1Zvino Joabhu akaudzwa, zvichinzi Tarira, mambo unochema nokuungudzira Abhusaromu.
1Ary dia niontana terỳ ny fon'ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin'ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!
2Naizvozvo kukunda kwezuva iro kwakashandurwa kukava kuchema kwavanhu vose, nekuti vanhu vakanzwa zuva iro zvichinzi, Mambo unochema mwanakomana wake.
2Ary nambara tamin'i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an'i Absaloma ny mpanjaka.
3Vanhu vakapinda muguta zuva iro vachiverevedza, savanhu vanonyara kana vachitiza kurwa.
3Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin'ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren'ny vahoaka tamin'izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
4Mambo akafukidza chiso chake, mambo akachema nenzwi guru, achiti, Haiwa, mwana wangu Abhusaromu, Abhusaromu, mwana wangu, mwana wangu!
4Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin'izany andro izany, toy ny fisokosokon'ny olona menatra raha mandositra amin'ny ady.
5Ipapo Joabhu akapinda mumba kuna mambo, akati, Nhasi manyadza zviso zvavaranda venyu vose vakaponesa upenyu bwenyu nhasi, neupenyu hwevanakomana navanasikana venyu, noupenyu hwevakadzi venyu, noupenyu hwevarongo venyu;
5Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin'ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
6nekuti munoda ivo vanokuvengai, muchivenga vanokudai. nekuti makatiratidza nhasi, kuti hamuna hanya namachinda navaranda, nekuti nhasi ndaona, kuti Abhusaromu akanga achiri mupenyu, nesu tose takafa hedu nhasi, maifarira izvozvo.
6Ary niditra tao amin'ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain'ny vadinao sy ny vaditsindranonao;
7Naizvozvo zvino simukai, mubude, mundotaura navaranda venyu, muvanyaradze; nekuti ndinokupikirai naJehovha, kuti kana musingabudi, hakuna munhu ungasara nemwi usiku hwuno; izvozvo zvingava zvakaipa kwamuri kukunda zvakaipa zvose zvakakuwirai kubva pawuduku bwenyu kusvikira zvino.
7fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.
8Ipapo mambo akasimuka, akandogara pasuwo. Vakaudza vanhu vose, vachiti, Tarirai, mambo ugere pasuwo; vanhu vose vakauya pamberi pamambo.
8Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin'ny mpanomponao; fa mianiana amin'i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
9Asi vanhu vose vakanga vachiita bope kumarudzi ose avaIsiraeri, vachiti, Mambo wakatirwira pamaoko avavengi vedu, akatiponesa pamaoko avaFirisitia, zvino wabva panyika achitiza Abhusaromu.
9Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka. [Ny nodian'i Davida indray] Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin'ny lainy avy.
10Asi Abhusaromu watakanga tazodza kuti ave mambo wedu, wafa pakurwa. Zvino munoregereiko kutaurirana kudzosa mambo?
10Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny firenen'Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, indrindra fa tamin'ny tanan'ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin'ny tany izy noho ny amin'i Absaloma.
11Zvino mambo Dhavhidhi wakatuma nhume kuna Zhadhoki naAbhiatari vapristi, akati, Taurai kuvakuru vaJudha, muti, Imi munononokereiko kudzosa mambo kumba kwake? nekuti mambo wakanzwa kuti vaIsiraeri vose vanotaura kuti adzoswe kumba kwake.
11Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin'ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin'ny hampodiana ny mpanjaka?
12imwi muri hama dzangu, muri mafupa angu nenyama yangu, zvino munononokerei kudzosa mambo?
12Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin'ny loholon'ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin'ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin'ny mpanjaka tao an-tranony
13Zvino muti kuna Amasa, Iwe hausi pfupa rangu nenyama yangu here? Mwari ngaandirove, arambe achidaro, kana iwe usingazovi mukuru wehondo nguva yose pamberi pangu panzvimbo yaJoabhu.
13rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?
14Akarereudza moyo yavanhu vose vaJudha somoyo womunhu mumwe; naizvozvo vakatuma shoko kuna mambo, vakati, Dzokai, imwi navaranda venyu vose.
14Ary ataovy amin'i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin'ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon'i Joaba ianao.
15Naizvozvo mambo akadzoka akasvika paJoridhani VaJudha vakasvika paGirigari, vakasangana namambo, vakayambusa mambo Joridhani.
15Ary dia nampitodika ny fon'ny lehilahy rehetra amin'ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
16Zvino Shimei mwanakomana waGera, muBhenjamini, wakange agere Bhahurimu, wakakurumidza akaburuka navarume vaJudha kundosangana namambo Dhavhidhi.
16Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an'i Jordana.
17Iye waiva navarume veBhenjamini vane chiuru chimwe, naZibha, muranda weimba yaSauro, navanakomana vake vane gumi navashanu, navaranda vake vane makumi maviri; ivo vakayambuka Joridhani pamberi pamambo.
17Ary Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin'ny lehilahy amin'ny Joda tsena an'i Davida mpanjaka.
18Igwa rikaenda kundoyambusa veimba yamambo, nokuita sezvavaida. Ipapo Shimei mwanakomana waGera wakazviwisira pasi pamberi pamambo, iye akayambuka Joridhani.
18Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon'ny taranak'i Saoly, mbamin'ny zananilahy dimy ambin'ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an'i Jordana teo alohan'ny mpanjaka izy ireo.
19Akati kuna mambo, Ishe wangu ngaarege kundipa mhaka; regai henyu kurangarira kutadza komuranda wenyu zuva riya rokubuda kwashe wangu paJerusaremu; mambo ngaarege hake kurangarira izvozvo pamoyo pake.
19Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan'ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an'i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak'i Gera, niankohoka teo anatrehany.
20nekuti muranda wenyu unoziva kuti ndakatadza; naizvozvo tarirai, nhasi ndauya ndichitangira vose veimba yaJosefa, ndakaburuka kuzosangana nashe wangu mambo.
20Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Aoka tsy hisain'ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon'ny mpanomponao tamin'ny andro nivoahan'ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin'ny mpanjaka izany;
21Asi Abhishai mwanakomana waZeruya, akapindura akati, Shimei haafaniri here kuurawa pamusoro pechinhu ichi, nekuti wakatuka muzodzwa waJehovha?
21fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin'ny taranak'i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko.
22Dhavhidhi akati, Ndine mhosva yeiko nemi, imwi vanakomana vaZeruya, zvamunoda kuva vavengi vangu nhasi? Kungaurawa munhu mumwe waIsiraeri nhasi here? Munoti handizivi here kuti ndiri mambo waIsiraeri nhasi?
22Fa namaly Abisay, zanak'i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr'i Jehovah izy?
23Mambo akati kuna Shimei, Haungafi. Mambo akapika kwaari.
23Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin'ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan'ny Isiraely anio?
24Zvino Mefibhosheti mwanakomana waSauro wakaburuka kuzosangana namambo; asi iye wakange asina kushambidza tsoka dzake, kana kupetura ndebvu dzake, kana kusuka nguvo dzake, kubva pazuva rakaenda mambo kusvikira zuva raakadzoka naro norugare.
24Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
25Zvino wakati asvika Jerusaremu kuzosangana namambo, mambo akati kwaari, Wakaregereiko kuenda neni, Mefibhosheti?
25Ary Mefiboseta, zanakalahin'i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin'ny andro nialan'ny mpanjaka ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
26Iye akapindura akati, Ishe wangu mambo, muranda wangu wakandinyengera; nekuti muranda wenyu wakati, ndichazviisira chigaro pambongoro, ndiitasve, ndiende namambo, nekuti muranda wenyu chirema.
26Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
27Iye akandochera muranda wenyu kunashe wangu mambo; asi ishe wangu mambo wakafanana nomutumwa waMwari, naizvozvo itai henyu sezvamunoda.
27Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin'ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin'ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.
28nekuti vose veimba yababa vangu vaifanira kuurawa nashe wangu mambo; kunyange zvakadaro makagadza muranda wenyu pakati pavaidya patafura yenyu. Ini ndichine simba reiko rokuchema naro kuna mambo?
28Nefa nendrikendrehiny tamin'ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
29Mambo akati kwaari, Ucharamba uchitaureiko? Ndinoti, Iwe naZibha govanai nyika.
29Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan'ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan'izay mihinana amin'ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?
30Mefibhosheti akati kuna mambo, Iye ngaatore hake zvose, ishe wangu mambo zvaakadzokera kumba kwake norugare.
30Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.
31NaBharizirai muGiriyadhi wakaburukawo achibva Rogerimi, akayambuka Joridhani namambo, kuzomuperekedzera mhiri kwaJoridhani.
31Ary hoy Mefiboseta tamin'ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin'ny tranonao indray.
32Zvino Bharizirai wakange ari mutana kwazvo, wakange asvika makore makumi masere; wakange avigira mambo zvokudya panguva yokugara kwake paMahanaimi, nekuti wakange akafuma kwazvo.
32Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an'i Jordana tamin'ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an'i Jordana.
33Mambo akati kuna Bharizirai, Hendei, tiyambuke tose, ini ndichakuraramisa kwandiri paJerusaremu.
33Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
34Bharizirai akati kuna mambo, Makore oupenyu hwangu achava manganiko, kuti ndikwire Jerusaremu namambo?
34Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.
35Nhasi ndava namakore makumi masere; ini ndichagona kutsaura zvakanaka kune zvakaipa here? Muranda wenyu uchagona kuravira zvakanaka zvaanodya kana zvaanomwa here? Ndichagona kunzwa manzwi avarume navakadzi kana vachiimba here? Muranda wenyu ucharemedzereiko ishe wangu mambo?
35Fa hoy Barzilay tamin'ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin'ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
36Muranda wenyu wakange achingoda hake kuyambuka Joridhani namambo; zvino mambo ungandiripira izvozvo nomubayiro wakadai seiko?
36Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon'ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin'ny mpanjaka tompoko?
37Regai, muranda wenyu adzoke hake, ndinofira hangu muguta rangu, pamarinda ababa vangu namai vangu; asi hoyo muranda wenyu Chimhamu, iye ngaayambuke nashe wangu mambo, mugomuitira iye sezvamunoda.
37Kely foana no handehanan'ny mpanomponao eo an-dafin'i Jordana hiaraka amin'ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?
38Mambo akapindura akati, Chimhamu uchayambuka neni, ini ndichamuitira iye sezvaunoda iwe; zvose zvaunoreva kwandiri ndichakuitira izvo.
38Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin'ny vohitro ao akaikin'ny fasan'ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin'ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.
39Vanhu vose vakayambuka Joridhani, naiye mambo akayambukawo; mambo akatsvoda Bharizirai akamuropafadza, iye akadzokera kumusha kwake.
39Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.
40Naizvozvo mambo akapfuurira Girigari, Chimhamu akayambuka naye, navanhu vose vaJudha vakapfuudzira mberi mambo, uyewo hafu yavanhu vaIsiraeri.
40Ary ny vahoaka rehetra nita an'i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan'ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin'ny fonenany izy.
41Zvino varume vose vaIsiraeri vakauya kuna mambo, vakati kuna mambo, Hama dzedu, varume vaJudha, vakakubireiko, vakayambusa mambo naveimba yake Joridhani, pamwechete navarume vose vaDhavhidhi?
41Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin'ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka.
42Varume vose vaJudha vakapindura varume vaIsiraeri, vakati, nekuti mambo ihama yedu yomumba; matsamwireiko nemhaka iyi? Ko isu takatongodya zvamambo here? Iye wakatongotipa chipo here?
42[Ny nifandiran'ny Isiraely sy ny Joda, ary ny niodinan'i Seba] Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin'Isiraely nankao amin'ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin'ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon'i Davida rehetra teny aminy hita an'i Jordana?
43Varume vaIsiraeri vakapindura varume vaJudha, vakati, Isu tine migove ine gumi kuna mambo, naDhavhidhi ndewedu kukunda imi; zvino imwi makatizvidzireiko, zvamusina kutanga kurangana nesu pamusoro pokudzosa mambo wedu? Asi mashoko avarume vaJudha akanga achityisa kukunda mashoko avarume vaIsiraeri.
43Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda dia namaly ny lehilahy amin'ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin'izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
44Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.