Shona

Malagasy

2 Kings

24

1Zvino pamazuva ake Nebhukadhinezari mambo weBhabhironi akasvika, Jehoyakimu akaitwa muranda wake makore matatu; ipapo akamuramba akamumukira.
1Tamin'ny andro nanjakan'i Joiakima no niakaran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
2Jehovha akatuma kwaari hondo dzavaKaradhea, nehondo dzavaSiria, nehondo dzavaMoabhu, nehondo dzavana vaAmoni, kuzorwa naye; akadzituma kuzoparadza Judha, sezvakarehwa neshoko raJehovha, raakataura nemiromo yavaranda vake vaporofita.
2Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
3Zvirokwazvo izvi zvakaitirwa Judha nokuraira kwaJehovha, kuti avabvise pamberi pake, nokuda kwezvivi zvaManase zvose zvaakaita;
3Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony
4uye nokuda kweropa risine mhosva raakateura; nekuti wakazadza Jerusaremu neropa risine mhosva; Jehovha akaramba kuvakangamwira.
4sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan'i Jehovah hamela ny helony.
5Zvino mamwe mabasa aJehoyakimu, nezvose zvaakaita, hazvina kunyorwa here mubhuku yaMakoronike amadzimambo aJudha?
5Ary ny tantaran'i Joiakima sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
6Jehoyakimu akavata namadzibaba ake, mwanakomana wake Jehoyakini akamutevera paushe.
6Ary Joiakima lasa nodimandry any amin'ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7Mambo weEgipita haana kuzobudazve munyika yake, nekuti mambo weBhabhironi wakange akunda zvose zvaiva zvamambo weEgipita, kubva parukova rweEgipita kusvikira parwizi Yufuratesi.
7Ary ny mpanjakan'i Egypta tsy nivoaka avy tany amin'ny taniny intsony; fa lasan'ny mpanjakan'i Babylona izay rehetra an'ny mpanjakan'i Egypta hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka hatramin'ny ony Eofrata.
8Jehoyakini wakatanga kubata ushe ava namakore gumi namasere, akabata ushe paJerusaremu mwedzi mitatu. Zita ramai vake rakanga riri Nehushuta mukunda waErinatani weJerusaremu.
8Valo ambin'ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin'i Elnatana, avy any Jerosalema.
9Akaita zvakaipa pamberi paJehovha, sezvakaita madzibaba ake pazvose.
9Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
10Nenguva iyo varanda vaNebhukadhinezari mambo weBhabhironi, vakasvika Jerusaremu, vakakomba guta.
10Tamin'izany andro izany no niakaran'ny mpanompon'i Nebokadnezara. mpanjakan'i Babylona, hamely an'i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
11Nebhukadhinezari mambo weBhabhironi, akasvika paguta, varanda vake vakarikomba.
11Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
12Zvino Jehoyakini mambo waJudha akabudira kuna mambo weBhabhironi, iye namai vake, navaranda vake, namachinda ake, navatariri vake; mambo weBhabhironi akamubata negore rorusere rokubata kwake ushe.
12Ary Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany;[Heb. ionoka] ary nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.
13Akaenda nefuma yose yeimba yaJehovha, nefuma yeimba yamambo, akatema-tema nhumbi dzose dzendarama dzakanga dzaitwa naSoromoni mambo welsiraeri mutemberi yaJehovha, sezvakanga zvataurwa naJehovha.
13Ary navoakan'i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay nolazain'i Jehovah.
14Akatapa vose veJerusaremu, namachinda ose, nemhare dzose, vatapwa zvuru zvine gumi, nemhizha dzose navapfuri vose; hakuna vakasara, asi vanhu vapasi venyika.
14Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
15Akatapawo Jehoyakini, akamuisa Bhabhironi; namai vamambo, navakadzi vamambo, navatariri vake, navakuru venyika, akavatapa paJerusaremu akavaisa Bhabhironi.
15Ary nitondra an'i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin'ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.[Heb. ionoka]
16Varume vose vaiva nesimba vane zviuru zvinomwe, nemhizha, navapfuri vane gumi ramazana, ava vose vaiva nesimba vaigona kurwa, mambo weBhabhironi wakavatapa, akavaisa Bhabhironi.
16Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
17Mambo weBhabhironi akaita Matania babamunini vaJehoyakimu, mambo panzvimbo yake, akashandura zita rake, akamutumidza Zedhekia. Zedhekia mambo wokupedzisira waJudha
17Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka hisolo an'i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
18Zedhekia wakatanga kubata ushe ava namakore makumi maviri nerimwe; akabata ushe paJerusaremu makore gumi nerimwe. Zita ramai vake rakanga riri Hamitari mukunda waJeremiya weRibhina.
18[Ny nanjakan'i Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny toetry ny olona sisa sy Joiakina] Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
19Akaita zvakaipa pamberi paJehovha sezvakaita Jehoyakini pazvose.
19Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
20Nekuti izvozvo zvakaitirwa Jerusaremu naJudha nokuda kokutsamwa kwaJehovha, kusvikira avarashira kure kwaari; Zedhekia akamukira mambo weBhabhironi.
20Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.