1Zvino Jehoshafati akavata namadzibaba ake, akavigwa namadzibaba ake muguta raDhavhidhi; Jehoramu mwanakomana wake akamutevera paushe.
1[Ny nahafatesan'i Josafata sy ny nanjakan'i Jehorama zanany] Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
2Iye akanga ana vanin'ina, vaiva vanakomana vaJehoshafati, vaiti: Azaria, naJehieri, naZekariya, naAzaria, naMikaeri, naShefatia; ava vose vaiva vanakomana vaJehoshafati mambo waIsiraeri.
2Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely.
3Baba vavo vakavapa zvipo zvikuru zvesirivha, nendarama, nezvinhu zvinokosha, pamwechete namaguta akakombwa paJudha; asi ushe wakahupa Jehoramu, nekuti iye akanga ari wedangwe.
3Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4Zvino Jehoramu akati apinda paushe hwababa vake, ndokuzvisimbisa, akauraya vanin'ina vake vose nomunondo, navamwewo vamachinda aIsiraeri.
4Ary raha vao nanjaka tamin'ny fanjakan'ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin'ny mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny sabatra.
5Jehoramu akanga asvika makore makumi matatu namaviri pakutanga kwake kubata ushe; akabata ushe paJerusaremu makore masere.
5Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
6Akafamba nenzira yamadzimambo alsiraeri, sezvakaita imba yaAhabhi; nekuti mukunda waAhabhi akanga ari mukadzi wake; akaita zvakaipa pamberi paJehovha.
6Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba fa zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
7Kunyange zvakadaro Jehovha akanga asingadi kuparadza imba yaDhavhidhi, nokuda kwesungano yaakanga aita naDhavhidhi, uye nekuti akanga amupikira kuti achamupa mwenje iye navana vake nguva dzose.
7Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany.
8Zvino namazuva ake vaEdhomu vakamukira vaJudha, vakazviitira mambo wavo.
8Tamin'ny andron'i Jehorama no niodinan'ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
9Ipapo Jehoramu akaenda navakuru vake, ane ngoro dzake dzose naye; akamuka usiku, akaparadza vaEdhomu vakanga vakamukomba navakuru vengoro.
9Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy.
10Naizvozvo vaEdhomu vakamukira vaJudha, kusvikira zuva ranhasi. Ipapo veRibhinawo vakamumukira nenguva iyo; nekuti akanga arasha Jehovha, Mwari wamadzibaba ake.
10Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin'izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an'i Jehorama, satria efa nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
11Akaitawo matunhu akakwirira pamakomo aJudha, akapatisa vagere Jerusaremu, nokutsausa vaJudha.
11Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr'i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
12Ipapo tsamba yakabva kumuporofita Eria, ikasvika kwaari, ichiti, Zvanzi naJehovha Mwari wababa vako Dhavhidhi, Zvausina kufamba nenzira dzababa vako Jehoshafati, kana nenzira dzaAsa mambo waJudha;
12Ary nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin'ny lalan'i Josafata rainao, na ny lalan'i Asa, mpanjakan'ny Joda,
13asi wakafamba nenzira dzamadzimambo aIsiraeri, ukapatisa Judha navagere Jerusaremu, sezvakaita imba yaAhabhi, ukaurayawo vanin'ina vako vakanga vakanaka kupfuura iwe;
13fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan'ny taranak'i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
14zvino tarira, Jehovha acharova vanhu vako, navana vako, navakadzi vako, nezvinhu zvako zvose, nenjodzi yakaipa;
14dia, indro, hasian'i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin'ny biby fiompinao rehetra;
15iwe uchava nehosha yakaipa yomuura kusvikira ura hwako huchibuda kunze nemhaka yehosha iyo zuva rimwe nerimwe.
15ary ianao koa ho azon'ny aretina mafy, dia aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny tsinainao isan'andro isan'andro noho ny aretina.
16Zvino Jehovha akakurudzira mweya yavaFirisitia neyavaArabhia, vakanga vari kurutivi rwavaltiopia, kuzorwa naJehoramu;
16Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin'ny Etiopiana hamely an'i Jehorama;
17vakandorwa navaJudha, vakapinda nyika yavo nesimba, ndokutora nhumbi dzose dzavakawana mumba mamambo, navanakomana vake, navakadzi vake; naizvozvo haana kusarirwa nomwanakomana, kunyange nomumwe asi Jehoahazi, muduku wavanakomana vake vose.
17ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an'ny ankohonan'ny mpanjaka mbamin'ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
18Shure kwaizvozvo zvose Jehovha akamurova muura hwake nehosha isingagoni kurapwa.
18Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian'i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin'ny tsinainy izy.
19Zvino makore maviri akati apera, ura hwake hukabuda kunze nemhaka yourwere, akafa nehosha dzakaipa; vanhu vake vakasamupisira, sezvavakapisira madzibaba ake.
19Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany.Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
20Akanga asvika makore makumi matatu namaviri pakutanga kwake kubata ushe; akabata ushe paJerusaremu makore masere; akaenda hake asingadikamwi, vakamuviga paguta raDhavhidhi, asi havana kumuviga pamarinda amadzimambo.
20Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.