakaipa ndokubva kwaari.
23Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.