1Zvino Samueri wakati akwegura
1[Ny nangatahan'ny Isiraely mpanjaka] Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
2Zita romwana wake wedangwe rakanga riri Jowero, nezita rowechipiri Abhija; ivo vaiva vatongi paBheerishebha.
2Ary Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
3Asi vanakomana vake havana kufamba nenzira dzake, asi vakatsaukira kufuma yakaipa, vakagamuchira fufuro, nokusaruramisa pakutonga.
3Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
4Zvino vakuru vaIsiraeri vose vakaungana, vakauya kuna Samueri paRama,
4Ary ny loholon'ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin'i Samoela
5vakati kwaari, Tarirai, imwi makwegura, asi vanakomana venyu havafambi nenzira dzenyu, zvino tigadzirirei mambo ungatitonga, sezvinoitwa kundudzi dzose.
5ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
6Asi shoko iro harina kufadza Samueri, iro rokuti, Tipei mambo ungatitonga. Samueri akanyengetera kuna Jehovha.
6Fa tsy sitrak'i Samoela ny nanaovan'ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Samoela.
7Ipapo Jehovha akati kuna Samueri, Teerera hako zvose zvinotaura vanhu kwauri, nekuti havana kukuramba iwe, asi vakandiramba ini, kuti ndirege kuva mambo wavo.
7Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
8Zvose zvavakaita kubva zuva randakavakwidza ndichivabudisa paEgipita kusvikira nhasi, vachindirasha nokushumira vamwe vamwari, ndizvo zvavanokuitira iwewo.
8Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.
9Zvino teerera hako manzwi avo; asi uvapupurire kwazvo, uvazivise tsika dzamambo, uchavabata.
9Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
10Zvino Samueri akaudza vanhu vakanga vachikumbira mambo kwaari mashoko ose aJehovha.
10Dia nambaran'i Samoela tamin'ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain'i Jehovah.
11Akati, Tsika dzamambo, uchakubatai, ndidzo, Uchatora vanakomana venyu akavaisa pangoro dzake.
11Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny,
12Uchazvitsaurira vamwe vave vakuru vezviuru, navakuru vamakumi mashanu; ucharaira vamwe kumurimira minda yake, nokukohwa michero yake, nokumuitira nhumbi dzake dzokurwa nadzo, nenhumbi dzengoro dzake.
12ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
13Uchatora vanasikana venyu, vave vavhenganisi vezvinonhuhwira, navabiki vezvokudya, navabiki vechingwa.
13ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
14Uchatora minda yenyu neminda yenyu yemizambiringa, neminda yenyu yemiorivhi yakaisvonaka kukunda mimwe, achipa varanda vake.
14ary ny tsara indrindra amin'ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia halainy ka homeny ho an'ny mpanompony;
15Uchatora zvegumi zvembeu dzenyu nemazambiringa enyu, achipa varanda vake navabatiri vake.
15ary ny ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an'ny tandapany sy ny tandonany.[Heb. ionoka]
16Uchatora varanda venyu navarandakadzi venyu, namajaya enyu akaisvonaka kukunda vamwe vose, nembongoro dzenyu, achibatisa mabasa ake nazvo.
16Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
17Uchatora zvegumi zvamapoka enyu amakwai; nemwi muchava varanda vake.
17Ary halainy koa ny ampahafolon'ny ondry aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
18Nezuva iro muchachema kwazvo nokuda kwamambo wenyu wamunenge mazvitsaurira; asi Jehovha haangakupinduriyi nezuva iro.
18Ary hitaraina amin'izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany.
19Asi vanhu vakaramba kuteerera inzwi raSamueri, vakati, Kwete, tinoda hedu mambo ungatibata,
19Kanefa tsy nety nihaino ny tenin'i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
20kuti isuwo tifanane nedzimwe ndudzi; mambo wedu atitonge, atitungamirire, nokurwa pahondo dzedu.
20mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.
21Samueri akanzwa mashoko ose avanhu, akaarondedzera panzeve dzaJehovha.
21Ary ren'i Samoela ny teny rehetra nolazain'ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan'i Jehovah kosa.Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny tanànanareo avy ianareo rehetra.
22Zvino Jehovha akati kuna Samueri, Teerera hako manzwi avo, uvagadzirire mambo. Samueri akati kuvarume vaIsiraeri, Endai henyu, mumwe nomumwe kuguta rake.
22Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny tanànanareo avy ianareo rehetra.