1imwi muri vana vaJehovha Mwari wenyu; musazvitema,kana kuzviveura pakati pameso pamusoro pavakafa.
1[Ny amin'ny hifadiana izay fanao vetaveta, na izay zavatra tsy fihinana] Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty.
2nekuti uri rudzi rutsvene kuna Jehovha Mwari wako; Jehovha wakakutsaura pakati pendudzi dzose dzavanhu vari panyika, kuti uve rudzi rwake chairwo.
2Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
3Usadya chinhu chipi nechipi chinonyangadza.
3Aza mihinana izay fahavetavetana.
4Mhuka dzamungadya ndidzo: Mombe, negwai, nembudzi;
4Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy
5nenondo, nemhara, nemhembwe, netsoma, nemharapara, nenyati, nengururu.
5sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:
6Mhuka ipi neipi ina mahwanda akaparadzana, ine tsoka dzakaparadzana, inodzeya, ndidzo dzamungadya henyu.
6izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.
7Asi idzi dzinodzeya, kana dzina mahwanda akaparadzana, regai kudzidya: Kamera, netsuro, nembira; nekuti dzinodzeya, asi hadzina mahwanda akaparadzana, hadzina kunaka kwamuri;
7Nefa amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
8nenguruve; nekuti ina mahwanda akaparadzana, asi haidzeyi; haina kunaka kwamuri; musadya nyama yadzo, uye musabata zvitunha zvadzo.
8ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo.
9Ndizvo zvamungadya kune zvose zviri mumvura: Zvose zvine zvimbi namakwande mungazvidya;
9Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo;
10asi zvose zvisina zvimbi namakwande, musazvidya izvo, hazvina kunaka kwamuri.
10fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.
11Mungadya shiri dzose dzakanaka.
11Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.
12Asi dzamusingafaniri kudya ndidzo: Gora guru, negondo guru, nenyamudzura;
12Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
13norukodzi, nenjerere, noruvangu namarudzi arwo;
13ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy
14namarudzi ose amakunguvo;
14ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,
15nemhou, nezizi, neshiri yegungwa, namarudzi ose oruvangu;
15ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,
16nezizi duku, nezizi guru, nejichidza,
16ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa
17nehukurwizi, negora, nekanyurura-hove;
17ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana
18nezimudo, nekondo, namarudzi ayo, nemhupupu, nechiremwaremwa.
18ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
19Zvose zvina mapapiro zvinokambaira zvinofanira kuva zvisina kunaka kwamuri; hazvifaniri kudyiwa.
19Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
20Asi shiri dzose dzakanaka mungadzidya henyu.
20Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
21Musadya chinhu chakanora choga; ungachipa mweni uri mukati mamasuwo ako, iye achidye, kana ungachitengesa kumutorwa; nekuti iwe uri rudzi rutsvene kuna Jehovha Mwari wako. Usabika mbudzana mumukaka wamai vayo.
21Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
22Utsaure zvakanaka zvegumi zvezvibereko zvose zvembeu dzako, dzinobva mumunda mako gore rimwe nerimwe.
22[Ny amin'ny fandoavana ny fahafolon-karena] Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
23Unofanira kudya pamberi paJehovha Mwari wako, panzvimbo yaachatsaura kugarisa zita rakepo, zvegumi zvezviyo zvako, nezvewaini yako, nezvamafuta ako, nezvavana vemhongora dzemombe dzako nedzamakwai ako, kuti udzidze kutya Jehovha Mwari wako nguva dzose.
23dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
24Kana nzira iri kuresa, ukasagona kuzvisvitsako, nekuti nzvimbo iyo yawakatsaurirwa naJehovha Mwari wako, kuti aise zita rakepo, iri kure newe, kana Jehovha Mwari wako akakuropafadza,
24Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao,
25unofanira kuzvitengesa nemari, ndokubata mari mumaoko ako, ugoenda kunzvimbo ichatsaurwa naJehovha Mwari wako,
25dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao;
26ndokutenga nemari iyo zvose zvinodikamwa nomoyo wako, kana mombe, kana makwai, kana waini, kana zvinobata, kana zvose zvinoreva moyo wako kwauri, udyirepo pamberi paJehovha Mwari wako, ufare, iwe nemhuri yako.
26ary ny vola dia amidio izay rehetra tian'ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny ankohonanao;
27Uye muRevhi uri mukati mamasuwo ako, usamukangamwa, nekuti haana mugove kana nhaka newe.
27ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
28Nguva dzose kana makore matatu apera, unofanira kuuya nezvegumi zvose zvezvibereko zvako zvegore iro, ugozvichengeta mukati mamasuwo ako.
28Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao.
29Zvino muRevhi, zvaasina mugove kana nhaka newe, nomweni, nenherera, nechirikadzi, vari mumasuwo ako, vanofanira kuuya kuzodya, vagute; kuti Jehovha Mwari wako akuropafadze pamabasa ose aunoita namaoko ako.
29ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao.