1Zvino Rehobhoamu akati achisvika Jerusaremu, akaunganidza veimba yaJudha naBhenjamini, varume vakatsaurwa vaiva nezviuru zvine zana namakumi masere, vaigona kurwa, kuti varwe navaIsiraeri, kuti vadzosere ushezve kuna Rehobhoamu.
1[Ny nanjakan-dRehoboama] Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
2Asi shoko raJehovha rakasvika kuna Shemaya munhu waMwari, richiti,
2Kanjo kosa ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, ka nanao hoe:
3Taura naRehobhoamu mwanakomana waSoromoni, mambo waJudha, navaIsiraeri vose paJudha naBhenjamini, uti,
3Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina hoe:
4zvanzi naJehovha, Hamufaniri kukwira kundorwa nehama dzenyu; mumwe nomumwe ngaadzokere kumba kwake, nekuti chinhu ichi chinobva kwandiri. Naizvozvo vakateerera mashoko aJehovha, vakadzoka pakundorwa naJerobhoami.
4Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.
5Rehobhoamu akagara Jerusaremu, akavaka maguta enhare paJudha.
5Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.
6Akavaka Bheterehemu, neEtami, neTekoa,
6Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa
7neBhetizuri, neSoko, neAdhuramu,
7sy Beti-zora sy Soko sy Adolama
8neGati, neMaresha, neZifi,
8sy Gata sy Maresa sy Zifa
9neAdhoraimi, neRakishi, neAzeka,
9sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka
10neZora, neAijaroni, neHebhuroni, akanga ari maguta akakombwa paJudha neBhenjamini.
10sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.
11Akasimbisa nhare, akaisamo vakuru, nezvokudya zvakaunganidzwamo, namafuta, newaini.
11Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
12Muguta rimwe nerimwe akaisa nhovo namapfumo, akaasimbisa kwazvo kwazvo. Judha naBenjamini vakanga vari vake.
12Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.
13Navapristi navaRevhi, vaiva pakati palsiraeri yose, vakaungana kwaari, vachibva panyika yavo yose.
13Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.
14Nekuti vaRevhi vakabva pamafuro avo nefuma yavo, vakaenda kwaJudha neJerusaremu; nekuti Jerobhoami navanakomana vake vakavadzinga, kuti varege kubata basa roupristi pamberi paJehovha.
14Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,
15Iye akazvitsaurira vapristi vapamatunhu akakwirira, navezvifananidzo zvenhongo dzembudzi, navemhuru dzaakaita.
15fa nanendry mpisorona ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny Seïrima ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony). [Heb. osilahy; anaran'andriamani-tsi-izy]
16Zvino vose pakati pamarudzi ose avaIsiraeri, vakanga vachitsvaka Jehovha nomoyo wose, vakavatevera, vakaenda Jerusaremu kuzobayira Jehovha Mwari wamadzibaba avo.
16Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
17Saizvozvo vakasimbisa ushe hwaJudha, vakasimbisa Rehobhoamu mwanakomana waSoromoni, makore matatu; nekuti vakafamba panzira yaDhavhidhi naSoromoni makore matatu.
17Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona izy.
18Rehobhoamu akawana mukadzi, Maharati mukunda waJerimoti mwanakomana waDhavhidhi, nowaAbhihairi mukunda waEriabhi mwanakomana waJese.
18Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,
19Iye akamuberekera vanakomana, vaiti: Jeushi, naShamaria, naZahami.
19izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.
20Pashure akawanawo Maaka mukunda waAbhusaromu; iye akamuberekera Abhija, naAtai, naZiza, naSheromiti.
20Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.
21Rehobhoamu akada Maaka mukunda waAbhusaromu kupfuura vakadzi vake vose navarongo vake; (nokuti akawana vakadzi vane gumi navasere navarongo vana makumi matanhatu, akabereka vanakomana vana makumi maviri navasere navanasikana makumi matanhatu.)
21Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).
22Rehobhoamu akagadza Abhija mwanakomana waMaaka ave mukuru nomuchinda pakati pavana vababa vake; nekuti akanga achida kumuita mambo.
22Ary Abia, zanakalahin'Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.
23Akaita nokungwara, akaparadzira vanakomana vake vose panyika dzose dzaJudha naBhenjamini kumaguta ose enhare; akavapa zvokudya zvakawanda. Akavatsvakirawo vakadzi vazhinji.
23Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.