1Usabayira Jehovha Mwari wako mombe kana gwai rakaremara, kana rine chakaipa chipi nechipi; nekuti izvo zvinonyangadza Jehovha Mwari wako.
1Aza vonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.
2Kana pakati pako mukati merimwe ramasuwo ako, aunopiwa naJehovha Mwari wako, murume kana mukadzi akawanikwa, unoita zvakaipa pamberi paJehovha Mwari wako, achidarika sungano yake,
2Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
3akandoshumira vamwe vamwari, akanamata kwavari, kana kuzuva kana kumwedzi, kana kune chimwe chehondo dzokudenga, chandisina kukuraira;
3ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin'ny masoandro, na amin'ny volana, na amin'ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
4iwe ukaudzwa izvozvo, ukazvinzwa, ipapo unofanira kubvunzisisa kwazvo; zvino kana ukaona kuti ndizvo, ndezvamazvokwadi, kuti chinhu chinonyangadza chakadai chaitwa pakati paIsiraeri;
4ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin'ny Isiraely izany fahavetavetana izany:
5ipapo unofanira kubudisa murume nomukadzi, ugovataka namabwe, vafe.
5dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.
6Nokupupura kwezvapupu zviviri kana zvitatu iye unofanira kufa, ngaaurawe; nokupupura kwechapupu chimwe ngaarege kuurawa.
6Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
7Maoko ezvapupu ndiwo anofanira kutanga kumuuraya; pashure maoko avanhu vose. Saizvozvo unofanira kubvisa zvakaipa pakati pako.
7Ny tanan'ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
8Kana mhaka ikamuka yamusingagoni kutonga, kana yokuurayana, kana yokukwirirana, kana yokukuvadzana, dziri mhaka dzenharo pakati pamasuwo ako; ipapo unofanira kusimuka nokukwira kunzvimbo ichatsaurwa naJehovha Mwari wako;
8Raha misy teny sarotra loatra amin'ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao.
9uende kuvapristi vaRevhi, nokumutongi uchavapo pamazuva iwayo, ubvunze; ivo vachakuzivisa kutonga kwakafanira.
9ary mankanesa amin'ireo Levita mpisorona sy amin'ny anankiray izay mpitsara amin'izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
10Zvino unofanira kuita sezvavanokutongera panzvimbo ichatsaurwa naJehovha; uchenjere kuti uite sezvavanokudzidzisa;
10Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.
11unofanira kuita nomurayiro wavanokuraira, uye nokutonga kwavanokuudza; haufaniri kutsauka kana kurudyi kana kuruboshwe, pakutonga kwavachakuratidza.
11Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin'ny teny izay hambarany aminao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
12Munhu unoita nokuzvikudza, asingadi kuteerera mupristi unomirapo pakushumira Jehovha Mwari wako, kana mutongi, munhu uyo anofanira kufa; iwe unofanira kubvisa zvakaipa pakati paIsiraeri.
12Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
13Vanhu vose vachazvinzwa, vachatya, vakasazoita nokuzvikudza.
13Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony.
14Zvino kana ukasvika panyika yaunopiwa naJehovha Mwari wako, ikava yako, ukagaramo, ukati, Ndichazvigadzira mambo, sezvinoita ndudzi dzose, dzinondipoteredza;
14Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
15zvirokwazvo unofanira kuzvigadzira hako mambo uchatsaurwa naJehovha Mwari wako; unofanira kugadza mumwe kuhama dzako, kuti ave mambo wako; haufaniri kugadza mutorwa, isati iri hama yako.
15dia izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin'ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin'ny rahalahinao ianao.
16Asi ngaarege kuzviwanzira mabhiza, kana kudzosera vanhu Egipita, kuti azviwanzire mabhiza; nekuti Jehovha wakati kwauri, Usadzokazve kubva zvino nenzira iyo.
16Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany lalana izany intsony.
17Uye ngaarege kuzviwanzira vakadzi, kuti moyo wake urege kutsauka; uye ngaarege kuzviwanzira zvikuru sirivha nendarama.
17Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy.
18Zvino kana iye ogara pachigaro chake choushe, anofanira kunyora murayiro uyu mubhuku yake, achitora mashoko ari kuvapristi vaRevhi;
18Ary rehefa mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin'ireo Levita mpisorona.
19inofanira kugara naye, kuti aravemo mazuva ose oupenyu hwake; kuti adzidze kutya Jehovha Mwari wake, nokuchengeta mashoko ose omurayiro uyu nezvakatemwa izvi, kuti azviite;
19Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,mba tsy hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba ho maro andro amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely; izy sy ny taranany.
20kuti moyo wake urege kuzvikudza pamusoro pehama dzake, arege kutsauka pamurayiro, uyu, kana kurudyi, kana kuruboshwe; kuti awedzere mazuva ake paushe hwake, iye, navana vake, pakati paIsiraeri.
20mba tsy hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba ho maro andro amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely; izy sy ny taranany.