Shona

Malagasy

2 Kings

22

1Josiya wakatanga kubata ushe ava namakore masere; akabata ushe paJerusaremu makore makumi matatu nerimwe; zita ramai vake rakanga riri Jedhidha mukunda waAdhaya weBhozikati.
1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahirana ny Bokin'ny Lalàna] Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata.
2Akaita zvakarurama pamberi paJehovha, akafamba nenzira yose yaDhavhidhi baba vake, haana kutsaukira kurudyi kana kuruboshwe.
2Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
3Zvino negore regumi namasere ramambo Josiya, mambo akatuma munyori Shafani mwanakomana waAzaria, mwanakomana waMeshurami, kumba kwaJehovha, akati,
3Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe:
4Enda kuna Hirikia mupristi mukuru, umuudze averenge mari inoiswa mumba maJehovha, yakaunganidzwa navatariri vomukova kuvanhu;
4Miakara any amin'i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona;
5vaipe mumaoko avabati vebasa, vanotarira temberi yaJehovha; ivo vaipe vabati vebasa vari mumba maJehovha, kuti vagadzirise zvakaputsika paimba;
5ary aoka hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny trano,
6ivo vavezi, navavaki, navanoronga mabwe, uye vatenge nayo matanda, namabwe akavezwa, kuti vagadzire temberi.
6dia ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.
7Asi havana kubvunzwa pamusoro pemari yakaiswa mumaoko avo, nekuti vaibata vakatendeka.
7Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.
8Ipapo Hirikia mupristi mukuru akati kuna Shafani munyori, Ndawana bhuku yomurayiro mumba maJehovha. Hirikia akapa Shafani bhuku yomurayiro, iye akairava.
8Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.
9Zvino Shafani munyori akasvika kuna mambo, akadzoka neshoko kuna mambo, akati, Varanda venyu vadurura mari yakawanikwa mumba, vakaipa mumaoko avabati vebasa, vanotarira imba yaJehovha.
9Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.
10Shafani munyori akati kuna mambo, mupristi Hirikia wandipa bhuku. Shafani akariravira mambo.
10Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
11Zvino mambo wakati achinzwa mashoko ebhuku yomurayiro, akabvarura nguvo dzake.
11Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.
12Mambo akaraira mupristi Hirikia, naAhikami mwanakomana waShafani, naAkibhori mwanakomana waMikaya, naShafani munyori, naAsaya muranda wamambo, akati,
12Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:
13Endai mundondibvunzira Jehovha, ini navanhu vavaJudha vose, pamusoro pamashoko ebhuku iyi yakawanikwa; nekuti kutsamwa kwaJehovha kwaakatitsamwira nako kukuru kwazvo, nekuti madzibaba edu havana kuteerera mashoko ebhuku iyi, havana kuita zvose zvatakarairwa.
13Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.
14Naizvozvo mupristi Hirikia, naAhikami, naAkibhori, naShafani, naAsaya vakaenda kuna Huridha muporofitakadzi, mukadzi waSharumi mwanakomana waTikiva, mwanakomana waHarahasi, muchengeti wenguvo; (zvino iye mukadzi wakange agere paJerusaremu kurutivi rwechipiri rweguta;) vakataurirana naye.
14Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.
15Iye akati kwavari, Zvanzi naJehovha Mwari waIsiraeri, Udzai munhu wakakutumai kwandiri muti,
15Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:
16zvanzi naJehovha, tarirai, ndichauyisa zvakaipa pamusoro penzvimbo iyi, napamusoro pavagerepo, iwo mashoko ose ebhuku yakarahwa namambo weJudha;
16Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda.
17nekuti vakandirasha, vakapisira vamwe vamwari zvinonhuhwira, vakanditsamwisa namabasa ose amaoko avo, naizvozvo kutsamwa kwangu kuchapfutidza nzvimbo iyi, uye hakungadzimwi.
17Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
18Asi muti kuna mambo waJudha wakakutumai kuzobvunza Jehovha, Zvanzi naJehovha Mwari waIsiraeri, kana ari mashoko awakanzwa,
18Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao,
19moyo wako zvawakanga uri munyoro, ukazvininipisa pamberi paJehovha, nguva yawakanzwa zvandakataura pamusoro penzvimbo iyi, napamusoro pavageremo, kuti vachaitwa dongo nechinhu chakatukwa, wakabvarura nguvo dzako, wakachema pamberi pangu; zvino zvanzi naJehovha, Ini ndakunzwawo.
19satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
20Naizvozvo, tarira, ndichakuisa kuna madzibaba ako, uchavigwa muhwiro hwako norugare, meso ako haangawoni zvakaipa zvose zvandichauyisa pamusoro penzvimbo iyi. Vakadzoka neshoko kuna mambo.
20Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.