1Ipapo Soromoni akatanga kuvaka imba yaJehovha paJerusaremu pagomo reMoria, pakanga pazviratidza Jehovha kuna Dhavhidhi baba vake, akagadzira ipapo pakanga parairwa naDhavhidhi paburiro raOrinani muJebhusi.
1[Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
2Akatanga kuvaka pazuva repiri romwedzi wechipiri, negore rechina rokubata kwake ushe.
2Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.
3Zvino ndidzo nheyo dzakavambwa naSoromoni pakuvaka imba yaMwari; kureba kwayo, kana vachienzanisa namakubhiti akare, makubhiti ana makumi matanhatu, noupamhi makubhiti makumi maviri.
3Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
4berere, raiva pamberi peimba, kureba kwaro kwakanga kwakafanana noupamhi bweimba, makubhiti makumi maviri, nokukwirira kwaro makubhiti ane zana namakumi maviri, akaifukidza nechomukati nendarama yakaisvonaka.
4Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
5Akafukidza imba huru namatanda omusipiresi, akafukidzwa nendarama yakaisvonaka, akavezera pamusoro pawo muchindwe namaketani.
5Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. [palma]
6Akashongedza imba ukomba hwamabwe anokosha; ndarama yakanga iri ndarama yeParivhaimi.
6Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
7Akafukidzawo imba nendarama, namatanda ayo, nezvikumbaridzo zvayo, namadziro ayo, namagonhi ayo; akavezera makerubhi pamadziro.
7Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.
8Akavakawo imba tsvene-tsvene; kureba kwayo kwakanga kwakafanana nohupamhi bweimba, makubhiti ana makumi maviri, noupamhi hwayo makubhiti ana makumi maviri; akaifukidza nendarama yakaisvonaka yakasvika matarenda* mazana matanhatu.
8Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
9Kurema kwembambo kwakasvika mashekeri endarama ana makumi mashanu. Akafukidza makamuri okumusoro nendarama.
9Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
10Paimba tsvene-tsvene akaita makerubhi maviri zviri zvifananidzo zvakavezwa; akaafukidza nendarama.
10Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
11Mapapiro amakerubhi akasvika makubhiti ana makumi maviri pakureba kwawo; bapiro rerimwe rakanga rina makubhiti mashanu, richisvika kumadziro eimba; nerimwe bapirowo rakanga rina makubhiti mashanu, richisvika kubapiro rerimwe kerubhi.
11Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;
12Nebapiro rerimwe kerubhi rakanga rina makubhiti mashanu, richisvika kumadziro eimba; nerimwe bapirowo rakanga rina makubhiti mashanu, richibatana nebapiro rerimwe kerubhi.
12ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.
13Mapapiro amakerubhi awa akanga akatambanudzwa, akasvika makubhiti makumi maviri; akanga amire namakumbo awo, zviso zvawo zvakaringira kumba.
13Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
14Akaitawo chidzitiro nezvakarukwa zvitema, nezvishava, nezvitsvuku, nomucheka wakaisvonaka-naka; akasonerapo makerubhi.
14Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.
15Akaitawo pamberi peimba mbiru mbiri; kukwirira kwadzo kwakasvika makubhiti ana makumi matatu namashanu, nomusoro wakange uri pamusoro peimwe neimwe wakasvika makubhiti mashanu.
15Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
16Akaitawo maketani panzvimbo tsvene, akaaisa pamisoro yembiru; akaita matamba ane zana, akaaisa pamaketani.
16Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
17Akamisa mbiru mbiri pamberi petemberi, imwe kurudyi, imwe kuruboshwe; yokurudyi akaitumidza zita rinonzi Jakini, neyokuruboshwe akaitumidza Bhowasi.
17Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]